Jeremia 15:1-21

  • Tsy hovan’i Jehovah ny didim-pitsarany (1-9)

  • Nitaraina i Jeremia (10)

  • Valin-tenin’i Jehovah (11-14)

  • Vavak’i Jeremia (15-18)

    • Mahafaly ny mihinana ny tenin’i Jehovah (16)

  • Nampaherezin’i Jehovah i Jeremia (19-21)

15  Dia hoy i Jehovah tamiko: “Na nijoro teto anatrehako aza i Mosesy sy Samoela,+ dia tsy ho namindra fo tamin’ity vahoaka ity aho. Roahy hiala eto anatrehako izy ireo. Asaivo mandeha ry zareo. 2  Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Ho tratran’ny loza mahafaty izay natao ho tratran’ny loza mahafaty! Ho fatin’ny sabatra izay natao ho fatin’ny sabatra!+ Ho fatin’ny mosary izay natao ho fatin’ny mosary! Ary ho lasa babo izay natao ho lasa babo!”’+ 3  “‘Handefa loza efatra*+ aho hamelezana azy ireo’, hoy i Jehovah: ‘Sabatra hamono azy, alika hitaritarika azy, ary voro-manidina sy bibidia handrapaka sy hamotika azy.+ 4  Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy,+ noho izay nataon’i Manase zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, tao Jerosalema.+  5  Iza no mba hiantra anao, ry Jerosalema ô?Iza no mba hangoraka anao,Ary iza no mba hijanona hanontany hoe manahoana ianao?’  6  ‘Nahafoy ahy ianao’, hoy i Jehovah.+ ‘Tsy mitsahatra manome lamosina ahy*+ ianao. Koa hanatsotra ny tanako hamely anao aho, ka handringana anao.+ Efa reraky ny miantra anao* aho.  7  Ary hokororohiko amin’ny fikororohana izy ireo, eo amin’ireo vavahady ao amin’ilay tany. Haripako ny zanany.+ Haringako ny vahoakako,Satria tsy mety miala amin’ny fanaony.+  8  Ho lasa maro noho ny fasika eny an-dranomasina ny maty vady. Hitondra mpandrava hanafika azy ireo aho amin’ny mitataovovonana, ka hotafihiny ny reny sy ny tovolahy. Hataoko mivadi-po sy mivarahontsana tampoka izy ireo.  9  Mihareraka ny vehivavy niteraka fito,Ary sempotsempotra be. Milentika ny masoandrony na dia mbola antoandro aza ny andro,Ka mahatonga henatra sy fahafaham-baraka.’* ‘Ary ny sisa amin’izy ireoHatolotro ho fatin’ny sabatry ny fahavalony’, hoy i Jehovah.”+ 10  Idiran-doza aho, ry Neny, fa niteraka ahy ianao.+Mila vaniny amiko sy mila ady amiko daholo ny olona rehetra eto amin’ity tany ity. Tsy mba nampisambo-bola aho na nindram-bola,Nefa manozona ahy izy rehetra. 11  Dia hoy i Jehovah: “Tena hanampy anao aho.Hifampiraharaha amin’ny fahavalo tokoa aho mba ho voaro ianao,Amin’ny fotoanan’ny loza sy amin’ny fotoana mahory. 12  Misy mahapotipotika vy ve,Dia ny vy avy any avaratra? Ary misy mahapotipotika varahina ve? 13  Homeko ho an’ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao.+Homeko maimaim-poana izany noho ny fahotana rehetra nataonao nanerana ny taninao. 14  Homeko ny fahavalonao ireny,Mba hoentiny any amin’ny tany tsy fantatrao.+ Fa nandrehitra afo ny fahatezerako,Ka mandoro anareo izany!”+ 15  Fantatrao ny manjo ahy, Jehovah ô!Mba tsarovy aho, ka tsinjovy. Valio ny mpanenjika ahy noho izay nataony tamiko.+ Aza avela ho fatiny* aho noho ianao tsy mora tezitra. Fantaro fa noho ny aminao no mahatonga ahy hisy handatsa hoatr’izao.+ 16  Hitako ny teninao ka nohaniko.+Ary naharavoravo ahy ny teninao sady nahafaly ny foko.Fa mitondra ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô! 17  Tsy miara-mipetraka amin’ireo tia mifety aho, ary tsy mba mifalifaly.+ Mipetraka irery aho satria mitarika ahy ny tananao,Fa nataonao lasa tezitra be* aho.+ 18  Nahoana no manaintaina foana aho, ary tsy misy fanafany ny ratrako? Tsy mety sitrana ilay izy. Ho lasa toy ny tahirin-drano mamitaka ve ianao,Ka tsy ho azo itokisana? 19  Koa izao no lazain’i Jehovah: “Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray,Ka hitsangana eto anatrehako. Raha manavaka an’izay sarobidy amin’izay tsy misy dikany ianao,Dia ho lasa mpitondra teniko.* Tsy maintsy hiverina aminao ny vahoaka,Fa ianao kosa tsy hiverina aminy.” 20  “Ataoko toy ny manda varahina voaro mafy ianao ho an’ity vahoaka ity.+ Tsy maintsy hiady aminao izy ireo,Nefa tsy haharesy anao,+Satria ho eo foana aho, mba hamonjy sy hanafaka anao”, hoy i Jehovah. 21  “Hamonjy anao eo an-tanan’ny ratsy fanahy aho,Ary hanavotra anao eo am-pelatanan’ny olona tsy mifaditrovana.”

Fanamarihana

Na mety hoe “didim-pitsarana karazany efatra.”
Na mety hoe “mihemotra.”
Na: “ny manenina.”
Na mety hoe “Ka lasa menatra sy mangaihay izy io.”
Abt: “Aza alaina.”
Na: “nasainao nampita hafatra fanamelohana.”
Na: “Dia ho lasa toy ny vavako.”