Jeremia 42:1-22

42  Nanatona an’i Jeremia ny lehiben’ny tafika rehetra, sy Johanana+ zanak’i Karea, sy Jazania+ zanak’i Hosaia,+ ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.  Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia mpaminany: “Mba henoy re ny fitalahoanay e! Koa mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitrao+ ho anay sisa rehetra eto, satria na maro aza izahay taloha dia vitsy sisa,+ araka izao hitanao izao.  Ary i Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay!”+  Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’ireo: “Eny àry fa efa re izay! Hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitrareo aho araka izany teninareo izany.+ Ary holazaiko aminareo daholo izay teny havalin’i Jehovah anareo.+ Tsy hisy teny hafeniko aminareo, na iray aza.”+  Ary namaly an’i Jeremia ireo hoe: “Aoka i Jehovah no ho vavolombelona marina sy mendri-pitokisana hiampanga anay,+ raha tsy arahinay an-tsakany sy an-davany ny teny rehetra asain’i Jehovah Andriamanitrao holazainao aminay.+  Naniraka anao ho any amin’i Jehovah Andriamanitsika izahay, ka hankatoavinay ny teniny, na soa izany na ratsy. Amin’izay, dia hahita soa izahay satria mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitsika.”+  Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah,+ rehefa afaka folo andro.  Koa nantsoin’i Jeremia i Johanana zanak’i Karea, sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Naniraka ahy ianareo mba hitalaho amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho anareo,+ ka izao no nolazainy: 10  ‘Raha hijanona eto amin’ity tany ity tokoa ianareo,+ dia haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.+ Fa hanenenako ny loza efa nataoko taminareo.+ 11  Aza atahorana ny mpanjakan’i Babylona, izay maharaiki-tahotra anareo.’+ “‘Aza matahotra azy’,+ hoy i Jehovah, ‘fa momba anareo aho, mba hamonjy sy hanafaka anareo tsy ho azon’ny tanany.+ 12  Hataoko izay hamindrany fo aminareo, ka hamindra fo aminareo tokoa izy, dia hampody anareo eto amin’ny taninareo.+ 13  “‘Fa raha hoy kosa ianareo: “Tsia! Tsy hijanona eto amin’ity tany ity izahay!”, ka tsy mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,+ 14  fa manao hoe: “Tsia! Ho any Ejipta ihany izahay,+ fa tsy hahita ady izahay rehefa any sady tsy handre feon’anjombona, ary tsy ho ory sakafo. Koa any izahay no hipetraka.”+ 15  Henoy àry ankehitriny ny tenin’i Jehovah, ry sisa tavela amin’ny Joda! Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Raha mbola mikiry ho any Ejipta ihany ianareo, ka hipetraka any,+ 16  dia hahatratra anareo any Ejipta ny sabatra izay maharaiki-tahotra anareo,+ ary hanaraka akaiky anareo any ny mosary izay atahoranareo,+ ka any no hahafatesanareo.+ 17  Koa izay rehetra mikiry ho any Ejipta mba hipetraka any no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+ Tsy hisy hiangana izy ireo ary tsy hisy ho afa-mandositra, satria hahatonga loza amin’izy ireo aho.”’+ 18  “Fa hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Toy ny nanamparako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema,+ no hanamparako ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo. Ho olom-boaozona sy higagan’ny olona ianareo ary ho voaozona sy holatsaina.+ Tsy hahita ity toerana ity intsony koa ianareo.’+ 19  “Efa nanameloka anareo i Jehovah, ry sisa tavela amin’ny Joda! Aza mankany Ejipta.+ Fantaro tsara fa mijoro ho vavolombelona hiampanga anareo aho androany,+ 20  ary nanao fahadisoana tamin’ny tenanareo ihany ianareo,+ satria ianareo ihany no naniraka ahy ho any amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ka nilaza hoe: ‘Mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay. Ary lazao aminay izay rehetra ambaran’i Jehovah Andriamanitsika, fa izany tokoa no hataonay.’+ 21  Efa nilaza taminareo aho androany, nefa tsy hankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo mihitsy ianareo na hanao izay nasainy nolazaiko taminareo.+ 22  Koa fantaro tsara ankehitriny fa ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, any amin’ilay toerana tianareo honenana.”+

Fanamarihana