Jeremia 2:1-37

2  Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah,+ nanao hoe:  “Mandehana manao antso avo ao Jerosalema hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah:+ “Tsaroako tsara ilay hatsaram-panahy feno fitiavana nanananao tamin’ianao mbola zaza!+ Tsaroako koa ilay fitiavanao tamin’ianao mbola fofombadiko,+ ary ilay nanarahanao ahy tany an-tany efitra, tany amin’ny tany tsy namafazam-boa!+  Masina teo anatrehan’i Jehovah ny Israely+ tamin’izany, sady voaloham-bokatra ho Azy.”’+ ‘Meloka izay olona nandrapaka ny Israely,+ ka loza no nanjo an’ireny’, hoy i Jehovah.”+  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry taranak’i Jakoba+ sy ianareo rehetra fokon’ny taranak’i Israely.+  Izao no nolazain’i Jehovah: “Fa inona loatra no tsy rariny hitan’ny razanareo tamiko+ no dia nanalavitra ahy izy ireo,+ ary nanaraka sampy tsy misy ilana azy,+ ka nanjary tsy misy ilana azy koa?+  Tsy mba nanontany akory izy ireo hoe: ‘Aiza i Jehovah, Ilay nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta,+ Ilay nampandeha antsika namakivaky tany efitra sy lemaka karakaina+ feno lavaka, dia tany tsy nisy rano,+ sy tany maizim-pito,+ eny, faritra tsy nisy mpandalo ary tsy nisy mponina?’  “Dia nentiko tany amin’ny tany nisy saham-boankazo ianareo mba hihinana ny vokatra sy ny zava-tsoa teo aminy.+ Rehefa tafiditra tao anefa ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo zava-maharikoriko ny lovako.+  Tsy mba nanontany akory ny mpisorona hoe: ‘Aiza i Jehovah?’+ Na ireo mpahay lalàna aza tsy nahalala ahy.+ Nandika ny lalàko koa ireo mpiandry.+ Naminany tamin’ny anaran’i Bala ireo mpaminany+ sady nanompo an’izay tsy mahasoa.+  “‘Koa ho mafimafy kokoa ny ady hataoko aminareo’,+ hoy i Jehovah, ‘ary hiady amin’ny zanaky ny zanakareo koa aho.’+ 10  “‘Fa mankanesa any amin’ny morontsiraky ny Kitima,+ ka jereo. Maniraha olona ho any Kedara,+ ka diniho tsara ary jereo raha mba efa nitranga tany ny zavatra toy izao.+ 11  Efa nisy firenena nanakalo ny andriamaniny+ tamin’izay tsy andriamanitra+ ve? Ny oloko kosa anefa nanakalo ny voninahitro tamin’izay tsy mahasoa.+ 12  Aoka ho gaga ianareo, ry lanitra, rehefa mahita izany. Aoka hitsangam-bolo ianareo noho ny horohoro mafy’, hoy i Jehovah.+ 13  ‘Zava-dratsy roa mantsy no nataon’ny oloko: Nahafoy ahy+ izay loharanon’ny rano velona+ izy, ary nihady lavaka fanangonan-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka misy triatra sy tsy mahatana rano.’ 14  “‘Mpanompo ve ny Israely+ sa andevo teraka tao an-trano? Koa nahoana izy no nanjary voaroba? 15  Mierona aminy ireo liona tanora+ ka mamoaka feo.+ Nataon’izy ireo izay nahatonga ny tanin’ny Israely higagan’ny olona. Nodorana ireo tanànany ka tsy misy mponina.+ 16  Na ireo mponin’i Nofa+ sy Tapanesa+ aza mba nitsentsitra anao, ka nataony sola hatrany an-tampon-dohanao ianao.+ 17  Tsy ny nataonao ihany ve no nahatonga anao hiharan’izany, satria nahafoy an’i Jehovah Andriamanitrao+ ianao, tamin’ny fotoana nitarihany anao teny an-dalana?+ 18  Fa inona no dia mahaliana anao amin’ny lalana mankany Ejipta+ sy hisotro ny ranon’i Sihora?+ Ary inona no mahaliana anao amin’ny lalana mankany Asyria+ sy hisotro ny ranon’ilay Renirano? 19  Tokony hanitsy anao ny ratsy nataonao,+ ary tokony ho anatra ho anao ny nivadihanao.