Jeremia 22:1-30

22  Izao no nolazain’i Jehovah: “Midìna any an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda, ka lazao any izao teny izao,  eny, lazao hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpanjakan’ny Joda mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,+ dia ianao mbamin’ny mpanomponao sy ny vahoakanao, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.+  Izao no nolazain’i Jehovah: “Manaova ny rariny sy ny hitsiny, ka afaho eo an-tanan’izay nanambaka azy ilay nambakaina. Aza mampijaly ny mpivahiny na ny kamboty ray na ny mpitondratena,+ ary aza misetrasetra aminy.+ Aza mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny eto amin’ity toerana ity.+  Fa raha tena mankatò izany teny izany ianareo, dia hisy mpanjaka hiditra amin’ireo vavahadin’ity trano ity, eny, mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida.+ Hitaingina kalesy sy soavaly izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.”’+  “‘Fa raha tsy mankatò izany teny izany kosa ianareo, dia mianiana amin’ny tenako aho’,+ hoy i Jehovah, ‘fa ho rava tanteraka ity trano ity.’+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah momba ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda: ‘Toa an’i Gileada sy toy ny tampon’i Libanona+ ianao amiko, nefa hataoko tany efitra+ tokoa ianao, ary ireo tanàna kosa tsy hisy mponina.+  Dia hisy mpandrava hohamasiniko hamely anao,+ ary samy hitondra ny fiadiany+ ireny. Hokapainy ny hazo sedera tsara indrindra eo aminao,+ ka hazerany ao anaty afo.+  Firenena maro no handalo eto amin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: “Fa dia nahoana loatra no nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tanàna lehibe ity?”+  Dia hamaly izy ireo hoe: “Satria nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo,+ ka niankohoka teo anatrehan’andriamani-kafa sy nanompo an’ireny.”’+ 10  “Aza mitomany an’ilay efa maty,+ ary aza malahelo azy. Aoka kosa ianareo handrotsaka ranomaso be ho an’ilay handeha, satria tsy hiverina intsony izy sady tsy hahita ny tanin’ny havany. 11  Fa izao no nolazain’i Jehovah momba an’i Saloma*+ zanak’i Josia, dia ilay mpanjakan’ny Joda nandimby an-drainy+ sy nandao an’ity toerana ity: ‘Tsy hiverina atỳ intsony izy. 12  Fa any amin’ny toerana nanaovana sesitany azy no hahafatesany, ka tsy ho hitany intsony ity tany ity.’+ 13  “Lozan’izay manorina trano+ nefa amin’ny tsy fahamarinana, ary manao efitra ambony rihana nefa amin’ny tsy rariny, ka mampiasa olona nefa asainy miasa maina fotsiny ireny ary tsy omeny karama.+ 14  Eny, lozan’izay manao hoe: ‘Hanao trano lehibe ho an’ny tenako aho, sy efitra ambony rihana malalaka be.+ Hatao ngezabe ny varavarankeliny, ary hopetahana takela-kazo sedera+ nolokoana mena volon-daoranjy+ ny atiny.’ 15  Hanjaka foana ve ianao satria nihoaranao ny hafa, noho ianao nampiasa hazo sedera? Ary ny rainao moa tsy nihinana sy nisotro ary nanao ny rariny sy ny hitsiny?+ Izany no nahitany soa.+ 16  Niaro ny zon’ny ory sy ny mahantra izy,+ ka izany koa no nahitany soa. ‘Tsy izany ve no atao hoe mahalala ahy?’, hoy i Jehovah. 17  ‘Ny masonao sy ny fonao kosa tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fakana tombony tsy ara-drariny+ sy ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny,+ ary amin’ny fanambakana sy ny fakana an-keriny, ka notanterahinao ireo.’ 18  “Koa izao no nolazain’i Jehovah momba an’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: ‘Tsy hisy hidradradradra noho ny aminy hoe: “Indrisy, ry rahalahiko! Indrisy, ry anabaviko!” Tsy hisy hidradradradra noho ny aminy koa hoe: “Indrisy, ry tompoko! Indrisy fa foana ny voninahiny!”+ 19  Halevina toy ny fandevina ampondra izy,+ ka hotaritaritina sy hatsipy any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.’+ 20  “Miakara any Libanona+ ka miantsoantsoa, ary asandrato any Basana+ ny feonao. Miantsoantsoa any Abarima,+ satria ripaka daholo ireo tia fatratra anao.+ 21  Niteny taminao aho tamin’ny fotoana tsy nampanahy anao,+ nefa hoy ianao: ‘Tsy hankatò aho.’+ Fombanao efa hatramin’ny fahazazanao izany. Tsy nankatò ny teniko mantsy ianao.+ 22  Rivotra no ho toy ny mpiandry ondry hiambina an’ireo mpiandry ondry rehetra ao aminao.+ Ary ho lasa babo ireo tia fatratra anao.+ Fa ho menatra sy ho afa-baraka tokoa ianao amin’izany fotoana izany, noho ny loza rehetra hanjo anao.+ 23  Ry ilay monina any Libanona,+ izay manao akany eny amin’ny sedera,+ hisento tokoa ianao rehefa hanaintaina mafy+ toy ny vehivavy mihetsi-jaza efa hiteraka!”+ 24  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah, ‘dia izao no hataoko: Na peratra fanombohan-kase+ eto an-tanako ankavanana aza ianao, ry Konia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao!+ 25  Dia hatolotro eo an-tanan’ireo mifofo ny ainao ianao,+ sy eo an-tanan’ireo atahoranao sy eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona ary eo an-tanan’ny Kaldeanina.+ 26  Ary hakifiko ianao sy ny reninao+ niteraka anao ka halefako any an-tany hafa tsy nahaterahanareo, ary any no hahafatesanareo.+ 27  Tsy ho tafaverina intsony ao amin’ilay tany iriny hiverenana izy ireo.+ 28  Vilany tanimanga natao tsinontsinona sy nopotipotehina+ ve ity lehilahy antsoina hoe Konia+ ity, sa tavoara tsy misy mpitia?+ Nahoana izy sy ny taranany no natsipy sy nariana any an-tany tsy fantany?’+ 29  “Ry tany ô! Ry tany ô! Ry tany ô! Henoy ny tenin’i Jehovah.+ 30  Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Soraty ho isan’ny tsy manan-janaka io lehilahy io,+ dia lehilahy tsy hahita fahombiazana mandritra ny androm-piainany. Tsy hisy amin’ny taranany na iray aza hahita fahombiazana,+ ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy hanjaka ao Joda.’”

Fanamarihana

Antsoina koa hoe Joahaza.