Jeremia 21:1-14

21  Izao no tenin’i+ Jehovah tonga tamin’i Jeremia rehefa nirahin’i Zedekia+ Mpanjaka hankany aminy i Pasora+ zanak’i Malkia sy Zefania+ mpisorona zanak’i Mahaseia, mba hilaza hoe:  “Mba anontanio an’i Jehovah ny momba antsika,+ satria miady amintsika i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona.+ Angamba hanao zava-mahagaga ho antsika indray i Jehovah, mba hialan’i Nebokadrezara eto amintsika.”+  Dia hoy i Jeremia tamin’izy roa lahy: “Lazao amin’i Zedekia hoe:  ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Ataoko mifotitra aminareo ihany ny fitaovam-piadiana eny an-tananareo sy iadianareo amin’ny mpanjakan’i Babylona+ sy ny Kaldeanina,+ izay manao fahirano anareo eny ivelan’ny manda. Hangoniko eo afovoan’ity tanàna ity ireny.+  Hiady aminareo aho+ ka haninjitra ny tanako sy hampiasa ny sandriko mahery, ary ho tezitra sy ho vinitra ary hisafoaka aminareo.+  Hamely an’izay monina eto amin’ity tanàna ity aho, na olona izany na biby. Ho fatin’ny areti-mandringana tena mahery izy ireo.”’+  “‘“Aorian’izany”, hoy i Jehovah, “dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sy eo an-tanan’ny fahavalo sy ireo mifofo ny ainy i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary ato amin’ity tanàna ity. Dia hamely an’ireo amin’ny lelan-tsabatra i Nebokadrezara.+ Tsy hiantra na hangoraka na hamindra fo aminy izy.”’+  “Lazao amin’ity vahoaka ity hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Ataoko eo anatrehanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana.+  Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ny olona mbola mijanona ato amin’ity tanàna ity.+ Fa izay mivoaka kosa ka mitolo-batana amin’ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia tsy ho faty fa ny ainy no ho babony.”’+ 10  “‘“Fa manameloka* an’ity tanàna ity aho ka loza no hanjo azy fa tsy soa”,+ hoy i Jehovah. “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity+ ka tena hodorany tokoa.”+ 11  “‘Aoka ianareo hihaino ny tenin’i Jehovah momba ny ankohonan’ny mpanjakan’ny Joda.+ 12  Ry taranak’i Davida+ ô, izao no nolazain’i Jehovah: “Aoka ho didim-pitsarana ara-drariny foana no havoakanareo+ isa-maraina,+ ary afaho eo an-tanan’izay nanambaka azy ilay nambakaina,+ sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako+ ka hiredareda nefa tsy hisy hamono.+ Ratsy mantsy ny nataonareo.”’ 13  “‘Homelohiko ianao, ry ilay monina eo amin’ny lemaka iva,+ ry ilay vatolampy eny amin’ny tany lemaka’, hoy i Jehovah. ‘Ary ianareo izay milaza hoe: “Iza no hidina hiady aminay? Iza no hiditra ato amin’ny fonenanay?”,+ 14  hataoko ampamoaka koa ianareo,+ araka ny vokatry ny nataonareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Handrehitra afo handoroana ny alany aho,+ ka ho levon’ny afo ny zava-drehetra manodidina azy.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “mampitodika ny tavako hamely.”