Jaona 9:1-41

9  Nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny izy, raha iny nandalo iny.  Ary nanontany azy ny mpianany hoe: “Raby+ ô, fa iza no nanota,+ io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny,+ no teraka jamba izy?”  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa mba hampisehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izany.+  Tsy maintsy manao ny asan’ilay naniraka ahy isika, dieny mbola antoandro.+ Fa ho avy ny alina+ izay tsy hahafahan’ny olona hiasa.  Izaho no fahazavan’izao tontolo izao+ raha mbola eo amin’izao tontolo izao aho.”  Rehefa avy nilaza izany izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tanimanga tamin’ny rorany, ary napetany teo amin’ny mason’ilay lehilahy izany,+  ka hoy izy: “Mandehana misasa+ any amin’ny dobon’i Siloama”+—izay adika hoe ‘Nalefa.’ Dia nandeha izy ka nisasa,+ ary nahiratra ny masony+ rehefa niverina izy.  Hoy àry ny mpiara-monina taminy sy izay efa nahita azy nangataka: “Tsy ilay lehilahy nipetraka nangataka ve ity?”+  Hoy ny sasany: “Izy tokoa io.” Fa hoy ny sasany: “Tsy izy mihitsy io, fa olona mitovy aminy.” Fa hoy kosa ilay lehilahy: “Izaho no izy.” 10  Dia hoy ireo taminy: “Ary ahoana no nahiratan’ny masonao?”+ 11  Namaly izy hoe: “Nanao feta tanimanga ilay lehilahy atao hoe Jesosy, ka nanosotra izany teo amin’ny masoko, ary nanao hoe: ‘Mandehana misasa any Siloama.’+ Dia nandeha aho ka nisasa, ary nahiratra.” 12  Ary hoy ireo: “Aiza izany lehilahy izany?” Dia hoy izy: “Tsy fantatro.” 13  Dia nentin’ireo tany amin’ny Fariseo ilay jamba nahiratra. 14  Ary Sabata+ ilay andro nanaovan’i Jesosy feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.+ 15  Dia nanontany azy koa ny Fariseo hoe ahoana no nampahiratra ny masony.+ Hoy ralehilahy tamin’ireo: “Nasiany feta tanimanga ny masoko, ary nosasako ka nahita aho.” 16  Ary hoy ny Fariseo sasany: “Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata.”+ Hoy kosa ny sasany: “Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no hahavita famantarana+ toy izany?” Koa nisara-kevitra+ ireo. 17  Hoy indray ireo tamin’ilay jamba: “Inona kosa no lazainao momba azy, noho izao nampahiratany ny masonao izao?” Hoy ilay lehilahy: “Mpaminany izy.”+ 18  Tsy nino anefa ny Jiosy fa jamba nahiratra io lehilahy io, raha tsy efa avy nantsoin’izy ireo ny ray aman-dreniny, 19  ka nanontaniany hoe: “Zanakareo ve ity, ilay lazainareo hoe teraka jamba? Koa nahoana izy izao no mahita?” 20  Hoy ny navalin’ny ray aman-dreniny: “Fantatray fa zanakay io, ary teraka jamba izy. 21  Fa tsy fantatray kosa hoe ahoana no nahatonga azy hahita ankehitriny, na hoe iza no nampahiratra ny masony. Anontanio izy e! Efa lehibe izy, ka izy ihany no tokony hilaza ny momba ny tenany.” 22  Nilaza izany ny ray aman-dreniny noho ny fahatahorany+ ny Jiosy. Efa nifanaraka mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky an’i Jesosy ho Kristy, dia tokony horoahina hiala amin’ny synagoga.+ 23  Izany no nilazan’ny ray aman-dreniny hoe: “Efa lehibe izy, ka anontanio.” 24  Dia nantsoin’ireo fanindroany indray ilay jamba nahiratra, ka nataony hoe: “Omeo voninahitra Andriamanitra,+ ka lazao ny marina. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany.” 25  Fa hoy kosa izy: “Tsy fantatro aloha na mpanota izy na tsia. Izao ihany no fantatro: Jamba aho taloha, fa mahiratra aho izao.” 26  Dia hoy ireo: “Inona no nataony taminao? Ahoana no nampahiratany ny masonao?” 27  Hoy ny navaliny: “Efa nolazaiko taminareo izany, fa tsy nihaino ianareo. Koa nahoana no tianareo hohenoina indray? Te ho tonga mpianany koa angaha ianareo?” 28  Dia nanevateva azy izy ireo, ka nanao hoe: “Ialahy no mpianany, fa izahay mpianatr’i Mosesy. 29  Fantatray fa niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra,+ fa izany lehilahy izany kosa tsy fantatray izay niaviany.”+ 30  Dia namaly izy hoe: “Mba mahagaga+ koa ny tsy ahafantaranareo izay niaviany, nefa izy nampahiratra ny masoko. 31  Fantatsika fa tsy mihaino ny mpanota Andriamanitra,+ fa izay matahotra azy sy manao ny sitrapony kosa no henoiny.+ 32  Mbola tsy re mihitsy hatrizay hatrizay hoe nisy nampahiratra mason’olona jamba hatrany an-kibon-dreniny. 33  Koa tsy mahavita na inona na inona mihitsy izany lehilahy izany raha tsy avy amin’Andriamanitra.”+ 34  Dia hoy ireo: “Tena teraka tao anatin’ny ota+ ialahy, ka ialahy indray ve no mampianatra anay?” Ary noroahiny izy!+ 35  Ren’i Jesosy fa noroahin’izy ireo izy. Koa rehefa nahita azy i Jesosy dia nanao hoe: “Mino ny Zanak’olona+ ve ianao?” 36  Namaly ilay lehilahy hoe: “Iza moa izy, tompoko, mba hinoako azy?” 37  Hoy i Jesosy: “Efa hitanao izy, ary izy ilay miresaka aminao izao.”+ 38  Hoy ilay lehilahy: “Mino azy tokoa aho, Tompo ô!” Ary niankohoka+ teo anatrehany izy. 39  Dia hoy i Jesosy: “Noho izao fitsarana+ izao no nahatongavako amin’izao tontolo izao: Mba hahiratra ny tsy mahiratra,+ ary mba ho jamba ny mahiratra.”+ 40  Nisy Fariseo teo nandre izany, ka nanao hoe: “Izahay koa ve mba jamba?”+ 41  Hoy i Jesosy: “Tsy ho nanan-keloka ianareo, raha jamba. Milaza anefa ianareo hoe: ‘Mahita izahay’,+ koa tsy afaka àry ny helokareo.”+

Fanamarihana