Jeremia 12:1-17

12  Ianao no marina,+ Jehovah ô! Raha mametraka fitarainana aminao aho ary miresaka aminao momba ny raharaha tokony hotsaraina, dia manao ny rariny foana ianao. Nahoana anefa no mahomby izay ataon’ny ratsy fanahy,+ ary nahoana ny mpamitaka rehetra no tsy mba misy fanahiana?  Nambolenao izy ireny ka miorim-paka. Miroborobo ny ataony, ary mamokatra izy. Tsy afaka am-bavany ianao, nefa lavitry ny fony.*+  Fa ianao kosa mahalala tsara ahy, Jehovah ô!+ Mahita ahy ianao. Dinihinao koa ny foko ka hitanao fa mifikitra aminao.+ Aoka ianao hanavaka azy ireny, toy ny ondry hovonoina,+ ary hanokana azy ho amin’ny andro famonoana.  Mandra-pahoviana ity tany ity no ho karakaina,+ ary mandra-pahoviana ny zavamaniry eny an-tsaha no ho maina?+ Ripaka ny bibidia sy ny voro-manidina+ noho ny faharatsian’ny mponina ao. Hoy mantsy izy ireo: “Tsy mahalala ny hoavinay izy.”  Olona aza no niara-nihazakazaka taminao, dia nandreraka anao. Koa ahoana moa no hahafahanao hifaninana amin’ny soavaly?+ Mandry feizay ve ianao ao amin’ny tany tsy misy ady?+ Koa ahoana no hataonao rehefa ao amin’ny kirihitrala matevina eny amoron’i Jordana+ ianao?  Na ny rahalahinao sy ny ankohonan-drainao aza mantsy namitaka anao.+ Na ireny aza miantsoantso avy ao andamosinao. Aza matoky azy mihitsy na dia zava-tsoa aza no lazainy aminao.+  “Nilaozako ny tranoko,+ ary nafoiko ny lovako.+ Natolotro eo am-pelatanan’ny fahavalony ilay malalan’ny foko.*+  Amiko dia nanjary toy ny liona any an’ala ny lovako. Nierona tamiko izy ka halako.+  Amiko dia toy ny vorona mpihaza maro loko ny lovako.+ Vorona mpihaza maro no misidina eo amboniny sy manodidina azy.+ Avia daholo ianareo bibidia, ka antsoy koa ny hafa mba hihinana.+ 10  Maro ireo mpiandry ondry+ nanimba ny tanimboaloboko.+ Nohitsakitsahin’ireny ilay anjarako.+ Novany ho tany efitra sy lao ilay anjarako izay mahafinaritra ahy.+ 11  Novana ho tany lao+ ilay izy ka lasa karakaina, ary lao eo anatrehako.+ Novana ho lao ilay tany manontolo, satria tsy misy olona mandray am-po an’izany.+ 12  Avy tany amin’ny lala-masaka rehetra tany an-tany efitra ireo mpandroba. Mandripaka olona hatrany amin’ny faran’ilay tany ka hatrany amin’ny faran’ilay tany ny sabatr’i Jehovah.+ Tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra. 13  Varimbazaha no nafafin’izy ireo nefa tsilo no nojinjainy.+ Niasa mafy izy ireo ka nandraiky narary mihitsy nefa tsy nahitan-tsoa izany.+ Ho menatra tokoa izy ireo noho ny vokatra azony, satria tezitra mafy i Jehovah.” 14  Izao no nolazain’i Jehovah mba hanamelohana ny ratsy fanahy rehetra miara-monina amiko,+ izay mikitikitika an’ilay lova nomeko ho an’ny Israely oloko:+ “Ongotako tsy ho eo amin’ny taniny izy ireo.+ Ary ongotako tsy ho eo anivon’izy ireo ny taranak’i Joda.+ 15  Rehefa avy nanongotra azy aho, dia hamindra fo aminy+ ka hamerina ny tsirairay ho ao amin’ny lovany sy hamerina ny tsirairay ho ao amin’ny taniny.”+ 16  “Ary ho tsara toerana eo anivon’ny oloko izy ireo,+ raha tena mianatra ny fanaon’ny oloko ka mianiana amin’ny anarako+ hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’, toy ny nampianaran’izy ireo ny oloko hianiana tamin’ny anaran’i Bala.+ 17  Fa hongotako kosa izany firenena izany raha tsy mankatò, eny, hongotako sy horavako”,+ hoy i Jehovah.

Fanamarihana

A.b.t.: “voany.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.