Jeremia 25:1-38

25  Izao no teny tonga tamin’i Jeremia momba ny olon’i Joda rehetra, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, izany hoe, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona,  eny, izao no teny nambaran’i Jeremia mpaminany momba ny olon’i Joda rehetra sy ny mponina rehetra eto Jerosalema:  “Efa hatramin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakan’i Josia+ zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, eny, tao anatin’izay telo amby roapolo taona izay, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah, ary niteny taminareo foana aho, ka nifoha maraina mba hiteny taminareo, nefa tsy nihaino ianareo.+  Ary nirahin’i Jehovah tany aminareo ny mpaminany mpanompony rehetra. Nifoha maraina izy ka naniraka an’ireny, nefa tsy nihaino ianareo+ na nanongilan-tsofina.+  Nilaza ireny mpaminany ireny hoe: ‘Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo sy ny zava-dratsy fanaonareo ianareo e!+ Dia honina eo amin’ilay tany nomen’i Jehovah anareo sy ny razanareo efa hatramin’ny ela ianareo, ka honina maharitra eo.+  Aza manaraka andriamani-kafa mba hanompo an’ireny na hiankohoka eo anatrehany, sao hampahatezitra ahy ianareo noho ireny asan’ny tananareo ireny ka hahatonga loza aminareo aho.’+  “‘Tsy nihaino ahy anefa ianareo’, hoy i Jehovah, ‘ka nampahatezitra ahy noho ny asan’ny tananareo. Dia hahatonga loza aminareo izany.’+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘“Noho ianareo tsy nankatò ny teniko,  dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 10  Ary hofoanako tsy hisy eo amin’izy ireo ny feon’olona mifaly sy miravoravo,+ ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina,+ ny feon’ny vato fikosoham-bary,*+ ary ny hazavan’ny jiro.+ 11  Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka higagan’ny olona. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.”’+ 12  “‘Rehefa tapitra ny fitopolo taona,+ dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany+ noho ny fahadisoany’, hoy i Jehovah. ‘Hataoko ampamoaka ny tanin’ny Kaldeanina,+ ka hataoko lao mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 13  Ary hotanterahiko amin’izany tany izany ny teny rehetra nanamelohako azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, araka ny faminaniana nambaran’i Jeremia mba hanamelohana ny firenena rehetra.+ 14  Na ireny firenena maro sy mpanjaka lehibe+ ireny koa aza mantsy nampanompo azy ireo.+ Koa hovaliako araka izay nataony sy araka ny asan’ny tanany+ ireny.’” 15  Fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamiko: “Raiso etỳ an-tanako ity kaopy misy ny divain’ny fahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra anirahako anao.+ 16  Dia hisotro izy ireo ka hivembena sy hanao hoatran’ny adala, noho ny sabatra alefako eo amin’izy ireo.”+ 17  Koa nalaiko teny an-tanan’i Jehovah ilay kaopy ka nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Jehovah ahy,+ 18  dia i Jerosalema, sy ireo tanànan’i Joda sy ny mpanjakany ary ny andrianany, mba ho rava tanteraka ireo ka higagam-bahoaka+ sy hampisioka olona ary ho fanozonana, toy ny amin’izao andro izao;+ 19  i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanompony sy ny andrianany ary ny vahoakany rehetra;+ 20  ny hafa firenena rehetra, sy ny mpanjaka rehetran’i Oza,+ sy ny mpanjaka rehetran’ny Filistinina+ sy Askelona+ sy Gaza+ sy Ekrona+ ary izay sisa ao Asdoda;+ 21  Edoma+ sy Moaba+ ary ny taranak’i Amona;+ 22  sy ny mpanjaka rehetran’i Tyro+ sy ny mpanjaka rehetran’i Sidona+ ary ireo mpanjakan’ilay nosy eny ampitan’ny ranomasina; 23  Dedana+ sy Tema+ sy Boza ary izay rehetra manapaka ny volony avy eo amin’ny fihirifany;+ 24  sy ny mpanjaka rehetran’ny Arabo+ sy ny mpanjaka rehetran’ny hafa firenena monina any an-tany efitra; 25  sy ny mpanjaka rehetran’i Zimry sy ny mpanjaka rehetran’i Elama+ ary ny mpanjaka rehetran’ny Medianina;+ 26  sy ny mpanjaka rehetra any avaratra, na lavitra na akaiky, izay hifandimby hisotro izany, ary ny fanjakana hafa rehetra eto ambonin’ny tany. Aorian’ireo, dia hisotro izany koa ny mpanjakan’i Sesaka.*+ 27  “Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Misotroa ka aoka ianareo ho mamo sy handoa ary hianjera ka tsy ho tafatsangana intsony,+ noho ny sabatra alefako eo aminareo.”’+ 28  Raha tsy mety mandray an’ilay kaopy eny an-tananao izy ireo ka tsy mety misotro, dia lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy misotro ianareo!+ 29  Ilay tanàna iantsoana ny anarako no voalohany hasiako loza,+ ka ianareo indray ve no ho afa-maina?”’+ “‘Tsy ho afa-maina mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra aho hamely ny mponina rehetra amin’ny tany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 30  “Ianao kosa hilaza amin’izy ireo izao faminaniana rehetra izao, ka hanao aminy hoe: ‘Hierona avy any amin’ny avo i Jehovah,+ ary hanandratra ny feony avy any amin’ny fonenany masina.+ Tsy maintsy hierona eo ambonin’ny fonenany izy. Hihorakoraka toa an’ireo manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana azy izy, sady hihira rehefa resy ny mponina rehetra amin’ny tany.’+ 31  “‘Hisy tabataba ho re hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany, satria hifandahatra amin’ireo firenena i Jehovah.+ Izy mihitsy no hifandresy lahatra amin’ny nofo rehetra,+ ka hatolony ho amin’ny sabatra ny ratsy fanahy’,+ hoy i Jehovah. 32  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hisy loza hitety firenena,+ ary hisy tafio-drivotra mahery hifofofofo avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+ 33  Ary hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah,+ amin’izany andro izany. Tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny,+ fa ho zezika eny ambonin’ny tany.’+ 34  “Midradradradrà ianareo mpiandry ondry, ary aoka ianareo hitaraindraina!+ Mihosinkosena amin’ny lavenona,+ ianareo ondry vaventy,+ satria tonga ny andro hamonoana sy hanaparitahana anareo,+ ka hianjera toy ny vazy sarobidy ianareo!+ 35  Tsy hisy toerana handosiran’ny mpiandry ondry, ary tsy hahita hitsoahana ireo ondry vaventy.+ 36  Injany fa mitaraindraina ny mpiandry ondry, ary midradradradra ny ondry vaventy, fa nosimban’i Jehovah ny kijana firaofan’izy ireo. 37  Tsy misy zavamiaina intsony ao amin’ireo fonenana nampiadana, satria mirehitra ny fahatezeran’i Jehovah.+ 38  Nandao ny fiereny toy ny liona tanora matanjaka+ izy, fa nanjary nigagan’ny olona ny tanin’izy ireo, noho ilay sabatra nampitondra faisana sy noho ny fahatezerany mirehitra.”+

Fanamarihana

Ilay ahodin-tanana.
Mety ho i Babylona.