Jeremia 18:1-23

18  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia:  “Mitsangàna ka midìna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga,+ fa any no hilazako aminao ny teniko.”  Dia nidina tany an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka hitako izy miasa eo amin’ilay milina mihodinkodina fampiasany.  Simban’ny tanan’ilay mpanefy tanimanga anefa ilay vilany nataony, ka niova hevitra izy ary novany ho zavatra hafa ilay izy, araka izay tiany hanaovana azy.+  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “‘Tsy afaka manao aminareo toy ny nataon’io mpanefy tanimanga io koa ve aho, ry taranak’Israely ô?’, hoy i Jehovah. ‘Toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga ianareo eto an-tanako, ry taranak’Israely ô!+  Rehefa manameloka firenena na fanjakana aho, ka mikasa hanongotra sy handrodana ary handrava azy,+  nefa miala amin’ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena,+ dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy.+  Fa rehefa milaza kosa aho hoe hanorina sy hamboly firenena na fanjakana,+ 10  nefa manao ratsy eo imasoko izy ka tsy mankatò ny teniko,+ dia hanenenako ny soa noeritreretiko hanasoavana azy.’ 11  “Koa mba lazao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Mikasa hahatonga loza aminareo aho ary mieritreritra ny hanasazy anareo.+ Koa samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.”’”+ 12  Hoy anefa izy ireo: “Aza manantena an’izany!+ Fa izay noeritreretinay ihany no hataonay. Ary samy hanatanteraka ny ditran’ny fo ratsinay+ izahay.” 13  Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Mba anontanio, azafady, ny olona eo amin’ireo firenena hoe: Iza no efa nandre zavatra toy izany? Efa tafahoatra loatra ny zava-mahatsiravina nataon’ny Israely virjiny.+ 14  Ho levona ve ny lanezin’i Libanona eny ambony vatolampy any an-tsaha? Ho ritra ve ny rano mangatsiatsiaka mikoriana avy any an-tany hafa? 15  Fa nanadino ahy ny oloko+ ka nanolotra setroka ho sorona ho an’ny zavatra tsy misy ilana azy,+ ary nanao izay hanafintohina olona teny amin’ny lalany,+ eny, teny amin’ny lalana fahiny,+ mba handehanan’ireny amin’ny lalambe, dia lalana mikitoantoana, 16  ka nahatonga ny taniny higagam-bahoaka+ sy hampisioka olona, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Hitolagaga izay rehetra mandalo eo ka hihivingivin-doha.+ 17  Haparitako eo anoloan’ny fahavalony izy ireo, toy ny ataon’ny rivotra avy any atsinanana.+ Ary homeko lamosina izy ireo fa tsy hatrehiko,+ amin’ny andro hahitany loza.” 18  Dia hoy izy ireo: “Andao isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremia,+ satria tsy ho foana eo am-bavan’ny mpisorona ny lalàna,+ ary tsy ho foana ny torohevitra avy amin’ny olon-kendry, na ny teny avy amin’ny mpaminany.+ Andao isika hiampanga+ an’i Jeremia, ary aza misy miraharaha izay lazainy.” 19  Mba jereo ny manjo ahy, Jehovah ô, ary henoy ny tenin’ireo mpanohitra ahy.+ 20  Dia ratsy ve no havaly ny soa?+ Nihady lavaka hamandrihana ahy*+ izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao hilaza zavatra tsara momba azy ireo, mba hampisinda ny fahatezeranao taminy.+ 21  Koa ataovy maty mosary ny zanany,+ ary izy ireo kosa atolory ho amin’ny sabatra.+ Aoka ny vadiny tsy hanan-janaka velona intsony, ary ho lasa mpitondratena.+ Aoka ho fatin’aretina ny lehilahy eo aminy, ary ny tovolahy ho lavon-tsabatra any an’ady.+ 22  Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranon’izy ireo rehefa asainao manafika azy tampoka ny mpandroba.+ Nihady lavaka mantsy izy ireo mba hisamborana ahy, ary nanisy fandrika miafina mba hamandrihana ny tongotro.+ 23  Jehovah ô, ianao mahalala tsara ny tetika rehetra hamelezan’izy ireo ahy mba hahafaty ahy.+ Aza manarona ny fahadisoany, ary aza kosehina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany. Aoka kosa izy ireo ho tafintohina eo anatrehanao.+ Asio izy ireo amin’ny fotoanan’ny fahatezeranao.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.