Jeremia 28:1-17

28  Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahefatra, dia niteny tamiko tao an-tranon’i Jehovah teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka manontolo i Hanania+ zanak’i Azora, mpaminany avy any Gibeona,+ nanao hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.+  Ato anatin’ny roa taona, dia haveriko eto amin’ity toerana ity ny fitaovana rehetra tao an-tranon’i Jehovah, izay nalain’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona+ teto, ka nentiny any Babylona.’”  “‘Hampodiko eto koa i Jekonia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny mponin’i Joda rehetra izay natao sesitany any Babylona’,+ hoy i Jehovah, ‘satria hotapahiko ny ziogan’ny+ mpanjakan’i Babylona.’”  Dia namaly an’i Hanania mpaminany i Jeremia mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka manontolo, izay nitsangana tao an-tranon’i Jehovah,+  eny, namaly azy i Jeremia mpaminany hoe: “Amena!*+ Izany tokoa anie no hataon’i Jehovah! Hotanterahin’i Jehovah anie ny faminanianao, ka haveriny eto amin’ity toerana ity tokoa ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah sy ny olona rehetra natao sesitany any Babylona!+  Mba henoy kely anefa izay holazaiko aminao sy amin’ny vahoaka manontolo:+  Ela be talohako sy talohanao no efa nisy mpaminany nilaza+ fa hisy ady sy loza ary areti-mandringana any amin’ny tany maro sy any amin’ireo fanjakana lehibe.+  Fa izay mpaminany manambara fiadanana kosa,+ dia ny fahatanterahan’ny teniny no hahafantarana raha tena nirahin’i Jehovah tokoa izy, na tsia.”+ 10  Dia nesorin’i Hanania mpaminany teny am-bozon’i Jeremia mpaminany ilay zioga, ka notapahiny.+ 11  Ary hoy i Hanania+ teo anatrehan’ny vahoaka manontolo: “Izao no nolazain’i Jehovah:+ ‘Hoatr’izao no hanapahako ny ziogan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ato anatin’ny roa taona, ka tsy ho eo am-bozon’ny firenena rehetra intsony izany.’”+ Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.+ 12  Rehefa avy notapahin’i Hanania mpaminany ilay zioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah+ hoe: 13  “Mandehana lazao amin’i Hanania hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Zioga+ hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hasolonao azy.”+ 14  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Zioga vy no hataoko eo am-bozon’ireny firenena rehetra ireny, mba hanompoan’ireny an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona,+ ka tsy maintsy hanompo azy tokoa ireny.+ Ary homeko azy hatramin’ny bibidia.”’”+ 15  Hoy koa i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania+ mpaminany: “Henoy ny teniko, azafady, ry Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa ianao no nahatonga an’ity vahoaka ity hatoky lainga.+ 16  Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Esoriko tsy ho eny ambonin’ny tany ianao, ka amin’ity taona ity no hahafatesanao,+ satria fikomiana an-kitsirano tamin’i Jehovah no nambaranao.’”+ 17  Koa maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny ihany i Hanania mpaminany.+

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”