Jeremia 13:1-27

  • Simba ilay fehikibo vita tamin’ny lamba rongony (1-11)

  • Hopotehina ireo siny misy divay (12-14)

  • Hatao sesitany ny Joda mafy loha (15-27)

    • “Mahavita manova ny volon-kodiny ve ny Kosita?” (23)

13  Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana mividy fehikibo vita amin’ny lamba rongony, dia afatory eo amin’ny andilanao. Aza atao lenan’ny rano anefa ilay izy.” 2  Dia novidiko ilay fehikibo, araka ny tenin’i Jehovah, ka nafatotro teo amin’ny andilako. 3  Ary niteny tamiko fanindroany i Jehovah hoe: 4  “Alaivo ilay fehikibo eny aminao, ilay novidinao, ary mitsangàna ka mandehana any amin’ny Reniranon’i Eofrata. Ary afeno any ilay izy, ao an-tsefatsefaky ny harambato.” 5  Dia lasa aho ka nafeniko teo amoron’i Eofrata ilay izy, araka izay nasain’i Jehovah nataoko. 6  Niteny tamiko anefa i Jehovah rehefa afaka andro maro hoe: “Mitsangàna ka mandehana any amin’ny Reniranon’i Eofrata, ary alaivo ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.” 7  Nankany amoron’i Eofrata àry aho ka nandavaka teo amin’ilay toerana nanafenako an’ilay fehikibo, dia nalaiko ilay izy. Ary hitako fa efa simba ilay fehikibo, sady tsy nisy nilana azy intsony! 8  Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: 9  “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hosimbako toy izany koa ny fireharehan’i Joda sy ny haben’ny fireharehan’i Jerosalema.+ 10  Ho lasa hoatran’io fehikibo tsy misy ilana azy io koa ity vahoaka ratsy toetra ity, izay tsy mety mankatò ny teniko,+ sy mikiry manao izay tian’ny fony,+ ary manaraka andriamani-kafa ka manompo azy ireny sy miankohoka aminy.’ 11  ‘Fa toy ny fehikibo mifatotra amin’ny andilan’ny olona, dia nataoko nifamatotra tamiko koa ny taranak’Israely manontolo sy ny taranak’i Joda manontolo’, hoy i Jehovah. ‘Amin’izay izy ireo dia ho vahoakako+ sy ho voninahitro+ sy ho fiderana ahy ary ho ravaka ho ahy. Tsy nankatò anefa izy ireo.’+ 12  “Ampitao aminy koa izao hafatra izao: ‘Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Tokony hofenoina divay ny siny lehibe rehetra.”’ Dia hamaly anao izy ireo hoe: ‘Fa angaha moa tsy efa fantatray hoe tokony hofenoina divay ny siny lehibe rehetra?’ 13  Koa izao avaly azy ireo: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hataoko mamo ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity,+ anisan’izany ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ireo mpisorona sy mpaminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema. 14  Ary hataoko mifamotika izy ireo, na ny ray na ny zanany”, hoy i Jehovah.+ “Tsy hangoraka aho na halahelo na hamindra fo amin’izy ireo. Tsy hisy hahasakana ahy tsy handringana azy.”’+ 15  Mihainoa ka aoka ianareo hanongilan-tsofina. Aza manambony tena, fa i Jehovah no miteny. 16  Omeo voninahitra i Jehovah Andriamanitrareo,Dieny mbola tsy mahatonga haizina izyAry dieny mbola tsy tafintohina eny an-tendrombohitra ny tongotrareo rehefa maizimaizina ny andro. Hanantena hazavana ianareo,Kanjo hataony misy haizim-be,Ary hovany ho haizim-pito aza izany.+ 17  Raha tsy mety mihaino ianareo,Dia hitomany mangingina aho noho ny fireharehanareo. Hijoy ny ranomasoko, ary handrotsaka ranomaso ny masoko,+Satria lasa babo ny andian’ondrin’i Jehovah.+ 18  Lazao amin’ny mpanjaka sy ny renin’ny mpanjaka*+ hoe: ‘Mipetraha ambany,Satria ho latsaka avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.’ 19  Nakatona* ireo tanàna any atsimo ka tsy misy mamoha. Natao sesitany ny fokon’i Joda manontolo. Natao sesitany daholo izy ireo.+ 20  Tazano ireo olona tonga avy any avaratra,+ ka jereo. Aiza ilay andian’ondry nomena anao, dia ireo ondry tsara tarehy?+ 21  Inona no holazainao rehefa manasazy anaoNy olona noraisinao ho namana akaiky hatramin’izay?+ Tsy hanaintaina mafy hoatran’ny vehivavy efa ho teraka ve ianao?+ 22  Ary hiteny ianao ao am-ponao ao hoe: ‘Fa maninona àry aho no tratran’izao?’+ Satria lehibe ny fahadisoanao dia nesorina ny morontongotr’akanjonao,+ Ary noratraratraina ny voditongotrao. 23  Mahavita manova ny volon-kodiny ve ny Kosita,* ary ny leopara ve mahavita manova ny pentimpentina aminy?+ Raha izany, dia mahavita manao ny tsara ianareo,Izay nampiofanina hanao ratsy. 24  Koa haparitako toy ny mololo entin’ny rivotra avy any an-tany efitra izy ireo.+ 25  Izany no anjaranao, dia ilay anjara norefesiko ho anao”, hoy i Jehovah,“Satria nanadino ahy+ ianao ary lainga no atokisanao.+ 26  Dia hingaiko hatreny amin’ny tarehinao ny morontongotr’akanjonao,Ka ho hitan’ny olona ny faritra mahamenatra anao,+ 27  Ny fanitsakitsahanao ny vadinao,+ ny filanao lehilahy,*Ary ny zavatra vetaveta* ataonao rehefa mivaro-tena. Hitako ny zava-maharikoriko ataonao+Eny amin’ny havoana sy eny an-tsaha. Hahita loza ianao, ry Jerosalema ô! Mandra-pahoviana ianao no tsy hadio?”+

Fanamarihana

Na: “ny andriambavy.”
Na: “Natao fahirano.”
Na: “Etiopianina.”
Na: “ny feonao hoatran’ny feon-tsoavaly mitady lahy.”
Na: “mahamenatra.”