Jaona 7:1-53

7  Taorian’izany, dia nanohy ny diany nitety an’i Galilia i Jesosy, fa tsy te handeha tany Jodia izy, satria nitady hamono+ azy ny Jiosy.  Akaiky anefa ny fetin’ny Jiosy, izany hoe ny fetin’ny tranolay.+  Koa hoy ny rahalahiny+ taminy: “Mialà eto ianao ka mankanesa any Jodia, mba ho hitan’ny mpianatrao koa izay ataonao.  Fa tsy misy olona te ho fanta-bahoaka nefa manao zavatra ao amin’ny miafina. Koa raha manao ireny zavatra ireny ianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao.”  Tsy nino azy mantsy ny rahalahiny.+  Koa hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy,+ fa ny anareo kosa mety foana.  Tsy misy antony ankahalan’izao tontolo izao anareo. Fa izaho kosa halany, satria manaporofo fa ratsy ny ataony.+  Mandehana ianareo mamonjy ny fety, fa izaho mbola tsy handeha satria mbola tsy tena tonga+ ny fotoana voatondro+ ho ahy.”  Nijanona tany Galilia izy, rehefa avy nilaza izany tamin’izy ireo. 10  Rehefa lasa namonjy an’ilay fety anefa ireo rahalahiny, dia mba nandeha koa izy, saingy tsy niharihary fa toa niafinafina.+ 11  Dia nitady+ azy tany amin’ny fety ny Jiosy, ka nanao hoe: “Aiza izy?” 12  Ary nitakoritsika be ihany momba azy ny vahoaka.+ Hoy ny sasany: “Olona tsara fanahy izy.” Fa hoy kosa ny sasany: “Tsy tsara fanahy izy, fa mpamita-bahoaka.” 13  Tsy nisy sahy niresaka momba azy ampahibemaso anefa, noho ny fahatahorana ny Jiosy.+ 14  Efa nisasaka ny fety, rehefa niakatra tao amin’ny tempoly i Jesosy ka nampianatra.+ 15  Dia gaga ny Jiosy, ka nanao hoe: “Ahoana koa no mba ananan’io fahaizana+ sy fahalalana hoatr’izany, nefa tsy nianatra tany amin’ny sekolintsika izy?”+ 16  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.+ 17  Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho fantatr’izany olona izany raha avy amin’Andriamanitra+ ny fampianarako, na miteny araka ny nahim-poko fotsiny aho. 18  Mitady voninahitra ho an’ny tenany mantsy izay miteny araka ny nahim-pony. Fa izay mitady voninahitra+ ho an’ilay naniraka azy kosa, dia izy no marina ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy. 19  Tsy i Mosesy ve no nanome anareo ny Lalàna?+ Tsy misy mankatò ny Lalàna anefa ianareo. Nahoana no tadiavinareo hovonoina aho?”+ 20  Dia namaly ny vahoaka hoe: “Misy demonia ianao.+ Iza koa izao no mitady hamono anao eo?” 21  Hoy i Jesosy: “Zavatra iray no nataoko,+ dia efa gaga daholo ianareo rehetra. 22  Izany koa no antony nanomezan’i Mosesy anareo ny famorana.+ Tsy avy amin’i Mosesy anefa ny famorana, fa avy amin’ny razanareo.+ Ary dia manao famorana amin’ny sabata ianareo. 23  Koa raha amin’ny sabata aza no anaovana famorana mba tsy handikana ny lalàn’i Mosesy, dia tezitra mafy amiko ve ianareo, satria nositraniko tanteraka ny olona iray, tamin’ny andro sabata?+ 24  Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.”+ 25  Dia hoy ny mponina sasany tao Jerosalema: “Tsy io moa ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?+ 26  Jereo anefa fa miteny ampahibemaso izy,+ kanefa tsy miteny na inona na inona aminy ry zareo. Sao dia efa tena fantatr’ireo lohandohany eto amintsika àry fa izy no Kristy?+ 27  Isika kosa mahalala izay niavian’io lehilahy io.+ Rehefa tonga anefa i Kristy, dia tsy misy mahalala izay iaviany.”+ 28  Koa niteny mafy i Jesosy rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly, ka nanao hoe: “Fantatrareo aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.