Jeremia 33:1-26

33  Raha mbola nohidiana tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia, dia tonga taminy fanindroany ny tenin’i Jehovah hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpanao+ ny tany, dia i Jehovah ilay Mpamolavola+ azy io mba ho mafy orina,+ eny, ilay antsoina hoe Jehovah:+  ‘Antsoy aho dia hamaly anao,+ ka hilaza aminao avy hatrany zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, izay mbola tsy fantatrao.’”+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba ireo trano ato amin’ity tanàna ity, sy momba ny tranon’ireo mpanjakan’ny Joda, izay horavana satria nanorina tovon-tany* ny fahavalo hanaovana fahirano azy sady nampiasa sabatra,+  eny, izao no nolazainy momba ireo tonga hiady amin’ny Kaldeanina, ka hahatonga an’ireo trano ireo ho feno fatin’ny olona, izay novonoiko tamin-katezerana sy tamim-pahavinirana,+ sady nanafenako ny tavako tsy hijery an’ity tanàna ity, noho ny faharatsiana rehetra vitan’izy ireo:+  ‘Hampody ny fahasalamany sy hanasitrana azy aho.+ Hanasitrana azy ireo tokoa aho ary haharihariko aminy fa hisy fiadanam-be sy fahamarinana.+  Hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny olon’i Joda sy Israely.+ Ary hanorina azy ho toy ny tamin’ny voalohany aho.+  Hodioviko izy ireo ho afaka amin’ny fahadisoana rehetra nanotany tamiko.+ Ary havelako daholo izay fahadisoana nanotany tamiko sy nandikany ny lalàko.+  Ho anarana mahafaly ahy izy,+ ary ho fiderana sy hatsaran-tarehy any amin’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany. Handre ny soa rehetra hataoko aminy mantsy ireny firenena ireny.+ Koa hihorohoro+ sy hitebiteby+ ireny, rehefa handre izany soa rehetra hataoko aminy izany sy ny fiadanam-be homeko azy.’”+ 10  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Eto amin’ity toerana lazainareo hoe lao tsy misy olona na biby fiompy ity, ary ao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema izay lao+ tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana+ 11  ny feon’olona mifaly sy miravoravo,+ ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina, ary ny feon’ireo manao hoe: “Derao i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara i Jehovah,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana!”’+ “‘Hitondra fanati-pisaorana ao an-tranon’i Jehovah izy ireo,+ satria hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny mponin’ity tany ity, ka ho toy ny taloha’,+ hoy i Jehovah.” 12  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hisy kijana hahafahan’ireo mpiandry ondry hampandry ny andian’ondriny,+ eto amin’ity toerana lao tsy misy olona na biby fiompy+ ity sy ao amin’ireo tanànany rehetra.’ 13  “‘Mbola hisy andian’ondry handalo eo ambany tanan’ny mpanisa azy,+ ao amin’ireo tanàna eny amin’ny faritra be tendrombohitra sy ny tanàna eny amin’ny faritra iva+ sy ny tanàna any atsimo+ sy ao amin’ny tanin’i Benjamina+ sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema+ ary ao amin’ny tanànan’i Joda’,+ hoy i Jehovah.” 14  “‘Ho avy ny andro’,+ hoy i Jehovah, ‘izay hanatanterahako ny fampanantenako+ momba ny taranak’Israely+ sy ny taranak’i Joda. 15  Hampipoitra tsimoka marina ho an’i Davida aho,+ amin’izany andro sy fotoana izany. Ary hanao ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ilay tany tokoa izy.+ 16  Hovonjena+ ny Joda amin’izany andro izany, ary honina tsy hanana ahiahy+ i Jerosalema, ka izao no hiantsoana azy: Jehovah no Fahamarinantsika.’”+ 17  “Fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy olona avy amin’ny taranak’i Davida foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’Israely.+ 18  Hisy olona avy amin’ny taranaky ny Levita mpisorona foana koa ho eo anatrehako, mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy handoro fanatitra varimbazaha mba hidona-tsetroka ary hanao sorona tsy tapaka.’”+ 19  Mbola tonga tamin’i Jeremia ihany ny tenin’i Jehovah hoe: 20  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Raha vitanareo ny manafoana ny fifanekena nifanaovako tamin’ny andro sy ny fifanekena nifanaovako tamin’ny alina, mba tsy hisy amin’ny fotoanany ny andro sy ny alina,+ 21  dia ho azo foanana koa ny fifanekena nataoko tamin’i Davida mpanompoko,+ ka tsy hanana zanakalahy ho mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy,+ ary ho azo foanana koa ny fifanekena nataoko tamin’ny Levita mpisorona mpanompoko.+ 22  Hataoko maro be ny taranak’i Davida mpanompoko sy ny Levita manompo ahy,+ ka ho maro sahala amin’ireo zavatra eny amin’ny lanitra izay tsy hita isa, sy ho toy ny fasika any an-dranomasina izay tsy voafatra.’”+ 23  Mbola tonga tamin’i Jeremia ihany ny tenin’i Jehovah hoe: 24  “Tsy efa renao ve ny tenin’ity vahoaka ity hoe: ‘Holavin’i Jehovah ireo fianakaviana roa efa nofidiny’?+ Tsy hajain’ny fahavalo ny oloko,+ ka tsy heveriny ho firenena intsony. 25  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Toy ny nanaovako fifanekena tamin’ny andro sy ny alina,+ ary nanaovako lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany,+ 26  no tsy handavako ny taranak’i Jakoba sy ny taranak’i Davida mpanompoko,+ ka hoe tsy hifidy olona avy amin’ny taranany aho mba ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Fa hangoniko ireo babo+ ka hiantrako.’”+

Fanamarihana

Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.