Jeremia 36:1-32

36  Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah izao teny izao:  “Makà horonam-boky,+ ka soraty ao ny teny+ rehetra nolazaiko taminao, dia ny teny nanamelohako ny Israely sy ny Joda+ ary ny firenena rehetra,+ nanomboka tamin’ny andro nitenenako taminao, izany hoe tamin’ny andron’i Josia, ka mandraka androany.+  Angamba hohenoin’ny taranak’i Joda ihany ny loza rehetra eritreretiko hatao aminy.+ Amin’izay dia hiala amin’ny lalan-dratsiny ny tsirairay,+ ka havelako ny fahadisoany sy ny fahotany.”+  Dia nantsoin’i Jeremia i Baroka+ zanak’i Neria mba hanoratra ny teny rehetra nolazain’i Jehovah taminy, ka i Jeremia no nanonona ny teny hosoratan’i Baroka tao amin’ilay horonam-boky.+  Ary hoy i Jeremia tamin’i Baroka: “Tsy afaka mankany an-tranon’i Jehovah aho, fa voahidy atỳ.+  Fa ianao kosa mankanesa ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro fifadian-kanina, ka vakio mafy+ amin’ny olona ao ny tenin’i Jehovah,+ izay notononiko hosoratanao tao amin’ilay horonam-boky. Vakio mafy amin’ny olona rehetra, izay tonga avy any amin’ireo tanànan’i Joda, koa izany.+  Angamba ho ren’i Jehovah ny fitalahoan’izy ireo famindram-po,+ ary samy hiala amin’ny lalan-dratsiny avy izy ireo.+ Nilaza mantsy i Jehovah fa tezitra be sy vinitra mafy amin’ity vahoaka ity izy.”+  Nanao izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany i Baroka+ zanak’i Neria, ka novakiny mafy tao an-tranon’i Jehovah+ ny tenin’i Jehovah tao amin’ilay boky.+  Tamin’ny volana fahasivy,+ tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia nanao antso avo ny olona rehetra teto Jerosalema fa hifady hanina eo anatrehan’i Jehovah,+ ary tsy izy ireo ihany fa ny olona rehetra avy any amin’ny tanànan’i Joda, izay tonga teto Jerosalema koa. 10  Dia novakin’i Baroka tamin’ny olona rehetra ny tenin’i Jeremia tao amin’ilay boky. Novakiny mafy tao an-tranon’i Jehovah izany, tao amin’ny efitra fisakafoan’i+ Gemaria+ zanak’i Safana+ mpanao dika soratra,+ tao amin’ny tokotany ambony, teo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady vaovao tamin’ny tranon’i Jehovah.+ 11  Ren’i Mikaia zanak’i Gemaria, zanak’i Safana,+ ny tenin’i Jehovah rehetra tao amin’ilay boky. 12  Koa nidina nankao an-tranon’ny mpanjaka izy, tao amin’ny efitra fisakafoan’ny mpitan-tsoratra, ary hitany nipetraka tao daholo ny andriana rehetra, dia i Elisama+ mpitan-tsoratra, Delaia+ zanak’i Semaia, Elnatana+ zanak’i Akbora,+ Gemaria+ zanak’i Safana,+ Zedekia zanak’i Hanania, ary ny andriana hafa rehetra. 13  Dia nolazain’i Mikaia+ tamin’izy ireo ny teny rehetra reny novakin’i Baroka avy tao amin’ilay boky, izany hoe ny teny novakiny tamin’ny olona.+ 14  Koa nirahin’ny andriana rehetra ho any amin’i Baroka+ i Jehody+ zanak’i Netania, zanak’i Selemia, zanak’i Kosy, mba hilaza hoe: “Alaivo ilay horonam-boky novakinao mafy tamin’ny olona, ka ento atỳ.” Dia nalain’i Baroka zanak’i Neria ilay horonam-boky, ka nentiny tany amin’izy ireo.+ 15  Ary hoy izy ireo tamin’i Baroka:+ “Mipetraha, azafady, ary vakio mafy ilay izy ho renay.” Dia novakiny mafy tamin’ireo ilay izy. 16  Raha vao ren’izy ireo izany teny rehetra izany, dia nifampijerijery izy ireo sady natahotra, ka nilaza tamin’i Baroka hoe: “Tsy maintsy lazainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany.”