Jeremia 4:1-31

4  “Raha hiverina ianao, ry Israely ô”, hoy i Jehovah, “dia miverena amiko.+ Ary raha harianao tsy ho eo anatrehako ireo zava-maharikoriko+ notompoinao, dia tsy ho lasa mpirenireny ianao.  Raha hianiana+ ianao hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah ka mampihatra ny fahamarinana+ sy ny rariny ary ny hitsiny!’,+ dia amin’ny alalany no hahazoan’ireo firenena fitahiana, ary Izy no ho reharehan’ireny.”+  Fa izao no lazain’i Jehovah amin’izay ao Joda sy Jerosalema: “Tany azo volena no asao fa aza mamafy voa eny amin’ny tsilo.+  Aoka hoforana ianareo mba hadio eo anatrehan’i Jehovah, eny, forao ny fonareo,+ ry olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema, sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako ka hiredareda nefa tsy hisy hamono. Ratsy mantsy ny nataonareo.”+  Lazao any Joda izany, ary torio ao Jerosalema,+ eny, ambarao, ka tsofy eran’ilay tany ny anjombona.+ Manaova antso avo hoe: “Mivoria, ary andao hitsofohantsika ireo tanàna misy manda.+  Manangàna tsato-kazo famantarana tandrifin’i Ziona. Mitadiava fialofana. Aza mijanona eo fotsiny.” Fa hahatonga loza avy any avaratra aho,+ dia fandravana be.  Niakatra toy ny liona avy tao anaty kirihitra izy,+ ary efa an-dalana ilay handrava an’ireo firenena.+ Nivoaka avy tao amin’izay nisy azy izy mba hahatonga ny taninao higagan’ny olona. Ho rava ny tanànanao ka tsy hisy mponina.+  Koa aoka ianareo hisikina lamba gony+ sy hikapo-tratra ary hidradradradra,+ satria mbola tezitra mafy amintsika foana i Jehovah.+  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia ho reraka ny fon’ny mpanjaka+ sy ny andriana. Ho gaga+ ny mpisorona ary ho zendana ny mpaminany.” 10  Ary hoy aho: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tena namitaka tanteraka an’ity vahoaka ity+ sy Jerosalema ianao rehefa nilaza hoe: ‘Hiadana ianareo’,+ nefa mandrahona ny ainay* ny sabatra.” 11  Izao no holazaina amin’ity vahoaka ity sy Jerosalema, amin’izany andro izany: “Rivotra mahamay avy any amin’ny lala-masaka any an-tany efitra+ no mitsoka mankamin’ny oloko zanakavavy.+ Tsy rivotra azo ikororohana vary na anadiovana anefa izany. 12  Tonga hatratỳ amiko koa ny rivotra mifofofofo avy any amin’ireny lalana ireny. Izao aho dia hanambara amin’izy ireo ny didim-pitsarana.+ 13  Hiakatra toy ny rahona ny fahavalo, ary toy ny tafio-drivotra ireo kalesiny.+ Haingam-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny.+ Idiran-doza isika fa voaroba! 14  Sasao ny fonao mba tsy hisy faharatsiana intsony, ry Jerosalema ô, mba ho voavonjy ianao.+ Mandra-pahoviana ianao no mbola hifikitra amin’ny hevi-diso?+ 15  Fa misy feo mandeha avy any Dana,+ ary zava-doza no ambara avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ 16  Ampandreneso an’ireo firenena izany. Ambarao izany loza hanjo an’i Jerosalema izany.” “Hisy mpitily ho tonga avy any an-tany lavitra.+ Hihorakoraka hamely ny tanànan’i Joda ireny. 17  Manodidina an’i Jerosalema toy ny mpiandry saha ireny mba hanafika azy,+ satria nikomy tamiko izy”,+ hoy i Jehovah. 18  “Hivaly aminao ny fitondran-tenanao sy ny fanaonao.+ Izany no loza hanjo anao, satria mangidy izany zavatra izany. Efa hatrany am-ponao mihitsy mantsy ny fikomianao.” 19  Mangotikotika ny tsinaiko, mangotikotika ny tsinaiko! Mijaly mafy ny foko ka mila ho vaky.+ Midobodoboka ny foko ato anatiko.+ Tsy afaka ny hangina aho satria feon’anjombona no reko, eny, fanairana rehefa misy ady.+ 20  Fandravana misesisesy no atao antso avo, satria voaroba daholo ny tao amin’ilay tany.+ Voaroba tampoka ny tranolaiko,+ eny, voaroba tao anatin’ny indray mipy maso. 21  Mandra-pahoviana no mbola hahitako ilay tsato-kazo famantarana, sy handrenesako ilay feon’anjombona?+ 22  Fa adala+ ny oloko. Tsy miraharaha ahy izy.+ Zanaka maditra sy tsisy saina izy.+ Raha hanao ratsy dia hendry izy, fa raha ny hanao ny tsara kosa tsy hainy.+ 23  Nijery ilay tany aho ka io fa foana sy lao izy.+ Nijery ny lanitra aho, ary hitako fa tsy nisy hazavana intsony teny.+ 24  Nijery ny tendrombohitra aho, ary indreo fa nihovotrovotra izy. Nihozongozona daholo koa ny havoana.+ 25  Nijery aho ka hitako fa tsy nisy olona intsony, ary efa lasa nandositra daholo ny voro-manidina.+ 26  Nijery aho ka hitako fa lasa tany efitra ny saham-boankazo, ary efa rava daholo ny tanànany.+ I Jehovah no nahatonga izany, satria tezitra mafy izy. 27  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Ho lao ilay tany manontolo,+ ka tsy horinganiko tanteraka+ ve? 28  Koa hisaona ilay tany,+ ary ho maizina ny lanitra ambony,+ satria efa niteny aho ary efa nandinika, ka tsy hanenina na hiova hevitra.+ 29  Nandositra daholo ny tao an-tanàna+ rehefa nandre ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa zana-tsipìka. Nitsofoka tany anaty kirihitra izy ireo, ary nianika harambato.+ Nilaozan’ny olona ny tanàna rehetra ka tsy misy mponina intsony.” 30  Voaroba ianao izao ka inona no hataonao? Efa zatra nitafy ravin-damba mena midorehitra mantsy ianao, ary efa zatra niravaka volamena sy nanao manjamaso mainty+ mba ho lehibe kokoa no fahitana ny masonao. Very maina fotsiny ny nanaovana izay hahatsara tarehy anao.+ Efa narian’ireo lehilahy te hanao firaisana aminao ianao. Mifofo ny ainao izy ireo.+ 31  Fa feo toy ny feom-behivavy marary no reko, toy ny fitarainan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany,+ dia ny feon’i Ziona zanakavavy misefosefo. Mamelatra ny tanany+ izy, ka manao hoe: “Idiran-doza aho ity, fa reraka aho noho ny ataon’ny mpamono olona!”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.