Jeremia 40:1-16

40  Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, taorian’ny nandefasan’i Nebozaradana+ azy niala tao Rama.+ Io ilay Nebozaradana lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka. Nalainy avy teo amin’ny babo rehetra i Jeremia, raha mbola nifatotra gadra vy ny tanany. Efa nentina avy teto Jerosalema sy Joda mba hatao sesitany any Babylona ireo babo ireo, tamin’izay.+  Nalain’io lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka io i Jeremia, ka nataony hoe: “I Jehovah Andriamanitrao mihitsy no nilaza fa hahatonga izao loza izao amin’ity toerana ity.+  Koa notanterahin’i Jehovah tokoa izany loza izany, ka nanao araka izay efa nolazainy izy. Nanota tamin’i Jehovah mantsy ianareo, ary tsy nankatò ny teniny, ka izao no manjo anareo.+  Efa novahako anefa izao ny gadra vy tamin’ny tananao. Koa raha tianao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, fa hitsinjo anao aho.+ Fa raha tsy tianao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany. Eo anoloanao ny tany manontolo, ka mandehana any amin’izay rehetra tianao haleha sy mahafinaritra anao.”+  Ary raha mbola nisalasala teo i Jeremia, hoe hiverina sa tsia, dia hoy i Nebozaradana: “Miverena any amin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana.+ Notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra an’ireo tanànan’i Joda izy. Ary aoka ianao hiara-monina aminy, eo amin’ny vahoaka. Na mandehana any amin’izay rehetra tianao haleha.”+ Dia nanome azy anjara sakafo sy fanomezana ilay lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ary namela azy handeha.+  Koa nankany amin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama tokoa i Jeremia, ka niara-nonina taminy tany Mizpa,+ teo amin’ny vahoaka sisa tavela tao amin’ilay tany.  Tatỳ aoriana, dia ren’ny lehiben’ny tafika rehetra mbamin’ny miaramilany, izay tany ambanivohitra,+ fa notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra ilay tany i Gedalia zanak’i Ahikama, sady notendreny hiandraikitra an’ireo lehilahy sy vehivavy sy ankizy madinika ary ny olona sasany ambany saranga teo amin’ny vahoaka,* izay tsy natao sesitany tany Babylona.+  Koa nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo, dia i Ismaela+ zanak’i Netania, Johanana+ sy Jonatana zanak’i Karea, sy Seraia zanak’i Tanometa, ireo zanak’i Efay Netofatita,+ ary Jazania+ zanak’ilay Makatita,+ niaraka tamin’ny miaramilany avy.+  Dia nianiana+ tamin’izy ireo sy ny miaramilany i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana+ hoe: “Aza matahotra hanompo ny Kaldeanina. Mijanòna eto amin’ity tany ity ary manompoa ny mpanjakan’i Babylona, dia hahita soa ianareo.+ 10  Raha ny amiko indray, dia mipetraka eto Mizpa aho+ mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Kaldeanina izay ho avy eto amintsika. Fa ianareo kosa, manangòna divay+ sy voankazo masaka fahavaratra ary menaka. Dia ataovy ao anatin’ny fitaovana fasianareo azy izany. Ary mipetraha ao amin’ireo tanàna nalainareo ho anareo.” 11  Ren’ny Jiosy rehetra tany Moaba sy teo amin’ny taranak’i Amona sy tany Edoma ary tany amin’ny tany hafa rehetra+ fa nisy olona navelan’ny mpanjakan’i Babylona tao Joda. Ren’izy ireo koa fa nanendry an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama, zanak’i Safana izy hiandraikitra an’ireo. 12  Dia nanomboka niverina avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahana azy ny Jiosy rehetra. Tonga tsikelikely tao Joda, tao amin’i Gedalia tany Mizpa,+ izy ireo, ka nanangona divay sy voankazo masaka fahavaratra be dia be. 13  Nankany amin’i Gedalia tany Mizpa i Johanana+ zanak’i Karea+ sy ny lehiben’ny tafika rehetra, izay tany ambanivohitra.+ 14  Dia hoy ireo taminy: “Tena tsy fantatrao mihitsy ve fa nirahin’i Balisa mpanjakan’ny taranak’i Amona+ mba hamono hahafaty anao i Ismaela+ zanak’i Netania?”+ Tsy nino azy ireo anefa i Gedalia zanak’i Ahikama.+ 15  Hoy koa i Johanana+ zanak’i Karea tamin’i Gedalia, tao amin’ny toerana miafina tany Mizpa: “Avelao aho handeha hamono an’i Ismaela zanak’i Netania, fa tsy hisy olona hahalala mihitsy.+ Nahoana izy no havela hamono anao ho faty? Nahoana no hiparitaka ny mponin’i Joda rehetra izay efa nangonina eto aminao? Ary nahoana no ho ripaka ireo sisa tavela amin’ny Joda?”+ 16  Hoy anefa i Gedalia+ zanak’i Ahikama+ tamin’i Johanana zanak’i Karea: “Aza manao an’izany, fa tsy marina izany zavatra lazainao momba an’i Ismaela izany.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “olon’ny tany.”