Jeremia 27:1-22

  • Ny ziogan’i Babylona (1-11)

  • Nasaina nanaiky an’i Babylona i Zedekia (12-22)

27  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia, rehefa nanomboka nanjaka i Joiakima* zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: 2  “Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: ‘Manamboara tady sy zioga dia ataovy eo amin’ny vozonao izany, 3  ary alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edoma,+ sy ny mpanjakan’i Moaba,+ sy ny mpanjakan’ny Amonita,+ sy ny mpanjakan’i Tyro,+ ary ny mpanjakan’i Sidona.+ Ireo iraka tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda no ampitondray an’izany. 4  Asaivo lazain’izy ireo amin’ny tompony hoe: “‘“Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, ka holazainareo amin’ny tomponareo: 5  ‘Izaho no nanao ny tany sy ny olombelona ary ny biby eny ambonin’ny tany. Tamin’ny heriko lehibe sy ny sandriko mahery no nanaovako an’izany, ka izay tiako homena azy* no omeko azy.+ 6  Koa efa nomeko an’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko, ireo tany rehetra ireo. Na ny bibidia aza efa nomeko azy mba hanompo azy. 7  Hanompo azy sy ny zanany ary ny zafikeliny ny firenena rehetra, mandra-pahatongan’ny fotoana haharesy ny taniny.+ Firenena maro sy mpanjaka lehibe no hanao azy ho andevo amin’izay fotoana izay.’+ 8  “‘“‘Hosaziko ny firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, sy tsy mety mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona. Hamely azy amin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana aho’, hoy i Jehovah, ‘mandra-pandringako azy amin’ny alalan’i Nebokadnezara.’ 9  “‘“‘Koa aza mihaino an’ireo mpaminany, mpisikidy, mpanonofy, mpimasy, ary ireo mpilalao ody eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!” 10  Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo, ka raha mihaino azy ianareo dia hoentina lavitra tsy ho eo amin’ny taninareo. Ary haparitako ianareo dia ho ripaka. 11  “‘“‘Fa izay firenena mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona sy manompo azy kosa, dia havelako hijanona* ao amin’ny taniny’, hoy i Jehovah, ‘mba hamboly sy hipetraka ao.’”’” 12  Izany koa no nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda. Niteny taminy aho hoe: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.+ 13  Fa nahoana moa ianao sy ny vahoakanao no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana,+ araka izay nolazain’i Jehovah hoe hanjo an’izay firenena tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babylona? 14  Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza aminareo hoe: ‘Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona+ ianareo.’ Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo.+ 15  “‘Fa tsy naniraka an’ireny aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa maminany lainga amin’ny anarako izy. Koa raha mihaino azy ianareo dia haparitako, ary ho faty ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.’”+ 16  Izao no nolazaiko tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza aminareo hoe: “Jereo tsara fa ho tafaverina tsy ho ela avy any Babylona ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah!”+ Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo.+ 17  Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’i Babylona dia ho velona ianareo.+ Fa nahoana moa no dia ho rava ity tanàna ity? 18  Raha tena mpaminany anefa izy ireo ary ny tenin’i Jehovah tokoa no lazainy, dia aoka izy ireo hiangavy an’i Jehovah Tompon’ny tafika mba tsy hoentina any Babylona ny fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny* mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema.’ 19  “Izao mantsy no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba an’ireo andry,+ ny Ranomasina,*+ ireo kalesy,+ ary ny fitaovana sisa tavela ato amin’ity tanàna ity, 20  izay tsy nalain’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona rehefa nentiny niala teto Jerosalema sy nataony sesitany tany Babylona i Jekonia zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny olona ambony rehetra teto Joda sy Jerosalema;+ 21  eny, izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an’ireo fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny* mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema: 22  ‘“Hoentina any Babylona ireny+ ary hajanona any mandra-pahatongan’ny andro hahatsiarovako azy”, hoy i Jehovah. “Dia hoentiko miverina avy any ireny, ka haveriko eto amin’ity toerana ity.”’”+

Fanamarihana

Na: “Zedekia”, araka ny sora-tanana fahiny sasany.
Abt: “izay hitan’ny masoko hoe mety.”
Abt: “hiala sasatra.”
Na: “an-dapan’ny.”
Izany hoe ilay Ranomasina varahina tao amin’ny tempoly.
Na: “an-dapan’ny.”