+ Sady tsy tonga araka ny nahim-poko aho.+ Tena misy ilay naniraka ahy,+ fa ianareo no tsy mahalala azy.+ 29  Izaho mahalala azy,+ satria izaho no solontenany ary Izy no naniraka ahy.”+ 30  Koa notadiavin’izy ireo hosamborina izy,+ nefa tsy nisy nisambotra azy, satria mbola tsy tonga ny fotoana voatondro+ ho azy. 31  Na izany aza, dia nino azy ny ankamaroan’ny vahoaka,+ ka hoy ireo: “Rehefa tonga i Kristy, hanao famantarana+ maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?” 32  Ren’ny Fariseo izany tenin’ny vahoaka nitakoritsika momba an’i Jesosy izany, ka naniraka mpiambina hisambotra an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo.+ 33  Dia hoy i Jesosy: “Mbola hijanona kelikely eto aminareo aho, alohan’ny handehanako any amin’ilay naniraka ahy.+ 34  Hitady ahy ianareo+ fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy tsy azonareo aleha.”+ 35  Koa nifampiresaka ny Jiosy hoe: “Mikasa ho aiza àry izy io, ka tsy ho hitantsika? Ary sao dia mikasa hankany amin’ny Jiosy miely patrana+ any amin’ny Grika àry izy, ka hampianatra ny Grika? 36  Inona no dikan’ny teniny hoe: ‘Hitady ahy ianareo fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy tsy azonareo aleha’?” 37  Ary tamin’ilay andro farany, izay andro lehibe tamin’ilay fety,+ dia nitsangana i Jesosy ka niteny mafy hoe: “Raha misy mangetaheta,+ aoka izy hanatona ahy ka hisotro. 38  Izay mino ahy,+ dia ‘hisy rano velona hikoriana avy ao anatiny ao’,+ araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” 39  Ilay fanahy efa horaisin’ireo mino azy anefa no nolazainy tamin’izany. Fa mbola tsy nisy olona nomena ny fanahy,+ satria i Jesosy aza mbola tsy nomem-boninahitra.+ 40  Dia hoy ny sasany tamin’ny vahoaka izay nandre izany: “Tena io mihitsy Ilay Mpaminany!”+ 41  Ny sasany nanao hoe: “Io no Kristy!”+ Fa hoy kosa ny sasany: “Avy any Galilia angaha moa no iavian’i Kristy?+ 42  Fa angaha moa ny Soratra Masina tsy nilaza an’i Kristy ho avy amin’ny taranak’i Davida,+ avy any Betlehema,+ tanàna kely nonenan’i Davida?”+ 43  Dia nisara-kevitra momba azy ny vahoaka.+ 44  Ny sasany anefa te hisambotra azy, saingy tsy nisy tena nitana azy. 45  Dia niverina tany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny mpiambina, ary hoy ny Fariseo taminy: “Nahoana no tsy nentinareo atỳ izy?” 46  Namaly ny mpiambina hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.”+ 47  Hoy indray ny Fariseo: “Voafitaka koa angaha ianareo? 48  Fa angaha moa mba misy mino azy ny lohandohany eo amin’ny Jiosy na ny Fariseo?+ 49  Fa olom-boaozona ireo vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ireo.”+ 50  Fa hoy i Nikodemosy, ilay tonga tany amin’i Jesosy teo aloha, sady anisan’izy ireo: 51  “Angaha moa ny lalàntsika manameloka olona, raha tsy efa re+ aloha ny teniny ka fantatra izay ataony?” 52  Hoy ny navalin’ireo azy: “Angaha koa ianao avy any Galilia? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany+ avy any Galilia.” Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana Kôdeksa Sinaiticus, Kôdeksa Vaticanus, ary ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka ny andininy faha-53 ka hatramin’ny toko faha-8 andininy faha-11. Misy fahasamihafany izy ireo, ao amin’ireo soratra grika sy ny dikan-teny samihafa. Toy izao no voalaza ao: 53  Dia samy lasa nody tany an-tranony avy izy ireo.

Fanamarihana