Jeremia 39:1-18

39  Tamin’ny volana fahafolo,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia mpanjakan’ny Joda, dia tonga mba hanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo.+  Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna+ tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia.  Koa niditra daholo ny andrianan’ny mpanjakan’i Babylona ka nipetraka teo amin’ny Vavahady Afovoany.+ Ireto avy izy ireo: Nergala-sarezera, Samgara-nebo, Sarsekima, Rabsarisa, Nergala-sarezera Rabmagy, ary ny sisa rehetra tamin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona.  Raha vao nahita an’ireo i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra+ ka niala tao an-tanàna raha mbola alina ny andro. Tany amin’ny zaridainan’ny mpanjaka+ ny lalan’izy ireo, teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona. Ary nivoaka nankany amin’ny lalana ho any Araba+ izy ireo.  Nenjehin’ny andia-miaramila kaldeanina anefa izy ireo.+ Koa tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko i Zedekia,+ dia nosamboriny ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata,+ mba hisy didim-pitsarana havoakany momba azy.+  Novonoin’ny+ mpanjakan’i Babylona tao Ribla teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy.+ Novonoiny koa ny olona ambony rehetra tao Joda.+  Dia nopotsiriny ny mason’i Zedekia.+ Ary nafatony tamin’ny gadra varahina izy mba hoentina any Babylona.  Nodoran’ny Kaldeanina ny tranon’ny mpanjaka sy ny tranon’ny vahoaka,+ ary narodany ny mandan’i Jerosalema.+  Dia nentin’i Nebozaradana+ ho any an-tsesitany any Babylona+ ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana taminy, ary ny vahoaka sisa tavela. Lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka+ io Nebozaradana io. 10  Fa navelan’i Nebozaradana hijanona tao Joda kosa ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga+ tsy nanana na inona na inona. Dia nomeny tanimboaloboka sy nampanaovina asa an-terivozona ireny, tamin’izany andro izany.+ 11  Ary nanome baiko momba an’i Jeremia i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona, ka hoy izy tamin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro azy: 12  “Alaivo izy, ary tsinjovy izay hahasoa azy. Aza manisy ratsy azy mihitsy,+ fa ataovy izay angatahiny aminao.”+ 13  Koa nandefa iraka i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, sy Nebosazbana Rabsarisa, sy Nergala-sarezera Rabmagy, ary ny manamboninahitra rehetran’ny mpanjakan’i Babylona. 14  Nandefa iraka haka an’i Jeremia tany amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ izy ireo. Dia natolony an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana,+ izy mba hoentiny any an-tranony. Koa nonina teo amin’ny vahoaka i Jeremia. 15  Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, tamin’izy mbola nohidiana tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina,+ nanao hoe: 16  “Mandehana lazao amin’i Ebeda-meleka+ Etiopianina hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Hotanterahiko ny teniko momba an’ity tanàna ity, dia ny hahatonga loza aminy fa tsy soa.+ Ary hanatri-maso izany ianao amin’izany andro izany.”’+ 17  “‘Hanafaka anao aho amin’izany andro izany’,+ hoy i Jehovah, ‘ary tsy hatolotra eo an-tanan’ireo olona atahoranao ianao.’+ 18  “‘Fa hataoko afa-mandositra ianao, ka tsy ho lavon-tsabatra. Ary ny ainao no ho babonao,+ satria natoky ahy ianao’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana