Jeremia 16:1-21

16  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Aza manambady, ary aoka ianao tsy hanana zanakalahy na zanakavavy eto amin’ity toerana ity.+  Izao mantsy no nolazain’i Jehovah momba ireo zanakalahy sy zanakavavy teraka eto amin’ity toerana ity, sy momba ny ray sy ny reny niteraka azy eto amin’ity tany ity:+  ‘Ho fatin’ny aretina ireny,+ ary tsy hitomaniana+ na halevina,+ fa ho zezika eny ambonin’ny tany.+ Ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ireny,+ ary ny fatiny ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia.’+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Aza miditra ao amin’ny trano misy sakafo be natao ho an’ny mana-manjo, ary aza mitomany na miara-miory aminy.’+ “‘Efa nesoriko tsy ho amin’ity vahoaka ity mantsy ny fiadanako sy ny hatsaram-panahiko feno fitiavana ary ny famindram-poko’, hoy i Jehovah.+  ‘Dia ho faty eto amin’ity tany ity izy ireo, na ny lehibe na ny madinika. Tsy halevina izy ireo.+ Ary tsy hisy olona hikapo-tratra noho ny aminy, na handidididy vatana+ na hanasola loha noho ny aminy.+  Tsy homena sakafom-pisaonana fampiononana an’izay mana-manjo izy ireo,+ sady tsy homena kaopin’ny fampiononana hisotroany, raha maty ny rainy na ny reniny.+  Aza miditra ao amin’ny trano anaovana sakafo be, mba hipetraka hiara-mihinana sy misotro amin’izy ireo.’+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hatsahatro eto amin’ity toerana ity ny feon’olona mifaly sy miravoravo, ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina.+ Ary hataoko eo imasonareo sy amin’ny andronareo izany.’ 10  “Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity izany rehetra izany, dia hanontany anao izy hoe: ‘Nahoana i Jehovah no nilaza fa hamely anay amin’izany loza lehibe rehetra izany? Fa inona no fahadisoanay ary inona no fahotana vitanay tamin’i Jehovah Andriamanitray?’+ 11  Koa izao avaly azy ireo: ‘“Satria nahafoy ahy ny razanareo”,+ hoy i Jehovah, “ka nanaraka andriamani-kafa sy nanompo an’ireny sady niankohoka teo anatrehany.+ Fa izaho kosa nafoiny ary ny lalàko tsy notandremany.+ 12  Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo,+ ary samy mandeha araka ny ditran’ny+ fo ratsinareo ianareo ka tsy mankatò ahy.+ 13  Dia hakifiko hiala eto amin’ity tany ity ianareo+ ka halefako any amin’ny tany tsy fantatrareo+ sady tsy fantatry ny razanareo. Any ianareo no hanompo andriamani-kafa+ andro aman’alina, satria tsy hankasitraka anareo aho.”’ 14  “‘Koa ho avy ny andro’,+ hoy i Jehovah, ‘izay tsy hilazana intsony hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah izay nitondra ny zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta!”+ 15  Fa izao kosa no holazaina: “Raha mbola velona koa i Jehovah izay nitondra ny zanak’Israely niakatra avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahany azy!” Eny, hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razany izy ireo.’+ 16  “‘Haniraka mpanjono maro aho mba hanjono azy’, hoy i Jehovah. ‘Dia haniraka mpihaza+ maro aho mba hihaza azy eny an-tendrombohitra sy havoana rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato.+ 17  Fa hitan’ny masoko daholo izay ataon’izy ireo. Tsy misy miafina eo anatrehako izy, ary miharihary eo imasoko ny fahadisoany.+ 18  Voalohany aloha, dia hovaliako ny fahadisoany rehetra+ sy ny fahotany, noho ny nandotoany ny taniko.+ Fa nofenoiny an’ireo fatin’ny zava-maharikoriko sy zava-mahatsiravina notompoiny ny lovako.’”+ 19  Jehovah ô, ianao no heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary toerana fandosirako amin’ny andro fahoriana.+ Hankany aminao ny firenena avy any amin’ny faran’ny tany,+ ka hanao hoe: “Nanana andriamani-diso*+ tokoa ny razanay ka nanompo zava-poana sy zavatra tsy nahasoa.”+ 20  Mahavita manao andriamanitra hivavahany ve ny olombelona? Tsy tena andriamanitra no vitany.+ 21  “Koa hataoko fantany ny tanako sy ny heriko+ amin’ity indray mandeha ity, eny, hataoko fantany izany, ka ho fantany fa Jehovah no anarako.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “lainga”, “fitaka.”