Jeremia 23:1-40

23  “Lozan’ireo mpiandry ondry mandripaka sy manaparitaka ny ondriko, izay teny an-kijanako!”,+ hoy i Jehovah.  Koa izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, mba hanamelohana an’ireo mpiandry izay miandry ny olony: “Naparitakareo sy naelinareo ny ondriko, fa tsy nokarakarainareo.”+ “Koa hitodika manokana aminareo aho, satria ratsy ny nataonareo”,+ hoy i Jehovah.  “Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko eo amin’ny kijana nisy azy.+ Dia hanan-taranaka sy hihabetsaka+ izy ireo.  Ary hanendry mpiandry izay tena hiandry azy ireo aho,+ ka tsy hatahotra intsony izy ireo na hihorohoro,+ ary tsy hisy ho very na iray aza”, hoy i Jehovah.  “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hampipoirako tsimoka marina ho an’i Davida.+ Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho malina izy io ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+  Amin’ny andro hanjakany, dia hovonjena ny Joda+ ary honina tsy hanana ahiahy ny Israely.+ Ary izao no anarana hiantsoana azy: Jehovah no Fahamarinantsika.”+  “Koa ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay tsy hilazana intsony hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah izay nitondra ny zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta!’+  Fa izao kosa no holazaina: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, izay nampody sy nitondra an’ilay taranaky ny firenen’Israely niakatra avy tany amin’ilay tany any avaratra sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahako azy.’ Dia honina ao amin’ny taniny tokoa izy ireo.”+  Torotoro ny foko ato anatiko noho ny amin’ireo mpaminany. Mangozohozo daholo ny taolako. Toy ny olona mamo+ aho, ary toy ny lehilahy tomady azon’ny divay, noho ny amin’i Jehovah sy ny teniny masina. 10  Nanjary feno mpanitsakitsa-bady+ mantsy ilay tany.+ Misaona koa ilay tany vokatry ny ozona.+ Maina ny kijana any an-tany efitra.+ Ratsy fitondran-tena ny vahoaka ary tsy mety ny fomba nampiasany ny heriny. 11  “Samy nandoto ny tenany na ny mpaminany na ny mpisorona.+ Hitako tao an-tranoko koa ny faharatsian’izy ireo”,+ hoy i Jehovah. 12  “Koa ho toy ny tany malama ao anaty haizina ny lalana izoran’izy ireo.+ Hatosika hankeo izy ireo, ka ho lavo tanteraka.”+ “Hahatonga loza amin’izy ireo aho, amin’ny taona hifantohako aminy”,+ hoy i Jehovah. 13  “Hitako ny zavatra tsy mety ataon’ireo mpaminanin’i Samaria.+ Maminany amin’ny anaran’i Bala+ izy ireo, ary ataony foana izay hampaniasia ny Israely oloko.+ 14  Hitako koa ny zava-mahatsiravina+ ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema: Manitsakitsa-bady+ sy mandainga+ izy ireo, ary manome tanana an’ireo mpanao ratsy mba tsy hisy hiala amin’ny ratsy fanaony ireny.+ Toa an’i Sodoma+ daholo izy ireo amiko, ary ny mponina ao Jerosalema toa an’i Gomora.”+ 15  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika mba hanamelohana an’ireo mpaminany: “Hampihinaniko zavamaniry mangidy izy ireo, ary hampisotroiko rano misy poizina.+ Fa niely eran’ilay tany ny fivadiham-pinoan’ireo+ mpaminanin’i Jerosalema.” 16  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay maminany aminareo,+ fa tarihiny ho amin’ny zava-poana ianareo.+ Fahitana avy ao am-pony fotsiny no lazainy,+ fa tsy avy amin’ny vavan’i Jehovah.+ 17  Izao foana no lazainy amin’ireo tsy manaja ahy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hahita fiadanana ianareo.”’+ Ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony+ kosa ataony hoe: ‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+ 18  Fa iza no nijoro teo anivon’ireo akaiky+ an’i Jehovah mba hahita sy handre ny teniny?+ Iza no nanongilan-tsofina mba hihaino ny teniny?