Jeremia 20:1-18

  • Nokapohin’i Pasora i Jeremia (1-6)

  • Tsy vitan’i Jeremia ny tsy hitory (7-13)

    • Toy ny afo mirehitra ao am-po ny hafatr’i Jehovah (9)

    • Toy ny miaramila mampahatahotra i Jehovah (11)

  • Nitaraina i Jeremia (14-18)

20  Nihaino an’i Jeremia i Pasora mpisorona, zanak’i Imera, rehefa nilaza an’izany faminaniana izany izy. Lehiben’ny mpiadidy tao an-tranon’i Jehovah i Pasora. 2  Dia nikapoka an’i Jeremia mpaminany izy ary nanagadra azy tamin’ny gadra hazo,*+ teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina, dia ilay vavahady ambony mankao amin’ny tranon’i Jehovah. 3  Nasain’i Pasora nesorina teo amin’ilay gadra hazo anefa i Jeremia ny ampitson’iny. Dia hoy i Jeremia taminy: “Tsy Pasora intsony no iantsoan’i Jehovah anao, fa hoe Horohoro Hatraiza Hatraiza.+ 4  Fa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hataoko mihorohoro ianao sy ny namanao rehetra, rehefa mahita an’izay hanjo anao. Hovonoin’ny fahavalony amin’ny sabatra izy ireo, ary hahita an’izany ny masonao.+ Hataoko resin’ny mpanjakan’i Babylona koa ny Joda rehetra, ka hataony sesitany any Babylona ary hovonoiny amin’ny sabatra.+ 5  Homeko an’ireo fahavalony ny harena rehetra ato amin’ity tanàna ity, sy ny fananana sy ny zava-tsarobidy rehetra ato, ary ny harena rehetran’ireo mpanjakan’ny Joda.+ Dia horobain’ny fahavalony sy halainy ireny, ary hoentiny any Babylona.+ 6  Ary ianao kosa, ry Pasora, ho lasa babo ianao sy izay rehetra mipetraka ao an-tranonao. Ho lasa any Babylona ianao ka ho faty any, ary halevina any miaraka amin’ny namanao rehetra, noho ianao naminany lainga tamin’izy ireo.’”+  7  Nofitahinao aho, Jehovah ô, ka voafitaka. Nampiasa ny herinao tamiko ianao, ka nandresy.+ Ataon’ny olona fihomehezana aho tontolo andro.Esoin’izy rehetra aho.+  8  Fa isaky ny miteny aho, dia tsy maintsy mitaraina sy miantsoantso hoe:“Herisetra sy fandravana!” Atao tsinontsinona sy esoesoina aho tontolo andro, noho ny tenin’i Jehovah.+  9  Dia niteny aho hoe: “Tsy hiresaka momba azy intsony aho,Na hiteny amin’ny anarany.”+ Lasa toy ny afo mirehitra ato am-poko sy voahidy ato amin’ny taolako anefa ny teniny,Ka reraky ny mitazona an’ilay izy aho.Tsy vitako intsony ny miaritra an’izany.+ 10  Fa naheno fanaratsiana aely etsy sy eroa aho.Nanjaka hatraiza hatraiza ny horohoro.+ Hoy izy ireo: “Ampangao izy! Andao isika hiampanga azy!” Miandry izay hahasolafaka ahy+ ny olona rehetra mirary soa ho ahy, ka miteny hoe: “Angamba izy hanao hadalana,Dia ho afaka handresy sy hamaly faty azy isika.” 11  Teo akaikiko teo toy ny miaramila mampahatahotra anefa i Jehovah,+ Ka ho tafintohina sy tsy haharesy ireo mpanenjika ahy.+ Ho menatra be izy ireo satria tsy hahavoa. Ho afa-baraka mandrakizay izy ireo, ary tsy hohadinoina mihitsy izany.+ 12  Ianao kosa anefa, Jehovah Tompon’ny tafika ô, no mandinika ny olo-marina!Hitanao ny eritreritra lalina indrindra* sy ny fo.+ Avelao aho hahita ny hamalianao azy ireny,+Satria ianao no nanankinako ny ady nataoko teny amin’ny fitsarana!+ 13  Mihirà ho an’i Jehovah! Miderà an’i Jehovah! Fa mamonjy ny mahantra avy eo an-tanan’ny mpanao ratsy izy. 14  Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! Tsy hotahina anie ny andro niterahan’i Neny ahy!+ 15  Ho voaozona anie ilay olona nilaza vaovao tsara tamin’i Dada hoe: “Tera-dahy ianao!” Faly be i Dada tamin’izay. 16  Enga anie izany olona izany ho lasa hoatran’ireo tanàna noravan’i Jehovah nefa tsy nanenenany! Handre antsoantso anie izy amin’ny maraina ary haheno fanairana amin’ny mitataovovonana. 17  Fa maninona aho no tsy novonoiny tany an-kibo,Mba ho lasa fasako i NenyKa ho bevohoka ahy eny foana?+ 18  Fa maninona re aho no tsy maintsy nivoaka avy tao an-kibo e,Mba hahita fijaliana sy alahelo,Ka hifarana amin-kenatra ny androm-piainako?+

Fanamarihana

Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Na: “fihetseham-po lalina indrindra.” Abt: “voa.”