Jeremia 14:1-22

14  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia, momba ny hain-tany:+  Misaona i Joda,+ milofika ireo vavahadiny+ ka midaboka amin’ny tany.+ Miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.+  Irahin’ny olo-manan-kaja hantsaka rano ny madinika.+ Dia tonga teny amin’ny lakandrano ireny nefa tsy nahita rano,+ ka niverim-potsiny. Koa menatra+ sy diso fanantenana ary misaron-doha+ ireny.  Menatra koa ny mpamboly ka misaron-doha,+ fa potika ny tany satria tsy nisy oram-be nilatsaka teo amin’ilay tany.+  Na ny serfavavy eny an-tsaha aza mahafoy ny zanany vao teraka, satria tsy misy ahi-maitso.  Ny zebra+ kosa mijanona eny amin’ny havoana mangadihady. Misefosefo toy ny fanaon’ny alikadia izy. Reraka ny masony satria tsy misy zavamaniry.+  Na dia miampanga anay aza ny fahadisoanay, Jehovah ô, dia aoka hanao zavatra ianao noho ny anaranao,+ fa efa imbetsaka izahay no nivadika taminao.+ Taminao izahay no nanota.+  Ry fanantenan’ny Israely ô,+ ry Mpamonjy azy+ amin’ny fotoam-pahoriana,+ nahoana no dia manjary toy ny mpivahiny eto amin’ity tany ity ianao, ary toy ny mpanao dia lavitra izay mivily eto mba hatory indray alina monja?+  Nahoana ianao no manjary toy ny olona very hevitra, sy tahaka ny lehilahy matanjaka tsy afa-mamonjy?+ Ianao anefa no eo aminay,+ Jehovah ô, ary antsoina amin’ny anaranao izahay.+ Aza dia afoy re izahay e! 10  Izao no nolazain’i Jehovah momba an’ity vahoaka ity: “Tia mirenireny izy ireo+ ary tsy mahatombina mihitsy fa te handeha foana ny tongony,+ hany ka tsy ankasitrahan’i Jehovah izy ireo.+ Koa hotsarovany ny fahadisoan’izy ireo, ary hataony ampamoaka izy noho ny fahotany.”+ 11  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Aza mivavaka ho an’ity vahoaka ity, ary aza mangataka izay hahasoa azy.+ 12  Tsy hihaino ny fitarainany aho na dia mifady hanina aza izy.+ Ary na manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra varimbazaha aza izy, dia tsy hankasitraka izany aho.+ Fa horinganiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo.”+ 13  Dia hoy aho: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Izao no lazain’ny mpaminany amin’izy ireo: ‘Tsy ho azon-tsabatra ianareo, ary tsy hisy mosary hahazo anareo, fa tena fiadanana kosa no homeko anareo eto amin’ity toerana ity.’”+ 14  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+ 15  Maminany amin’ny anarako ireo mpaminany ireo nefa tsy nirahiko. Milaza izy ireo fa tsy hisy sabatra na mosary hamely an’ity tany ity. Koa izao no nolazain’i Jehovah momba azy ireo: ‘Sabatra sy mosary mihitsy no handripaka an’ireo mpaminany ireo.+ 16  Ary ny olona izay nanambarany ny faminaniany kosa hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema, satria ho fatin’ny mosary sy ny sabatra. Koa tsy hisy handevina ny fatin’ireny sy ny fatin’ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy.+ Ary hataoko mihatra aminy ihany ny loza notadiaviny.’+ 17  “Lazao amin’izy ireo izao teny izao: ‘Aoka handrotsaka ranomaso andro aman’alina ny masoko ka tsy hijanona mihitsy,+ fa voa mafy ny oloko zanakavavy virjiny,+ ary tena maratra be noho ny kapoka nahazo azy.+ 18  Raha mivoaka hankeny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako!+ Ary raha miditra ao an-tanàna aho, dia ireo marary vokatry ny mosary no hitako!+ Fa samy mivenjivenjy any amin’ny tany tsy fantany+ ny mpaminany sy ny mpisorona.’” 19  Efa nolavinao tanteraka ve i Joda?+ Efa nankahalainao ve i Ziona?+ Nahoana no nokapohinao izahay ka tsy mety sitrana intsony?+ Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nisy zava-tsoa. Nanantena fotoam-panasitranana izahay, kanjo horohoro no niseho!+ 20  Jehovah ô, miaiky ny ratsy vitanay izahay, ary miaiky fa nanao fahadisoana ny razanay.+ Nanota taminao izahay.+ 21  Aza atao tsinontsinona izahay noho ny anaranao.+ Aza hamavoina ny seza fiandriananao be voninahitra.+ Mba tsarovy re, ary aza mivadika amin’ny fifanekena nataonao taminay e!+ 22  Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy ilana azy+ tompoin’ireo firenena? Mahay mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?+ Tsy Ianao ve no mahavita izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+ Koa ianao no antenainay, satria ianao no nanao izany rehetra izany.+

Fanamarihana