Jeremia 31:1-40

  • Honina ao amin’ilay tany indray ny sisa amin’ny Israely (1-30)

    • Mitomany an’ireo zanany i Rahely (15)

  • Fifanekena vaovao (31-40)

31  “Amin’izany fotoana izany”, hoy i Jehovah, “dia ho Andriamanitry ny foko rehetra eo amin’ny Israely aho, ary izy ireo ho vahoakako.”+  2  Izao no lazain’i Jehovah: “Nahazo sitraka tany an-tany efitra ireo olona tsy matin’ny sabatra,Rehefa nankany amin’ilay tany ialany sasatra ny Israely.”  3  Niseho tamiko avy lavitra i Jehovah, ka nilaza hoe: “Fitiavana mandrakizay no itiavako anao. Izany no nahatonga ahy hitaona anao hanatona ahy, satria tia anao sy tsy mivadika aminao aho.+  4  Haoriko indray ianao ka ho voaorina.+ Mbola haka ny ampongatapakao indray ianao, ry Israely virjiny ô,Ka hivoaka handihy sy hifaly.*+  5  Ary hamboly voaloboka eny an-tendrombohitr’i Samaria+ indray ianao.Hamboly ny mpamboly ka hihinana ny vokatra azony.+  6  Fa ho avy ny andro hiantsoantsoan’ny mpitily eny an-tendrombohitr’i Efraima hoe: ‘Mitsangàna, andao hiakatra any Ziona, any amin’i Jehovah Andriamanitsika!’”+  7  Izao mantsy no lazain’i Jehovah: “Manaova horakora-pifaliana ho an’i Jakoba. Mihobia fa ianao no sangany amin’ireo firenena.+ Ambarao izany! Derao Andriamanitra, ary milazà hoe:‘Jehovah ô, mba vonjeo ny vahoakanao, dia izay sisa amin’ny Israely!’+  8  Hoentiko miverina avy any amin’ilay tany any avaratra+ izy ireo. Hangoniko avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany+ izy ireo. Ho eo daholo na ny jamba na ny malemy tongotra+Na ny vehivavy bevohoka na ny efa ho teraka. Fiangonana lehibe izy ireo rehefa hiverina eto.+  9  Hiverina izy ireo sady hitomany.+ Hitarika azy ireo aho raha mbola eo am-pitalahoana famindram-po izy ireo. Hoentiko eny amin’ny rano mikoriana*+ izy ireo,Ary lalana mitovy tantana tsy hahatafintohina azy no hitondrako azy. Fa Ray ho an’ny Israely aho, ary i Efraima no lahimatoako.”+ 10  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry firenena,Ary ambarao any amin’ireo nosy lavitra+ izany, ka lazao hoe: “Ilay nampiely ny Israely no hanangona azy. Hikarakara azy toy ny mpiandry ondry mikarakara ny andian’ondriny izy.+ 11  Fa hanavotra an’i Jakoba+ i Jehovah,Ka hamonjy* azy eo am-pelatanan’ilay mahery noho izy.+ 12  Dia ho avy izy ireo ka hihoby eny amin’ny havoanan’i Ziona.+Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i* Jehovah,Noho ny varimbazaha sy ny divay vaovao+ sy ny menaka,Ary noho ny zanaky ny ondry aman’osy sy ny zanak’omby.+ Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara izy ireo,+Ka tsy ho reraka intsony mihitsy.”+ 13  “Amin’izany fotoana izany, dia hifaly sy handihy ny virjiny,Sy ny tovolahy ary ny lehilahy efa antitra.+ Hovako ho fifaliana ny fahoriany.+ Hampiononiko izy ireo, ary hampifaliko mba hisinda ny alahelony.+ 14  Hataoko afa-po amin’ny sakafo tondraka* ny mpisorona,Ary ny vahoakako ho vokin’ny hatsaran-toetrako”,+ hoy i Jehovah. 15  “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Misy feo re any Rama,+ dia feon’olona midradradradra sy mitomany be: Mitomany an’ireo zanany lahy* i Rahely.+ Tsy mety hampiononina izy,Satria tsy eo intsony izy ireny.’”+ 16  Izao no lazain’i Jehovah: “‘Aza midradradradra intsony ary aza mandrotsaka ranomaso,Fa hovalian-tsoa izay nataonao’, hoy i Jehovah. ‘Hiverina avy any amin’ny tanin’ny fahavalo izy ireny.’+ 17  ‘Misy antenaina ny hoavinao’,+ hoy i Jehovah. ‘Hiverina ao amin’ny faritra nisy azy ny zanakao lahy.’”+ 18  “Henoko tokoa i Efraima nitaraina hoe:‘Nanitsy ahy ianao ka nanaiky hahitsy aho,Toy ny zanak’omby mbola tsy nofolahina. Ento miverina aho, dia hiverina avy hatrany,Satria ianao no Jehovah Andriamanitro. 19  Fa nanenina aho dia niverina taminao.+Rehefa nampahafantarina ahy izany, dia nokapohiko ny feko satria nalahelo aho. Menatra sy afa-baraka aho,+Satria nitondra latsa aho noho izay nataoko tamin’izaho mbola tanora.’” 20  “Tsy zanako tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin’ny foko?+ Isaky ny manameloka azy mantsy aho, dia tena mbola mahatsiaro azy ihany. Izany no mahatonga ahy hihetsi-po* noho ny aminy.+ Ary tena hiantra azy aho”, hoy i Jehovah.