Jeremia 19:1-15

19  Izao no nolazain’i Jehovah: “Mandehana maka tavoara nataon’ny mpanefy tanimanga,+ ary miantsoa anti-panahin’ny vahoaka sy anti-panahy mpisorona.  Dia mivoaha ho eny amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga, ka ambarao eny izay teny holazaiko aminao.+  Lazao hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpanjakan’ny Joda sy mponin’i Jerosalema.+ Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ Andriamanitry ny Israely: “‘“Hahatonga loza amin’ity toerana ity aho, ka hangorintsina ny sofin’izay mandre izany.+  Nahafoy ahy+ mantsy ny vahoaka, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa izy ireo teto, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo+ sy ny razany ary ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.+  Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala koa izy ireo mba handoroany ny zanany amin’ny afo, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Bala,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho na nilaza izany taminy,+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.”’+  “‘“Koa ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay tsy hiantsoana intsony an’ity toerana ity hoe Tofeta+ na lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ fa lohasaha famonoana kosa.  Hofoanako ny fikasan’ny Joda sy Jerosalema eto amin’ity toerana ity,+ ary hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ireo fahavalony sy eo am-pelatanan’ireo mifofo ny ainy izy ireo.+ Dia homeko ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+  Ary hataoko izay hahatonga an’ity tanàna ity higagam-bahoaka sy hampisioka olona.+ Hitolagaga izay rehetra mandalo eo, ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.+  Hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izy ireo, ary samy hihinana ny nofon’ny mpiara-belona aminy, satria ho latsaka an-katerena sady ho tra-pahoriana noho ny fangejan’ny fahavalony sy ireo mifofo ny ainy.”’+ 10  “Dia poteho eo anatrehan’ireo olona miaraka aminao ilay tavoara. 11  Ary lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hopotehiko toy izany koa ity vahoaka ity sy ity tanàna ity, toy ny fanapotehana vilany tanimanga ka tsy azo amboarina intsony.+ Dia handevina ao Tofeta+ izy ireo, ka tsy hisy toerana azo andevenana intsony ao amin’ny farany.”’+ 12  “‘Hataoko toy izany ity toerana ity sy ny mponina ao’, hoy i Jehovah, ‘ary hataoko toa an’i Tofeta ity tanàna ity.+ 13  Dia hanjary haloto sahala amin’i Tofeta ireo trano ao Jerosalema sy ny tranon’ireo mpanjakan’ny Joda.+ Eny, haloto ny trano rehetra izay nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanolorana setroka ho sorona ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an’andriamani-kafa.’”+ 14  Ary tonga avy tany Tofeta+ i Jeremia, rehefa avy nirahin’i Jehovah haminany tany. Koa rehefa tafaverina izy, dia nitsangana teo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah, ary nilaza tamin’ny olona rehetra hoe:+ 15  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ny tanàna rehetra miankina aminy ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy ireo ka tsy nankatò ny teniko.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “am-poko.”