Jeremia 30:1-24

30  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia:  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Soraty ao amin’ny boky izay teny rehetra holazaiko aminao.+  Fa “ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanangonako ireo oloko babo, dia ny Israely sy Joda”,+ hoy i Jehovah. “Hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razany izy ireo, ka ho lasany indray ny taniny.”’”+  Izao no tenin’i Jehovah tamin’ny Israely sy Joda,  eny, izao no nolazain’i Jehovah: “Feo mangovitra no renay. Horohoro no manjaka,+ ary tsy misy fiadanana.  Mba anontanio, azafady, ary jereo raha mba misy lehilahy miteraka. Koa nahoana ny lehilahy tomady rehetra no hitako mihazona andilana toy ny vehivavy efa hiteraka?+ Ary nahoana no hatsatra ny tarehy+ rehetra?  Indrisy! Andro lehibe+ izany ary tsy hisy toa azy.+ Fotoam-pahoriana ho an’i Jakoba izany,+ nefa ho voavonjy amin’izany ihany izy.”  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia hotapahiko ny zioga eny am-bozonao ary hotapahiko roa ny tady mangeja anao.+ Tsy hisy hafa firenena hampanompo an’i Jakoba intsony.  Dia hanompo an’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ary hanompo an’i Davida mpanjakany+ izay notendreko hitondra azy.”+ 10  “Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô”, hoy i Jehovah, “ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.”+ 11  “Fa momba anao aho mba hamonjy anao”,+ hoy i Jehovah, “fa haringako kosa ny firenena rehetra nanaparitahako anao.+ Ianao anefa tsy mba haringako.+ Hahitsiko araka ny antonony ihany anefa ianao, satria tsy havelako ho afa-maina fa hosaziko ihany.”+ 12  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Tsy misy fanafany ny fahavoazanao.+ Tsy mety sitrana ny ratra tamin’ny kapoka nahazo anao.+ 13  Tsy misy olona hiteny hiaro anao ka hoe hanasitrana ny ferinao.+ Ary tsy misy fomba hahasitrana anao na hahasalama anao.+ 14  Izay rehetra tia fatratra anao no nanadino anao.+ Ary tsy ianao mihitsy no tadiaviny. Hamely anao toy ny famelin’ny fahavalo aho,+ ary hanafay anao toy ny olona lozabe,+ satria be ny fahadisoanao+ ary maro ny fahotanao.+ 15  Nahoana ianao no mitaraina noho ny fahavoazanao?+ Tsy hitsahatra ny fanaintainanao satria be ny fahadisoanao ary maro ny fahotanao,+ ka nataoko nihatra taminao izany zavatra izany. 16  Koa hisy handrapaka izay rehetra mandrapaka anao,+ ary ho lasa babo daholo ny fahavalonao rehetra.+ Halaina an-keriny ny fananan’ireo naka an-keriny ny fanananao, ary hatolotro horobaina izay rehetra nandroba anao.”+ 17  “Fa hampody ny fahasalamanao aho ary hanasitrana ny ratra tamin’ny kapoka nahazo anao”,+ hoy i Jehovah. “Nantsoina hoe vehivavy noroahina ianao:+ ‘Io ilay Ziona tsy misy mpitady.’”+ 18  Izao no nolazain’i Jehovah: “Hiverina any amin’ireo tranolain’i Jakoba aho, ka hangoniko ireo babo+ ary hiantrako ny tranolainy. Haorina indray eo amin’ilay dongon-tany+ nisy azy ilay tanàna, ary ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy ilay tilikambo fonenana.+ 19  Hisy fisaorana avy amin’izy ireo ary hisy feon’olona mifaly eo amin’izy ireo.+ Hataoko maro be ny taranany, fa tsy ho vitsy.+ Ary hataoko maro an’isa izy ireo, ka tsy hisy hanao tsinontsinona azy.+ 20  Ho toy ny taloha indray ny taranany, ary ho mafy orina eo anatrehako ny fireneny.+ Hitodika manokana amin’ireo mpampahory azy aho.+ 21  Avy ao aminy ihany no hivoahan’ilay olo-manan-kaja eo aminy,+ ary avy eo anivony koa no hivoahan’ilay mpitondra azy.+ Hampanakekeziko ahy izy, ka hanatona ahy.”+ “Fa iza moa no ho sahy hanao ny fony ho antoka mba hanatonana ahy?”,+ hoy i Jehovah. 22  “Ho oloko tokoa ianareo,+ ary izaho ho Andriamanitrareo.”+ 23  Mifofofofo ny tafio-drivotra avy amin’i Jehovah, eny, mipoaka ny fahatezerany izay toy ny rivo-mahery mitsoka mafy dia mafy.+ Hitambolimbolina eo amin’ny lohan’ny ratsy fanahy izany.+ 24  Ho tezitra mafy i Jehovah ary tsy hitony mihitsy ny fahatezerany raha tsy efa vitany sy tanterany ny hevitra ao am-pony.+ Handinika izany ianareo any am-parany.+

Fanamarihana