+ 19  Hifofofofo ny tafio-drivotra avy amin’i Jehovah, eny, hipoaka ny fahatezerany izay toy ny rivo-mahery+ hitambolimbolina eo amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.+ 20  Tsy hitony ny fahatezeran’i Jehovah raha tsy efa vitany+ sy tanterany ny hevitra ao am-pony.+ Handinika izany ianareo any am-parany, ka ho azonareo tsara ny hevitr’izany.+ 21  “Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa mbola nihazakazaka nanao izany ihany izy. Tsy niteny tamin’izy ireo aho nefa mbola naminany ihany izy.+ 22  Raha nijoro teo anivon’ireo akaiky+ ahy mantsy izy ireo, dia ho nataony izay handrenesan’ny oloko ny teniko, ary ho nasainy niala tamin’ny lalan-dratsiny sy tamin’ny ratsy fanaony izy ireo.”+ 23  “Izaho angaha Andriamanitra tsy mahita afa-tsy ny akaiky? Tsia! Andriamanitra mahita ny lavitra koa aho”,+ hoy i Jehovah. 24  “Sa misy olona afaka miafina ao amin’ny takona ka tsy ho hitako?”,+ hoy i Jehovah. “Misy zavatra tsy miharihary eo anatrehako ve any an-danitra sy eny ambonin’ny tany?”,+ hoy i Jehovah. 25  “Efa reko izay nolazain’ireo mpaminany izay maminany lainga amin’ny anarako,+ ka manao hoe: ‘Nanonofy aho! Nanonofy aho!’+ 26  Mandra-pahoviana izany no mbola ho ao am-pon’ireo mpaminany izay maminany lainga sy manambara fitaka noforomporonin’ny sainy?+ 27  Ny hahatonga ny oloko hanadino ny anarako no ao an-tsain’izy ireo rehefa mifampitantara ny nofiny izy ireo.+ Nanadino ny anarako toy izany koa mantsy ny razany rehefa nanompo an’i Bala.+ 28  Izay mpaminany manonofy, dia aoka hitantara ny nofiny. Fa izay nanankinana ny teniko kosa, dia aoka hilaza marina ny teniko.”+ “Inona moa no iombonan’ny mololo amin’ny voam-bary?”,+ hoy i Jehovah. 29  “Moa ve ny teniko tsy toy ny afo”,+ hoy i Jehovah, “sy toy ny marotoan’ny mpanefy, izay manapotipotika ny harambato?”+ 30  “Koa melohiko ireo mpaminany+ mangalatra ny teniko”, hoy i Jehovah. “Samy mangalatra izany amin’ny namany+ avy izy ireo.” 31  Hoy koa i Jehovah: “Melohiko ireo mpaminany mampiasa ny lelany hilazana hoe: ‘Fanambarana!’”+ 32  “Melohiko ireo mpaminany manonofy lainga”, hoy i Jehovah, “ka mitantara izany ary mampaniasia ny oloko noho ny laingany+ sy ny fireharehany.”+ “Tsy naniraka na nandidy an’ireo anefa aho. Koa tsy hahasoa an’ity vahoaka ity mihitsy ireo”,+ hoy i Jehovah. 33  “Ary raha manontany anao ny vahoaka na ny mpaminany na ny mpisorona hoe: ‘Inona indray no enta-mavesatr’i Jehovah?’,+ dia valio hoe: ‘“Ianareo izao! Manavesatra+ mihitsy ianareo! Koa hariako ianareo”,+ hoy i Jehovah.’ 34  Ary izay mpaminany na mpisorona na olona manao hoe: ‘Ny enta-mavesatr’i Jehovah!’, dia hitodika manokana amin’izany olona izany sy ny ankohonany aho.+ 35  Izao foana no lazainareo amin’ny namanareo sy ny rahalahinareo avy: ‘Inona no navalin’i Jehovah? Ary inona no nolazain’i Jehovah?’+ 36  Aoka anefa ianareo tsy hiteny intsony+ hoe enta-mavesatr’i+ Jehovah, fa ny tenin’ny tsirairay ihany no ho enta-mavesatra ho an’ny tenany.+ Efa novanareo ny tenin’ilay Andriamanitra velona,+ dia i Jehovah Tompon’ny tafika sady Andriamanitsika. 37  “Izao no holazainao amin’ilay mpaminany: ‘Inona no navalin’i Jehovah anao? Inona no efa nolazain’i Jehovah taminao?+ 38  Ary raha mbola milaza ianareo hoe: “Ny enta-mavesatr’i Jehovah!”, dia izao kosa no nolazain’i Jehovah: “Koa satria nilaza ianareo hoe: ‘Izany teny izany ilay enta-mavesatr’i Jehovah’, nefa izaho efa naniraka olona tany aminareo hilaza hoe: ‘Aza miteny intsony hoe: “Enta-mavesatr’i Jehovah!”’, 39  dia hanao zavatra aho! Koa hafoiko tanteraka+ sy hilaozako ianareo mbamin’ny tanàna nomeko anareo sy ny razanareo, mba tsy ho eo anatrehako.+ 40  Hataoko mitondra latsa sy fahafaham-baraka mandritra ny fotoana tsy voafetra ianareo, ary tsy hohadinoina mihitsy izany.”’”+

Fanamarihana