Jeremia 41:1-18

  • Novonoin’i Ismaela i Gedalia (1-10)

  • Tafatsoaka an’i Johanana i Ismaela (11-18)

41  Tamin’ny volana fahafito dia tonga tany Mizpa,+ tany amin’i Gedalia zanak’i Ahikama, i Ismaela+ zanak’i Netania zanak’i Elisama, ary nisy folo lahy niaraka taminy. Taranaka mpanjaka* i Ismaela sady anisan’ny manamboninahitry ny mpanjaka. Raha mbola teo am-pisakafoana tany Mizpa izy ireo, 2  dia nitsangana i Ismaela zanak’i Netania sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka nasian’izy ireo tamin’ny sabatra i Gedalia zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Koa novonoin’i Ismaela ilay olona notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra an’ilay tany. 3  Novonoiny daholo koa ireo Jiosy niaraka tamin’i Gedalia tany Mizpa, sy ireo miaramila kaldeanina tany. 4  Ny ampitson’ny namonoana an’i Gedalia, raha mbola tsy nisy nahalala mihitsy izany, 5  dia nisy 80 lahy tonga avy any Sekema+ sy Silo+ ary Samaria.+ Efa nesorin’izy ireo ny volombavany, norovitiny ny akanjony, ary nodidididiany ny vatany.+ Nivimbina fanatitra varimbazaha sy ditin-kazo manitra+ izy ireo mba hoentiny ao an-tranon’i Jehovah. 6  Koa nivoaka avy tao Mizpa i Ismaela zanak’i Netania mba hitsena azy ireo, ka sady nitomany izy no nandeha. Rehefa nihaona tamin’izy ireo izy, dia niteny hoe: “Andao ho any amin’i Gedalia zanak’i Ahikama.” 7  Novonoin’i Ismaela zanak’i Netania sy ireo lehilahy niaraka taminy anefa izy ireo rehefa tonga tao an-tanàna. Dia natsipiny tao anaty lavaka fanangonan-drano ny fatin’izy ireo. 8  Nisy folo lahy tamin’izy ireo anefa niteny tamin’i Ismaela hoe: “Aza vonoina izahay, fa izahay manana tahirina varimbazaha sy vary orza sy menaka ary tantely nafeninay any an-tsaha.” Koa tsy novonoiny niaraka tamin’ireo rahalahiny izy ireo. 9  Dia natsipin’i Ismaela tao amin’ny lavaka fanangonan-drano iray lehibe ny fatin’ireo lehilahy rehetra novonoiny. I Asa Mpanjaka no nanao azy io tamin’izy norahonan’i Basa mpanjakan’ny Israely.+ Io ilay lavaka nofenoin’i Ismaela, zanak’i Netania, faty. 10  Dia nentin’i Ismaela ho babo ny vahoaka sisa rehetra tany Mizpa,+ anisan’izany ireo zanakavavin’ny mpanjaka sy ny olona rehetra tavela tany Mizpa, izay nankinin’i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama. Nentin’i Ismaela zanak’i Netania ho babo izy ireo, ary nentiny nankany amin’ny Amonita.+ 11  Henon’i Johanana+ zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaela zanak’i Netania. 12  Nangonin’izy ireo àry ny miaramila rehetra, dia niainga izy ireo mba hiady tamin’i Ismaela zanak’i Netania. Ary nahita azy teo akaikin’ny rano be* tao Gibeona izy ireo. 13  Faly ny olona rehetra nentin’i Ismaela, rehefa nahita an’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy. 14  Dia niverin-dalana ny olona rehetra nalain’i Ismaela ho babo avy tany Mizpa,+ ka niaraka tamin’i Johanana zanak’i Karea. 15  Fa i Ismaela zanak’i Netania sy ny lehilahy valo niaraka taminy kosa tafatsoaka an’i Johanana, ka nankany amin’ny Amonita. 16  Nalain’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ny vahoaka sisa rehetra avy tany Mizpa, izay nafahany avy teo an-tanan’i Ismaela zanak’i Netania, taorian’ny namonoan’i Ismaela an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama. Nentiny niverina niaraka tamin’izy ireo avy tany Gibeona, na lehilahy, na miaramila, na vehivavy, na ankizy, na tandapa. 17  Dia nandeha izy ireo ka nijanona teo amin’ny toeram-pilasian’i Kimama, teo akaikin’i Betlehema.+ Nieritreritra ny ho any Ejipta izy ireo,+ 18  noho ny amin’ny Kaldeanina. Natahotra an’ireo Kaldeanina mantsy izy ireo, satria novonoin’i Ismaela zanak’i Netania i Gedalia zanak’i Ahikama, ilay notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra an’ilay tany.+

Fanamarihana

Abt: “Voan’ilay fanjakana.”
Na mety hoe “dobo lehibe.”