+ Aoka àry ho fantatrao sy ho hitanao fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Tsy nahatonga anao hatahotra ahy+ anefa izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+ 20  “‘Efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao,+ ary notapahiko ny tady nangeja anao. Hoy ihany anefa ianao: “Tsy hanompo anao aho.” Dia nitsilailay eran’ny havoana avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ianao, ka nivaro-tena.+ 21  Izaho anefa namboly anao mba ho voaloboka mena faran’izay tsara,+ eny, karazam-boa tena izy. Koa ahoana no nampiova anao ho sampam-boalobokadia sy ratsy?’+ 22  “‘Na dia hisasa aza ianao ka hampiasa sirahazo sy savony+ be dia be, dia ho toy ny tasy eo anatrehako ny fahadisoanao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 23  Ahoana no ilazanao hoe: ‘Tsy nandoto ny tenako aho,+ ary tsy nanaraka an’ireo Bala’?+ Mba diniho ny anton-dianao tany an-dohasaha,+ ary eritrereto izay nataonao. Ramevavavy tanora haingam-pandeha ianao, ary mirenireny fotsiny eny amin’ny lalana. 24  Zebra+ zatra tany efitra ianao, ary mahery ny filana ao aminao ka misefosefo+ ianao. Iza no mahatana azy rehefa tonga ny fotoana fitadiavany lahy? Tsy ho reraka izay rehetra mitady azy, fa hahita azy rehefa tonga ny volana itadiavany lahy. 25  Tandremo ny tongotrao mba tsy hiala kapa, ary ny tendanao mba tsy hangetaheta.+ Hoy anefa ianao: ‘Aza manantena an’izany!+ Fa efa raiki-pitia amin’ny vahiny+ aho, ka handeha hanaraka azy.’+ 26  “Menatra toy ny mpangalatra tratra+ ny taranak’Israely sy ny mpanjakany, sy ny andrianany sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny.+ 27  Hoy izy ireo amin’ny hazo: ‘Ianao no raiko’,+ ary amin’ny vato: ‘Ianao no niteraka ahy.’ Fa izaho kosa nomeny lamosina, fa tsy natrehiny.+ Hilaza amiko anefa izy ireo amin’ny fotoana mahory azy hoe: ‘Mitsangàna ka vonjeo izahay!’+ 28  “Fa aiza ireo andriamanitra nataonareo?+ Aoka ireny no hitsangana raha mahavonjy anareo amin’ny fotoana mahory anareo.+ Fa mitovy isa amin’ny tanànanareo ny andriamanitrareo, ry Joda ô!+ 29  “‘Fa maninona no miady amiko foana ianareo?+ Nahoana ianareo rehetra no mandika ny lalàko?’,+ hoy i Jehovah. 30  Very maina ny namelezako ny zanakareo,+ satria tsy nandray anatra izy ireo.+ Naripaky ny sabatrareo ny mpaminaninareo, toy ny ataon’ny liona mamiravira.+ 31  Aoka ianareo, izay anisan’ity taranaka ity, handinika ny tenin’i Jehovah.+ “Lasa toy ny tany efitra ve aho ho an’ny Israely?+ Sa toy ny tany maizim-pito? Koa nahoana ny oloko no nanao hoe: ‘Mandeha etsy sy eroa izahay, ary tsy hiverina aminao intsony’?+ 32  Misy virjiny manadino ny firavany ve? Ary misy vehivavy ampakarina manadino ny fehikibony ve? Ny oloko kosa anefa nanadino ahy nandritra ny andro maro tsy hita isa.+ 33  “Nahoana ianao, ravehivavy, no manao tetika maty paika hahazoana fitiavana? Nozarinao hanao ratsy ny tenanao.+ 34  Hita teo amin’ny akanjonao ny tasin’ny ran’ireo+ olo-mahantra tsy manan-tsiny.+ Tsy namaky trano izy ireo, nefa teny amin’ny akanjonao no nahitako ny rany.+ 35  “Hoy anefa ianao: ‘Tsy manan-tsiny aho, ka tsy tezitra amiko intsony izy.’+ “Hifandahatra aminao tokoa anefa aho noho ny nilazanao hoe: ‘Tsy nanota aho.’+ 36  Nizotra tamin’ny lalan-kafa ianao, nefa nahoana izany no tsy misy dikany aminao?+ Ho menatra noho ny amin’i Ejipta+ ianao, tahaka ny nahamenatra anao noho ny amin’i Asyria.+ 37  Koa hiloloha tanana+ ianao, satria nolavin’i Jehovah ireo nitokisanao, ka tsy hahitanao fahombiazana ny fiarahanao taminy.”

Fanamarihana