Jeremia 11:1-23

11  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia:  “Samia mihaino ny teny ato amin’ity fifanekena ity ianareo! “Ary aoka ianao hanambara+ izany amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema,  ka lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Voaozona izay tsy mihaino ny teny ato amin’ity fifanekena ity,+  izay nasaiko notandreman’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta,+ avy tao amin’ny fatana fandrendreham-by.+ Hoy mantsy aho tamin’izay: ‘Ankatoavy ny teniko, ary ataovy izay rehetra andidiako anareo.+ Dia ho oloko ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo,+  mba hanatanterahako ny fianianana nataoko tamin’ny razanareo,+ dia ny hanome azy an’ilay tany tondra-dronono sy tantely,+ toy ny amin’izao anio izao.’”’” Dia namaly aho hoe: “Amena,* Jehovah ô!”  Hoy koa i Jehovah tamiko: “Ambarao ao amin’ireo tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema ireto teny rehetra ireto:+ ‘Henoy ny teny ato amin’ity fifanekena ity, ka ankatoavy.+  Fa efa nananatra mafy ny razanareo aho tamin’ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta+ ka mandraka androany. Nifoha maraina aho, ka nananatra azy hoe: “Ankatoavy ny teniko.”+  Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa samy nandeha araka ny ditran’ny fo ratsiny+ ihany. Koa notanterahiko tamin’izy ireo ny teny rehetra ato amin’ity fifanekena ity, izay nasaiko notandremany nefa tsy notandremany.’”  Hoy koa i Jehovah tamiko: “Hitako fa mitetika ny hikomy ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema.+ 10  Namerina ny fahadisoan’ny razany+ tany am-boalohany izy ireo. Tsy nety nankatò ny teniko mantsy ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo an’ireny.+ Nivadika tamin’ny fifanekena nataoko tamin’ny razany koa ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.+ 11  Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’izy ireo aho,+ ka tsy ho tafavoaka amin’izany izy.+ Ary hiantso vonjy amiko tokoa izy ireo, nefa tsy hihaino azy aho.+ 12  Dia handeha ny mponina ao an-tanànan’i Joda sy Jerosalema, ka hiantso vonjy amin’ireo andriamanitra, izay nanolorany setroka ho sorona.+ Tsy hahavonjy azy ireo mihitsy anefa ireny amin’ny fotoana mahory azy.+ 13  Fa lasa maro toy ny tanànanareo ny andriamanitrareo, ry Joda ô!+ Ary lasa maro toy ireo lalamben’i Jerosalema ny alitara naorinareo ho an’ilay zava-mahamenatra.+ Teny amin’ireny alitara ireny no nanolorany setroka ho sorona ho an’i Bala.’+ 14  “Koa aza mivavaka ho an’ity vahoaka ity ianao, na mitalaho sy mivavaka ho azy.+ Tsy hihaino mantsy aho rehefa hiantso ahy izy ireo amin’ny fotoana mahory azy.+ 15  “Fa inona ity ataon’ny malalako ao an-tranoko?+ Maro amin’izy ireo mantsy no manao izany teti-dratsy izany.+ Rehefa ho avy tokoa ny loza, ny hena masina atolotrao ve hahasakana an’izany tsy hihatra aminao?+ Hifaly ve ianao amin’izay fotoana izay?+ 16  ‘Oliva midoroboka tsara tarehy, ravahan’ireo voany’, no nataon’i Jehovah anaranao.+ Tao anatin’ny tabataba be anefa no nandrehetany afo handoroana azy io. Ary nisy nanapaka ny rantsany.+ 17  “I Jehovah Tompon’ny tafika, Ilay namboly anao,+ no nanambara loza hamelezana anao, noho ny zava-dratsy nataon’ny taranak’Israely+ sy ny taranak’i Joda mba hampahatezitra ahy, dia ny nanolorany setroka ho sorona ho an’i Bala.”+ 18  I Jehovah mihitsy no nilaza tamiko mba hahafantarako. Tamin’izay, dia nataonao izay hahitako ny fanaon’izy ireo.+ 19  Toy ny zanak’ondry malemy paika nentina hovonoina aho.+ Tsy fantatro hoe izaho no nokendren’izy ireo hasian-dratsy,+ rehefa niteny izy ireo hoe: “Andao hopotehintsika ilay hazo sy ny voany, ary hofongorantsika tsy ho eo amin’ny tanin’ny velona+ izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.” 20  Mitsara araka ny rariny+ anefa i Jehovah Tompon’ny tafika. Mandinika ny voa sy ny fo izy.+ Enga anie aho hahita ny hamalianao an’ireny, satria taminao no nanambarako ny adiko mba hotsarainao!+ 21  Koa izao no nolazain’i Jehovah mba hanamelohana an’ireo mponina ao Anatota,+ izay mifofo ny aiko ka manao hoe: “Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah+ ianao sao hovonoinay”, 22  eny, izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hitodika manokana amin’izy ireo aho, ka ho fatin-tsabatra ny tovolahy,+ ary ho faty mosary ny zanany lahy sy ny zanany vavy.+ 23  Tsy hisy hiangana izy ireo, satria hahatonga loza amin’ny mponin’i Anatota+ aho, amin’ny taona hifantohako aminy.”+

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”