Jeremia 1:1-19

1  Ny tenin’i Jeremia+ zanak’i Hilkia, anisan’ny mpisorona tao Anatota,+ tany amin’ny tanin’i Benjamina.+  Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah tamin’ny andron’i Josia+ zanak’i Amona,+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakany.+  Mbola tonga taminy foana izany tamin’ny andron’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, mandra-pahatapitry ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, eny, mandra-panaovana sesitany ny mponin’i Jerosalema, tamin’ny volana fahadimy.+  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Efa fantatro ianao talohan’ny namoronako anao tany am-bohoka,+ ary efa nohamasiniko ianao talohan’ny nivoahanao avy tao an-kibo.+ Koa notendreko ho mpaminany ho an’ireo firenena ianao.”  Fa hoy aho: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy mahay mandaha-teny+ aho fa mbola zaza+ ihany.”  Hoy anefa i Jehovah tamiko: “Aza manao hoe: ‘Mbola zaza ihany aho.’ Fa mandehana any amin’izay rehetra hanirahako anao, ary izay rehetra handidiako anao no ambarao.+  Aza matahotra azy,+ fa ‘momba anao aho, mba hanafaka anao’,+ hoy i Jehovah.”  Koa natsotran’i Jehovah ny tanany ka nokasihiny ny vavako.+ Dia hoy i Jehovah tamiko: “Efa nataoko ao am-bavanao ny teniko.+ 10  Ary manendry anao hanana fahefana eo amin’ireo firenena sy fanjakana+ aho anio, mba hanongotra sy handrodana, handringana sy handrava,+ ary hanorina sy hamboly.”+ 11  Tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: “Inona no hitanao, ry Jeremia?” Dia hoy aho: “Sampana hazo amandie* no hitako.” 12  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Marina izany! Hifoha foana tokoa aho mba hanatanterahako ny teniko.”+ 13  Tonga tamiko fanindroany ny tenin’i Jehovah hoe: “Inona no hitanao?” Dia hoy aho: “Vilanibe no hitako, ary misy mikopaka ny afo eo ambaniny. Mitodika mianavaratra ny vodin’ilay vilany, ka mitongilana mianatsimo ny vavany.” 14  Hoy i Jehovah tamiko: “Avy any avaratra no hiavian’ny loza hamely ny mponina rehetra ao amin’ilay tany.+ 15  Fa ‘izaho mihitsy no hiantso ny foko rehetra ao amin’ireo fanjakana any avaratra’, hoy i Jehovah.+ ‘Ary ho avy tokoa ireo, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Jerosalema,+ mba hamelezana ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetran’ny Joda.+ 16  Hanambara amin’izy ireo ny didim-pitsarako aho noho ny ratsy rehetra nataony.+ Nahafoy ahy mantsy izy ireo,+ ary nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa.+ Niankohoka teo anatrehan’ny asan’ny tanany+ koa izy ireo.’ 17  “Fa ianao kosa misikìna,*+ ary mitsangàna ka ambarao amin’izy ireo izay rehetra andidiako anao. Aza mihorohoro noho ny amin’izy ireo,+ sao ianao indray no hataoko mihorohoro eo anatrehany. 18  Ary ankehitriny, dia ataoko toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina+ ianao mba hiatrehanao ilay tany manontolo,+ dia ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny andrianany, sy ny mpisorony ary ny vahoakany.*+ 19  Tsy maintsy hiady aminao ireo, nefa tsy haharesy anao,+ satria ‘momba anao aho,+ mba hanafaka anao’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana

Heb.: “ilay mifoha.” Anisan’ireo hazo mamony voalohany rehefa lohataona.
A.b.t.: “fehezo ny andilanao.”
A.b.t.: “olon’ny tany.”