+ 21  “Manangàna marika famantaran-dalana ho anao,Ary mametraha takelaka manondro lalana.+ Diniho tsara ny lalambe, dia ilay lalana tokony halehanao.+ Ary miverena, ry Israely virjiny ô! Miverena any amin’ireo tanànanao. 22  Mandra-pahoviana ianao no mbola hiroaroa saina, ry zanakavavy mpivadika? Fa namorona zava-baovao eto an-tany i Jehovah, Dia vehivavy maimay hanenjika lehilahy.” 23  Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Rehefa angoniko ireo mponin’i Joda lasa babo, dia hisy hiteny indray any Joda sy ao amin’ireo tanànany hoe: ‘Hotahin’i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana+ sy tendrombohitra masina ô!’+ 24  Hiara-monina ao daholo ny Joda sy ny olona ao amin’ny tanànany rehetra, anisan’izany ny tantsaha sy ireo mpandroaka biby fiompy.+ 25  Homeko izay ilainy ny reraka, ary hataoko voky izay rehetra reraky ny hanoanana.”+ 26  Tamin’izay dia nifoha aho, ka nahiratro ny masoko. Ary mamy tamiko ny torimasoko. 27  “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hamafazako voa eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, ka olona sy biby fiompy no voa* hafafiko.”+ 28  “Nanara-maso azy ireo aho mba hanongotana, handrodanana, handravana, handringanana, ary hanimbana azy.+ Hanara-maso azy ireo hoatr’izany koa aho mba hanorenana sy hambolena azy”,+ hoy i Jehovah. 29  “Tsy hisy hiteny intsony amin’izany andro izany hoe: ‘Ny ray no nihinana voaloboka marikivy, nefa ny nifin’ny zanany no nadilo.’*+ 30  Fa samy ho fatin’ny fahadisoany ihany ny tsirairay. Izay mihinana voaloboka marikivy no hadilo nify.” 31  “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hanaovako fifanekena vaovao+ amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. 32  Tsy ho hoatran’ilay fifanekena nataoko tamin’ny razambeny, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta,+ anefa izany. ‘Nivadika tamin’iny fifanekena nataoko iny mantsy izy ireo,+ na dia izaho aza no tena tompony’,* hoy i Jehovah.” 33  “Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, aorian’izany andro izany”, hoy i Jehovah: “Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko,+ sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.”+ 34  “Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: ‘Fantaro i Jehovah!’+ Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra”,+ hoy i Jehovah. “Fa havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.”+ 35  Izao no lazain’i Jehovah,Ilay manome ny masoandro mba hanazava amin’ny andro,Sy manome lalàna* mifehy ny volana sy ny kintana mba hanazava amin’ny alina,Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina sy mampidoboka ny onjany,Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon’ny tafika:+ 36  “‘Raha sanatria ka tsy manan-kery intsony ireny lalàna ireny’, hoy i Jehovah,‘Dia amin’izay ihany ny taranak’Israely vao tsy ho firenena eo anatrehako intsony.’”+ 37  Izao no lazain’i Jehovah: “‘Raha misy mahavita mandrefy ny lanitra ambony, sy mitsidika ny fototry ny tany mba hahalalana an’izay misy any, dia amin’izay ihany aho vao ho afaka handa ny taranak’Israely manontolo, noho izay rehetra nataon’izy ireo’, hoy i Jehovah.”+ 38  “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hanorenana indray ny tanàna+ ho an’i Jehovah, manomboka eo amin’ny Tilikambon’i Hananela+ ka hatrany amin’ny Vavahady An-jorony.+ 39  Mbola hohenjanina mahitsy hatrany amin’ny havoanan’i Gareba ny tady fandrefesana,+ ary hihodina mankany Goa. 40  Ho masina amin’i Jehovah+ ny lohasaha* rehetra fanariana faty sy lavenona,* sy ny tanimboly mikitohatohatra rehetra hatrany amin’ny Lohasahan’i Kidrona,+ ary hatrany amin’ny zoron’ny Vavahadin-tsoavaly+ any atsinanana. Tsy hongotana intsony mihitsy izany na horavana.”

Fanamarihana

Na: “handihy miaraka amin’ny olona falifaly.”
Na: “lohasaha.”
Na: “haka.”
Na: “zavatra tsara avy amin’i.”
Abt: “matavy.”
Na: “zanany.”
Na: “mahatonga ny tsinaiko hangotikotika.”
Na: “taranaka.”
Na: “tsy nahalaitra na inona na inona.”
Na mety hoe “no vadiny.”
Na: “fitsipika.”
Na: “lemaka iva.”
Na: “lavenona feno menaka”, izany hoe lavenona vonton’ny menak’ireo fanatitra.