Jeremia 35:1-19

35  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:  “Mankanesa any amin’ny taranak’i Rekaba,+ ka iresaho izy ireo ary ento ao an-tranon’i Jehovah, ao amin’ny iray amin’ireo efitra fisakafoana. Dia omeo divay izy ireo hosotroiny.”  Koa nalaiko i Jazania zanak’i Jeremia, zanak’i Habazinia, mbamin’ny rahalahiny sy ny zanany rehetra, ary ny fianakaviamben’ny Rekabita manontolo,  ka nentiko tao an-tranon’i Jehovah, tao amin’ny efitra fisakafoan’ny+ taranak’i Hanana zanak’i Jigdalia, lehilahin’Andriamanitra. Teo akaikin’ny efitra fisakafoan’ireo andriana, izay tao ambonin’ny efitra fisakafoan’i Mahaseia zanak’i Saloma,+ mpiandry varavarana, no nisy an’ilay efitra.  Dia narosoko teo anoloan’ny taranak’i Rekaba ny kaopy feno divay mbamin’ny kaopy hafa, ka hoy aho: “Misotroa divay!”  Hoy anefa izy ireo: “Tsy hisotro divay izahay, satria i Jonadaba zanak’i Rekaba+ razambenay no efa nandidy anay hoe: ‘Aza misy misotro divay ianareo na ny taranakareo, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  Aza manao trano, na mamafy voa, na manao tanimboaloboka, ary aoka tsy hisy aminareo hanana izany. Fa tranolay kosa no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo, mba ho velona andro maro eo amin’ilay tany ivahinianareo ianareo.’+  Koa ankatoavinay foana izay rehetra nandidian’i+ Jonadaba zanak’i Rekaba razambenay, ka tsy misotro divay izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy,+ mandritra ny androm-piainanay.  Tsy manao trano hipetrahanay koa izahay, ary tsy manana tanimboaloboka na saha na voa afafy. 10  Mipetraka an-tranolay foana izahay, ary ankatoavinay sy arahinay daholo izay rehetra nandidian’i Jonadaba+ razambenay.+ 11  Fa rehefa niakatra i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona mba hanafika an’ilay tany,+ dia hoy izahay: ‘Andao hiditra ao Jerosalema ka honina ao.+ Manafika mantsy ny tafiky ny Kaldeanina sy ny tafiky ny Syrianina!’” 12  Ary tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah hoe: 13  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Mandehana lazao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema hoe: “Tsy efa nampirisihina foana hankatò ny teniko ve ianareo?”,+ hoy i Jehovah. 14  “Nandidy ny taranany i Jonadaba zanak’i Rekaba+ mba tsy hisotro divay, ary narahin’izy ireo izany ka tsy nisotro divay mihitsy izy ireo mandraka androany, satria nankatoaviny ilay didin’ny razambeny.+ Izaho koa anefa niteny taminareo, ka nifoha maraina mba hiteny taminareo,+ nefa tsy nankatoavinareo.+ 15  Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra.+ Nifoha maraina aho ka naniraka an’ireny hiteny hoe: ‘Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e,+ ka ahitsio ny fanaonareo,+ ary aza manaraka andriamani-kafa mba hanompo an’ireny.+ Ary aoka ianareo honina foana eo amin’ilay tany nomeko anareo sy ny razanareo.’+ Tsy nanongilan-tsofina nihaino ahy anefa ianareo.+ 16  Ny taranak’i Jonadaba zanak’i Rekaba+ anefa nankatò ny didin’ny razambeny,+ fa ity vahoaka ity kosa tsy mba mihaino ahy.”’”+ 17  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hataoko amin’ny Joda sy ny mponina rehetra eto Jerosalema ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy,+ satria efa niteny azy ireo aho nefa tsy nihaino izy ireo, ary niantso azy foana aho nefa tsy namaly izy ireo.’”+ 18  Ary hoy i Jeremia tamin’ny fianakaviamben’ny Rekabita: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Satria nankatoavinareo ny didin’i Jonadaba+ razambenareo, ka notandremanareo sy narahinareo foana izay rehetra nandidiany anareo,+ 19  dia izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hisy olona avy amin’ny taranak’i Jonadaba zanak’i Rekaba foana hitsangana+ eo anatrehako mandrakariva.”’”+

Fanamarihana