Jeremia 3:1-25

3  Misy fitenenana manao hoe: “Mahazo miverina amin’ny vadiny ve ny lehilahy raha efa nandroaka an-dravehivavy, ka tena nandeha tokoa ravehivavy ary lasa vadin’olon-kafa?”+ Tsy efa voaloto tokoa ve izany tany izany?+ “Efa nivaro-tena tamin’olona maro tokoa ianao,+ ka hiverina amiko+ indray ve?”, hoy i Jehovah.  “Tazano ireo lala-masaka ka jereo.+ Taiza no toerana mbola tsy nametavetana anao?+ Nipetraka teny amoron-dalana tahaka ny Arabo any an-tany efitra+ ianao, mba hitady lehilahy. Lotoinao amin’ny fivarotan-tena sy ny faharatsiana foana ny tany.+  Koa voasakana tsy hilatsaka ny oram-be,+ ary na ny oran-dohataona aza tsy misy intsony.+ Tsy misy henatra intsony ianao fa manao toy ny mpivaro-tena nefa vehivavy manambady.* Tsy mety miaiky ianao hoe mahamenatra ny nataonao.+  Miantso ahy ve ianao ankehitriny hoe: ‘Raiko ô,+ ianao no tena namako efa hatramin’ny fahazazako?+  Ho tezitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ve ianao? Hitsingoloka fahadisoana mandrakizay ve ianao?’+ Nilaza izany ianao, nefa mbola manao ratsy ihany, ary vitanao tokoa ny nanao ratsy.”+  Ary hoy i Jehovah tamiko tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka:+ “‘Hitanao ve izay nataon’ny Israely mpivadika?+ Mandeha eran’ny tendrombohitra avo rehetra izy+ sady mankeny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ mba hivaro-tena.+  Taorian’ny nanaovany izany rehetra izany, dia nilaza taminy foana aho hoe tokony hiverina amiko izy. Tsy niverina anefa izy.+ Ary ny Joda kosa nijery fotsiny an’ilay rahavaviny+ mpamitaka.  Rehefa hitako izany, dia noroahiko ny Israely mpivadika, satria nanitsakitsa-bady.+ Dia nomeko azy ny taratasy manambara fa misara-panambadiana tanteraka izahay.+ Na izany aza, dia mbola tsy natahotra foana ny Joda, ilay rahavaviny mpamitaka, fa lasa nivaro-tena koa.+  Nivaro-tena izy fa maivan-doha. Nandoto an’ilay tany izy,+ ary nanitsakitsa-bady satria nanompo vato aman-kazo.+ 10  Na teo aza izany rehetra izany, dia tsy niverina tamiko tamin’ny fony manontolo+ ny Joda, ilay rahavaviny mpamitaka. Nihatsaravelatsihy+ fotsiny izy’, hoy i Jehovah.” 11  Ary hoy ihany i Jehovah tamiko: “Marina kokoa noho ny Joda mpamitaka ny Israely mpivadika.+ 12  Mandehana ambarao amin’izay any avaratra+ hoe: “‘“Miverena ry Israely mpikomy ô”, hoy i Jehovah.’+ ‘“Fa tsy ho vinitra aminareo aho,+ satria tsy mivadika aho”,+ hoy i Jehovah.’ ‘“Tsy ho tezitra mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+ 13  Mba diniho ihany ny fahadisoanao, fa ny lalàn’i Jehovah Andriamanitrao ange no nodikainao e!+ Tsy nihaino ny feoko ianao, fa nandehandeha tetsy sy teroa, nankany amin’ireo vahiny+ teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra”,+ hoy i Jehovah.’” 14  “Miverena, ry zanako mpikomy+ ô”, hoy i Jehovah. “Fa efa lasa vadinao sy tomponao aho.+ Hakako iray isan-tanàna ianareo, ary roa isam-poko, ka hoentiko any Ziona.+ 15  Mpiandry sitraky ny foko no homeko anareo,+ ka hofahanany fahalalana sy fahaiza-manavaka ianareo.+ 16  Dia hihamaro ianareo amin’izany andro izany, ka hihabetsaka ao amin’ilay tany”, hoy i Jehovah.+ “Tsy hisy intsony hilaza hoe: ‘Ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah!’+ Tsy ho ao an-tsaina intsony izy io, na hisy hahatsiaro,+ na hanembona, na hanamboatra. 17  Hantsoina hoe ny seza fiandrianan’i Jehovah i Jerosalema+ amin’izany andro izany, ka any no hanangonana ny firenena rehetra+ mba hankalazaina any ny anaran’i Jehovah.+ Ary tsy handeha araka ny ditran’ny fo ratsiny+ intsony izy ireo.” 18  “Dia hiara-mandeha ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely,+ amin’izany andro izany, ka hiara-mivoaka+ avy ao amin’ilay tany any avaratra mba hiditra ao amin’ilay tany nomeko ho lovan’ny razanareo.+ 19  Ary hoy aho: ‘Faly erỳ aho nanao anao ho isan’ny zanako sy nanome anao an’ilay tany mahafinaritra,+ dia ilay lova ravaky ny tafik’ireo firenena!’ Dia hoy koa aho: ‘Hiantso ahy hoe “Raiko!”+ ianareo, ary hanaraka ahy foana.’ 20  ‘Kanefa toy ny namitahan’ny vehivavy ny vadiny+ ka nandaozany azy, no namitahanareo ahy,+ ry taranak’Israely ô’, hoy i Jehovah.” 21  Nisy feo re teny amin’ny lala-masaka, dia ny fitomaniana sy ny fitalahoan’ny zanak’Israely. Fa niala tamin’ny lala-mahitsy+ izy ireo. Hadinony i Jehovah Andriamaniny.+ 22  “Miverena, ry zanako mpikomy ô,+ fa hanasitrana ny fikomianareo aho.”+ “Indreto izahay manatona anao, fa ianao, Jehovah ô, no Andriamanitray!+ 23  Fa zava-poana+ tokoa ireo havoana sy ny tabataba eny an-tendrombohitra.+ Eny tokoa, i Jehovah Andriamanitray no mpamonjy ny Israely!+ 24  Efa hatramin’ny fahazazanay no efa lanin’ny zava-mahamenatra+ ny zavatra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy. 25  Matory amin-kenatra+ izahay, ary rakotry ny henatra,+ satria tamin’i Jehovah Andriamanitray izahay no nanota,+ dia izahay sy ny razambenay, efa hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao.+ Ary tsy nankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitray izahay.”+

Fanamarihana

Heb.: “Lasa manana handrin’ny vehivavy mivaro-tena.”