Jeremia 24:1-10

  • Aviavy tsara sy ratsy (1-10)

24  Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia*+ zanak’i Joiakima+ sady mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.* Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.+ 2  Aviavy tena tsara, hoatran’ny aviavy vokatra voalohany, no tao amin’ilay harona iray. Aviavy ratsy be kosa no tao amin’ilay iray, ka tsy azo nohanina satria ratsy loatra. 3  Dia nanontany ahy i Jehovah hoe: “Inona no hitanao, ry Jeremia?” Dia hoy aho: “Aviavy! Tena tsara ireo aviavy tsara, fa ratsy be kosa ireo aviavy ratsy, ka tsy azo hanina satria ratsy loatra.”+ 4  Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: 5  “Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely: ‘Tsara hoatran’ireo aviavy tsara ireo no ho fahitako ny mponin’i Joda natao sesitany, izay noroahiko niala teto amin’ity toerana ity ka nalefako any amin’ny tanin’ny Kaldeanina. 6  Hitsinjo azy ireo ny masoko, ary hampodiko eto amin’ity tany ity+ izy ireo, ka haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.+ 7  Ary homeko fo te hahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah.+ Dia ho lasa vahoakako izy ireo ary izaho ho Andriamaniny,+ satria hiverina amiko amin’ny fony manontolo izy ireo.+ 8  “‘Izao kosa no lazain’i Jehovah momba an’ireo aviavy ratsy, izay tsy azo hanina satria ratsy loatra:+ “Hoatran’ireo no ho fahitako an’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianany, ary ny mponin’i Jerosalema sisa tavela eto amin’ity tany ity sy ireo mipetraka any Ejipta.+ 9  Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany+ rehefa mahita ny loza hamelezako azy ireo. Holatsain’ny olona any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy+ izy ireo, ary hataony oha-pitenenana, sy hesoesoiny, ary hozoniny.+ 10  Handefa sabatra+ sy mosary ary areti-mandringana+ hamely azy ireo aho, mandra-paharipany tsy ho eo amin’ilay tany nomeko azy sy ny razambeny.”’”

Fanamarihana

Abt: “Nebokadrezara”, fomba hafa nanoratana ny anarany.
Antsoina koa hoe Joiakina na Konia.
Na mety hoe “mpanorina manda fiarovana.”