+ 17  Ary nanontany an’i Baroka izy ireo hoe: “Mba lazao aminay, azafady, hoe ahoana sy ahoana no nanoratanao an’izany teny rehetra notononiny izany?”+ 18  Dia hoy i Baroka: “Izy no nanonona tamiko izany teny rehetra izany, ary izaho kosa nanoratra izany tamin’ny ranomainty,+ tao amin’io boky io.” 19  Koa hoy ireo andriana tamin’i Baroka: “Mandehana miafina ianareo sy Jeremia, ary aza atao misy mahalala mihitsy izay misy anareo.”+ 20  Dia nankany amin’ny mpanjaka tao an-tokotany+ ireo andriana, fa ilay horonam-boky kosa navelany tao amin’ny efitra fisakafoan’i+ Elisama+ mpitan-tsoratra. Ary nolazain’izy ireo tamin’ny mpanjaka ny teny rehetra. 21  Koa nirahin’ny mpanjaka i Jehody+ mba haka an’ilay horonam-boky. Dia nalain’i Jehody tao amin’ny efitra fisakafoan’i Elisama+ mpitan-tsoratra+ ilay izy, ka novakiny mafy tamin’ny mpanjaka sy ny andriana rehetra nitsangana teo akaikin’ny mpanjaka. 22  Volana fahasivy+ tamin’izay, ka nipetraka tao amin’ny trano ririnina+ ny mpanjaka, ary nisy fatana+ nirehitra teo anoloany. 23  Raha vao nahavaky tsanganan-tsoratra telo na efatra i Jehody, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsin’ny mpitan-tsoratra ilay izy, ka natsipiny tao anaty afo tao am-patana. Koa nodorany tao am-patana daholo ilay horonam-boky tamin’ny farany.+ 24  Tsy mba natahotra+ anefa ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra, rehefa nandre izany teny rehetra izany. Tsy nandrovitra ny akanjony koa izy ireo.+ 25  Na dia niangavian’i Elnatana+ sy Delaia+ ary Gemaria+ aza ny mpanjaka mba tsy handoro an’ilay horonam-boky, dia tsy nohenoiny ireo.+ 26  Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Jeramela zanaky ny mpanjaka sy Seraia zanak’i Azriela ary Selemia zanak’i Abdela, mba hisambotra an’i Baroka mpitan-tsoratra sy Jeremia mpaminany.+ Nafenin’i Jehovah+ anefa izy roa lahy. 27  Rehefa avy nodoran’ny mpanjaka ilay horonam-boky nosoratan’i Baroka,+ izay nisy ny teny notononin’i Jeremia,+ dia tonga tamin’i Jeremia indray ny tenin’i Jehovah hoe: 28  “Makà indray horonam-boky hafa, ary soraty ao daholo ny teny tao amin’ilay horonam-boky voalohany, izay nodoran’i Joiakima mpanjakan’ny Joda.+ 29  Ary izao no teny hanamelohanao an’i Joiakima mpanjakan’ny Joda: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Efa nodoranao ilay horonam-boky+ teo, ary hoy ianao: ‘Nahoana ianao no nanoratra tao amin’iny+ hoe: “Tsy maintsy ho avy handrava an’ity tany ity ny mpanjakan’i Babylona, ka haringany daholo na olona na biby”?’+ 30  Koa izao no nolazain’i Jehovah ho fanamelohana an’i Joiakima mpanjakan’ny Joda: ‘Tsy hisy amin’ny taranany hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,+ ary ny fatiny hatsipy+ ho main’ny hainandro amin’ny antoandro ary hirotsahan’ny fanala amin’ny alina. 31  Hataoko ampamoaka noho ny fahadisoany+ izy+ sy ny taranany ary ny mpanompony. Ary hataoko tonga amin’izy ireo sy amin’ny mponin’i Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy+ nefa tsy nohenoiny.’”’”+ 32  Dia naka horonam-boky hafa i Jeremia, ka natolony an’i Baroka mpitan-tsoratra, zanak’i Neria.+ Koa nosoratan’i Baroka tao ny teny rehetra notononin’i+ Jeremia, araka izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i+ Joiakima mpanjakan’ny Joda, ary mbola nisy teny maro hafa sahala amin’ireo koa natao fanampiny.

Fanamarihana