Jeremia 34:1-22

34  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia, raha mbola niady tamin’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra+ i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona+ sy ny tafiny manontolo+ sy ny fanjakana rehetra teto an-tany, eny, ireo fanjakana teo ambany fahefany,+ mbamin’ny firenena rehetra:  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Mandehana lazao amin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda,+ eny, lazao aminy hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity,+ ka hodorany.+  Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany.+ Hifanatri-maso amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao,+ ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia ho any Babylona ianao.’  Henoy anefa ny tenin’i Jehovah, ry Zedekia mpanjakan’ny Joda+ ô: ‘Izao no nolazain’i Jehovah momba anao: “Tsy ho fatin-tsabatra ianao,  fa ho faty amim-piadanana+ kosa. Handoroana zava-manitra+ ianao, toy ny natao tamin’ny razanao, dia ireo mpanjaka talohanao.+ Hitomany+ anao ny olona sady hilaza hoe: ‘Indrisy, ry tompoko ô!’,+ fa ‘izaho no efa nanambara izany teny izany’, hoy i Jehovah.”’”’”  Dia nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda izany teny+ rehetra izany, teto Jerosalema.  Tamin’izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona dia niady tamin’i Jerosalema sy ny sisa rehetra tamin’ireo tanànan’i Joda+ sy tamin’i Lakisy+ sy Azeka,+ satria ireo roa ireo sisa no tanàna voaro mafy+ mbola tsy resy, tamin’ireo tanànan’i Joda.+  Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, rehefa avy nanao fifanekena tamin’ny olona rehetra teto Jerosalema i Zedekia Mpanjaka. Araka ny nifanekena, dia nanao antso avo tamin’izy ireo i Zedekia fa hafahana ny mpanompo,+  ka tokony samy handefa ny mpanompony avy izy ireo, mba ho olona afaka ireny, na Hebreo+ lahy na Hebreo vavy. Amin’izay dia tsy hampanompo Jiosy izy ireo, satria rahalahiny ihany ireny.+ 10  Koa nankatò izany ny andriana+ rehetra sy ny olona rehetra izay nanaiky an’ilay fifanekena hoe samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho olona afaka izy ireo, ka tsy hampanompo azy intsony. Nankatò izy ireo ka nalefany ireny.+ 11  Niova hevitra+ anefa izy ireo taorian’izay, ka naveriny indray ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nalefany. Nataony mpanompolahiny sy mpanompovaviny indray ireny.+ 12  Koa tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah avy tamin’i Jehovah, nanao hoe: 13  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izaho mihitsy no nanao fifanekena tamin’ny razanareo+ tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta,+ avy tao amin’ny tranon’ny mpanompo,+ ka nilaza hoe: 14  “Rehefa tapitra ny fito taona, dia aoka ianareo samy handefa ny Hebreo+ rahalahinareo+ izay namidy taminareo+ ka efa nanompo anareo enin-taona. Avelao handeha izy mba ho olona afaka.” Tsy nihaino ahy anefa ny razanareo, sady tsy nanongilan-tsofina.+ 15  Ianareo kosa ankehitriny niverina tamiko ka manao izay mahitsy eo imasoko, satria samy nanambara tamin’ny namanareo avy fa hafahana ny mpanompo. Ary nanao fifanekena teo anatrehako+ tao amin’ny trano iantsoana ny anarako+ ianareo. 16  Miova hevitra anefa ianareo avy eo,+ ary manazimbazimba ny anarako+ ka samy mamerina ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo. Nalefanareo handeha araka izay tiany izy ireny ka lasa olona afaka, nefa dia ataonareo mpanompolahy sy mpanompovavy indray.’+ 17  “Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy nankatò ahy ianareo, satria tsy nanao antso avo tamin’ny rahalahinareo sy ny namanareo intsony hoe tokony hafahana+ ny mpanompo. Koa izao kosa no fahafahana ataoko antso avo aminareo:+ Ho fatin’ny sabatra+ sy ny areti-mandringana+ ary ny mosary+ ianareo’, hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko mangovitra mihitsy ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo anareo.+ 18  Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ireo olona nivadika tamin’ilay fifanekena nataoko,+ dia ireo tsy nanatanteraka izay voalazan’ilay fifanekena nataony teo anatrehako, rehefa nozarainy roa+ ny zanak’omby, ka nandalo teo anelanelan’izany izy ireo.+ 19  Ny andrianan’i Joda sy ny andrianan’i Jerosalema+ sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka manontolo no nandalo teo anelanelan’ireo tapany roa tamin’ilay zanak’omby. 20  Eny, hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy izy ireo.+ Ary ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.+ 21  Ary i Zedekia mpanjakan’ny Joda+ sy ny andrianany dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy ary eo am-pelatanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona,+ izay niala teo aminareo ka tsy nanafika anareo indray.’+ 22  “‘Izaho no mandidy’, hoy i Jehovah, ‘ka haveriko eto amin’ity tanàna ity tokoa ny Kaldeanina.+ Dia hanafika an’ity tanàna ity izy ireo, ka hamabo sy handoro azy.+ Hataoko lao tsy misy mponina ireo tanànan’i Joda.’”+

Fanamarihana