Jeremia 10:1-25

10  Henoy ny teny fanamelohan’i Jehovah anareo, ry taranak’Israely!  Izao no nolazain’i Jehovah: “Aza mianatra ny fanaon’ireo firenena+ ary aza mihorohoro noho ireo famantarana eny amin’ny lanitra, satria ireo firenena no mihorohoro rehefa mijery an’ireny.+  Fa zava-poana toy ny fofonaina ny fanaon’ireo firenena.+ Hazo+ nokapaina tany an’ala no namboariny, dia asa tanan’olona tena havanana amin’ny fampiasana antsy fanaovana sokitra.+  Volafotsy sy volamena no nandravahany azy,+ ary fantsika sy marotoa no nanakambanany azy mba tsy hihetsiketsika.+  Toy ny kalo fampitahoram-borona eny amin’ny sahan-kôkômbra ireny, ary tsy afa-miteny.+ Tsy maintsy bataina ireny fa tsy afa-mamindra.+ Koa aza matahotra azy, fa sady tsy mahatonga loza izy no tsy afaka manisy soa.”+  Tsy misy toa anao mihitsy, Jehovah ô!+ Lehibe ianao, ary be voninahitra sy mahery ny anaranao.+  Iza no tsy hatahotra anao,+ ry Mpanjakan’ireo firenena+ ô? Fa ianao no mendrika hatahorana. Tsy misy toa anao mihitsy eo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena, ary tsy misy toa anao koa eo amin’ny fanjakany rehetra.+  Sady adala no tsy misaina izy ireo.+ Mampirisika hanaraka zava-poana ny hazo natao sampy.+  Volafotsy nofisahina no nentina avy tany Tarsisy,+ ary avy any Ofaza+ kosa ny volamena. Zavatra namboarin’ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy ireny. Kofehy manga sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena no nanaovana ny fitafiany. Asa tanan’ny olona mahay taozavatra izy rehetra.+ 10  I Jehovah kosa anefa no tena Andriamanitra.+ Izy no Andriamanitra velona+ sy Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Hihovotrovotra ny tany+ noho ny fahatezerany, ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany.+ 11  Izao no holazainareo amin’izy ireo: “Ireo andriamanitra+ izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany no ho fongotra tsy ho eny ambonin’ny tany+ sy etỳ ambanin’ny lanitra.” 12  Izy no Mpanao ny tany, ary tamin’ny heriny no nanaovany azy.+ Izy koa no nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny,+ ary Izy no namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.+ 13  Mampisamboaravoara ny rano eny amin’ny lanitra ny feony.+ Mampiakatra etona avy any amin’ny faran’ny tany izy,+ sady manao vavahadin-drano ho an’ny orana,+ ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitehirizany azy.+ 14  Tsy misaina mihitsy ny olona rehetra ka tsy mahalala.+ Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+ Fitaka fotsiny ny sarivongana metaly nataony,+ fa tsy misy aina.+ 15  Zava-poana ireny sady zavatra hamavoin’ny olona.+ Ho fongana ireny rehefa tonga ny fotoana hifantohana aminy.+ 16  Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran’i Jakoba,+ fa izy no Mpamolavola ny zava-drehetra.+ Ny Israely no tehin’ny lovany.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ 17  Angony ny entanao+ ka esory eo amin’ny tany, ry vehivavy latsaka an-katerena+ ô! 18  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Hotifiriko amin’ny pilotra ny mponin’ny tany amin’izany fotoana izany,+ ary hataoko mitondra fahoriana izy ireo mba ho hitany tsara.”+ 19  Idiran-doza aho noho ny fahavoazako!+ Maratra be aho noho ny kapoka nahazo ahy. Dia hoy aho: “Efa izao no aretiko, ka dia hozakaiko.+ 20  Voaroba ny tranolaiko ary notapahina roa daholo ny tady fanenjanana ny tranolaiko.+ Efa nandao ahy ireo zanako ka tsy eo intsony.+ Tsy misy intsony ny olona hanenjana ny tranolaiko na hanangana azy. 21  Tsy misaina ireo mpiandry ondry,+ ary tsy mitady an’i Jehovah.+ Izany no antony tsy ananany fahaiza-manavaka, ka niparitaka daholo ny andiam-bibiny tao an-kijana.”+ 22  Henoy! Efa tonga ny filazana! Ary efa migodongodona mafy avy any amin’ilay tany any avaratra+ ny fahavalo, mba hahatonga an’ireo tanànan’i Joda ho aolo sy lasa fonenan’ny alikadia.+ 23  Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.+ 24  Ahitsio aho, Jehovah ô, nefa ataovy araka ny rariny ihany izany,+ fa tsy amim-pahatezerana,+ sao ataonao tonga tsinontsinona aho.+ 25  Aoka ianao hanampatra ny fahatezeranao amin’ireo firenena+ tsy miraharaha anao+ sy amin’ireo foko tsy miantso ny anaranao.+ Fa nataony ripaka tanteraka i Jakoba.+ Eny, naripak’izy ireo izy+ sady mbola aringany foana. Ary nataon’izy ireo lasa aolo ny fonenany.+

Fanamarihana