Jeremia 37:1-21

37  Nanjaka nandimby an’i Konia+ zanak’i Joiakima+ i Zedekia+ Mpanjaka zanak’i Josia,+ izay notendren’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona ho mpanjaka tao Joda.+  Tsy nihaino ny tenin’i Jehovah+ nambaran’i Jeremia mpaminany+ anefa i Zedekia sy ny mpanompony ary ny vahoaka.  Nirahin’i Zedekia Mpanjaka ho any amin’i Jeremia mpaminany i Jehokala+ zanak’i Selemia sy Zefania+ zanak’i Mahaseia+ mpisorona, mba hilaza hoe: “Mba mivavaha re amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay e!”+  Afaka nivezivezy teo amin’ny vahoaka i Jeremia tamin’izay,+ satria mbola tsy natao am-ponja.  Ary nisy tafik’i Farao nivoaka avy any Ejipta.+ Ren’ireo Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema izany, ka niala tsy nanafika an’i Jerosalema indray izy ireo.+  Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Jehovah hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izao no holazainareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany ahy:+ “Hiverina any amin’ny taniny, any Ejipta, ny tafik’i Farao izay nivoaka hanampy anareo.+  Dia hiverina eto indray ny Kaldeanina ka hanafika an’ity tanàna ity sy hamabo azy ary handoro azy.”+  Izao no nolazain’i Jehovah: “Aza mamita-tena+ ka miteny hoe: ‘Tsy maintsy hiala ny Kaldeanina ka tsy hiady amintsika intsony.’ Tsy hiala eo aminareo mantsy izy ireo. 10  Fa na dia hasianareo aza ny miaramila rehetran’ny Kaldeanina miady aminareo,+ ka lehilahy voatrobaka+ sisa no tavela, dia samy hitsangana avy ao amin’ny tranolainy ireny ka handoro an’ity tanàna ity.”’” 11  Rehefa niala ny tafiky ny Kaldeanina ka tsy nanafika an’i Jerosalema indray,+ satria efa an-dalana ny tafik’i Farao,+ 12  dia niainga avy any Jerosalema i Jeremia mba hankany amin’ny tanin’i Benjamina+ sy haka ny anjarany avy tamin’ny olona. 13  Kanjo rehefa tonga teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina+ izy, dia tojo an’ilay manamboninahitra mpiambina vavahady. Jiria no anaran’izy io, ary zanak’i Selemia zanak’i Hanania izy. Nosamboriny avy hatrany i Jeremia mpaminany, ka nataony hoe: “Handeha hitolo-batana amin’ny Kaldeanina ianao io!” 14  Fa hoy i Jeremia: “Tsy marina izany!+ Tsy hitolo-batana amin’ny Kaldeanina aho.” Tsy nihaino azy anefa i Jiria. Koa nosamboriny i Jeremia ary nentiny tany amin’ireo andriana. 15  Koa tezitra tamin’i Jeremia ireo andriana+ ka nikapoka azy+ ary nanao azy tao amin’ny trano figadrana,+ dia tao an-tranon’i Jonatana+ mpitan-tsoratra, satria tao no natao fonja.+ 16  Koa rehefa naiditra tao amin’ilay trano nisy lavaka fanangonan-drano+ sy tao amin’ny efitra figadrana i Jeremia, dia nijanona tao andro maro. 17  Naniraka olona haka an’i Jeremia i Zedekia Mpanjaka. Ary nentin’ny mpanjaka tao amin’ny toerana miafina tao an-tranony izy,+ ka nanontaniany hoe: “Misy teny avy amin’i Jehovah ve?” Dia hoy i Jeremia: “Misy tokoa!” Hoy koa izy: “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ianao!”+ 18  Hoy i Jeremia tamin’i Zedekia Mpanjaka, avy eo: “Fa dia inona loatra no fahotana vitako taminao sy tamin’ny mpanomponao ary tamin’ity firenena ity+ no ataonareo am-ponja aho? 19  Aiza izao ireo mpaminaninareo izay nilaza taminareo hoe: ‘Tsy ho avy hamely anareo sy ity tany ity ny mpanjakan’i Babylona’?+ 20  Mba henoy re aho, ry mpanjaka tompoko ô! Aoka re mba hohenoinao ny fitalahoako+ e! Aza averina ao an-tranon’i Jonatana+ mpitan-tsoratra intsony aho, sao maty ao!”+ 21  Koa nanome baiko i Zedekia Mpanjaka ka nohazonina tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia. Ary nomena mofo iray isan’andro, avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo,+ izy mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.+ Dia nijanona tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina i Jeremia.+

Fanamarihana