Jeremia 26:1-24

26  Izao no teny tonga avy tamin’i Jehovah, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mitsangàna eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah.+ Ho avy hiankohoka ao an-tranon’i Jehovah mantsy ny mponin’ny tanàna rehetran’ny Joda, ka lazao aminy ny teny rehetra asaiko holazainao.+ Aza misy anesorana na iray aza.+  Hihaino ihany angamba izy ireo, ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny.+ Dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy ho valin’ny ratsy nataony.+  Ary lazao amin’izy ireo hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna+ nomeko anareo,+  sy tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay nirahiko ho any aminareo, ary nifoha maraina mihitsy aza aho mba haniraka azy ireny, nefa tsy nihaino ianareo,+  dia hataoko sahala amin’ilay tao Silo ity trano ity,+ ary ity tanàna ity kosa hataoko ho fanozonana ho an’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’”’”+  Nandre an’i Jeremia niteny an’ireo teny ireo tao an-tranon’i Jehovah, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo.+  Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremia daholo ny teny nasain’i Jehovah nolazainy tamin’ny vahoaka manontolo, dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo izy, ka hoy ireo: “Ho faty tokoa ianao anio!+  Nahoana ianao no maminany amin’ny anaran’i Jehovah hoe: ‘Ho sahala amin’i Silo+ ity trano ity, ary ity tanàna ity ho rava ka tsy hisy mponina intsony’?” Dia nitangoronan’ny olona rehetra i Jeremia tao an-tranon’i Jehovah. 10  Nahare izany teny izany ny andrianan’ny Joda avy eo, ka niakatra avy any amin’ny tranon’ny mpanjaka mba hankany amin’ny tranon’i Jehovah.+ Ary nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady vaovao tamin’ny tranon’i Jehovah+ izy ireo. 11  Dia hoy ny mpisorona sy ny mpaminany tamin’ireo andriana sy ny vahoaka manontolo: “Mendrika ny homelohina ho faty+ ity lehilahy ity, satria naminany fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity. Ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre izany.”+ 12  Dia hoy i Jeremia tamin’ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo: “I Jehovah no naniraka ahy hilaza ny faminaniana rehetra renareo teo,+ momba an’ity trano ity sy ity tanàna ity. 13  Koa ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo,+ ka ankatoavy ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana anareo.+ 14  Ary efa eo am-pelatananareo aho izao,+ ka ataovy amiko izay hitanareo fa tsara sy mety.+ 15  Saingy izao: Raha mamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro tsara fa olona tsy manan-tsiny no hovonoinareo, ka hivesatra trosan-dra ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina ato,+ satria i Jehovah mihitsy ange no naniraka ahy hilaza ny teny rehetra renareo teo e!”+ 16  Dia hoy ny andriana+ sy ny vahoaka manontolo tamin’ireo mpisorona sy mpaminany: “Tsy mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity,+ satria tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.”+ 17  Nisy anti-panahy tao amin’ilay tany koa nitsangana, ka niteny tamin’ny fiangonana manontolo hoe:+ 18  “Naminany tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda+ i Mika+ avy any Moreseta,+ ka nilaza tamin’ny mponin’i Joda rehetra hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hasaina toy ny saha+ i Ziona ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny Tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’+ 19  Namono an’i Mika ve i Hezekia mpanjakan’ny Joda sy ny olon’i Joda rehetra tamin’izay? Tsy natahotra an’i Jehovah ve i Hezekia ary nampitony an’i Jehovah,+ ka nanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana azy ireo?+ Koa mitady loza lehibe ho an’ny tenantsika isika raha mamono an’i Jeremia.+ 20  “Nisy lehilahy hafa koa naminany tamin’ny anaran’i Jehovah, dia i Oria zanak’i Semaia avy any Kiriata-jearima.+ Naminany izy fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity sy ity tany ity, sahala amin’izay rehetra nolazain’i Jeremia. 21  Nahare ny tenin’i Oria i Joiakima+ Mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ny andrianany rehetra. Koa nitady hamono azy ho faty ny mpanjaka.+ Natahotra+ i Oria raha vao nahare izany, ka nandositra nankany Ejipta. 22  Naniraka olona hankany Ejipta anefa i Joiakima Mpanjaka, ka nandefa an’i Elnatana zanak’i Akbora,+ niaraka tamin’ny lehilahy vitsivitsy. 23  Koa nalain’ireo avy tany Ejipta i Oria, ary nentiny tany amin’i Joiakima Mpanjaka, izay namono azy tamin’ny sabatra+ sy nanipy ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.” 24  Narovan’i Ahikama+ zanak’i Safana+ koa i Jeremia, mba tsy hatolotra hovonoin’ny vahoaka.+

Fanamarihana