Jeremia 43:1-13

43  Raha vao tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka manontolo ny tenin’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo, izay nasain’i Jehovah Andriamanitra nolazainy tamin’izy ireo,+  dia niteny tamin’i Jeremia i Azaria zanak’i Hosaia+ sy Johanana+ zanak’i Karea ary ny lehilahy be di-doha+ rehetra hoe: “Mandainga ianao,+ fa tsy naniraka anao hilaza aminay i Jehovah Andriamanitsika hoe: ‘Aza mandeha mivahiny any Ejipta.’+  I Baroka+ zanak’i Neria no nanome saina anao mba hahavoa anay. Amin’izay mantsy dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izahay ka ho faty, na hatao sesitany any Babylona.”+  Tsy nankatò ny tenin’i Jehovah+ i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra ary ny vahoaka manontolo, ka tsy nijanona tao Joda.+  Koa nentin’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra ny vahoaka sisa rehetra tamin’ny Joda, izay niverina avy tany amin’ny firenena rehetra nanaparitahana azy mba honina kelikely tao Joda,+  izany hoe ireo lehilahy tomady sy ny vadin’izy ireo sy ny ankizy madinika sy ireo zanakavavin’ny mpanjaka+ ary ny olona* rehetra navelan’i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, hijanona niaraka tamin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana.+ Nentin’izy ireo koa i Jeremia mpaminany sy Baroka+ zanak’i Neria.  Tsy nankatoavin’izy ireo ny tenin’i Jehovah ka nankany Ejipta+ izy ireo tamin’ny farany, ary tonga hatrany Tapanesa+ mihitsy.  Dia tonga tamin’i Jeremia tany Tapanesa ny tenin’i Jehovah hoe:  “Makà vato lehibe vitsivitsy ka afeno ao anaty rihitra, eo amin’ilay tokotany biriky, eo amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Farao any Tapanesa. Ataovy eo imason’ny Jiosy izany,+ 10  ary lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Handefa iraka aho haka an’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona+ sady mpanompoko.+ Ary hapetrako eo ambonin’ireo vato nafeniko ireo ny seza fiandrianany. Hovelariny eo ambonin’ireo koa ny tranolainy tsara tarehy. 11  Dia ho avy hamely an’i Ejipta izy,+ ka ho tratran’ny loza mahafaty izay natao ho tratran’ny loza mahafaty! Ho any amin’ny fahababoana, ireo natao ho amin’ny fahababoana! Ary ho fatin-tsabatra kosa izay natao ho fatin-tsabatra!+ 12  Handrehitra afo handoroana ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta aho.+ Dia hodorany tokoa ireny ary hobaboiny. Hitafy an’i Ejipta toy ny fitafin’ny mpiandry ondry ny lambany izy,+ ka hivoaka soa aman-tsara avy any Ejipta. 13  Dia hopotipotehiny ireo andry ao Beti-semesy any Ejipta, ary ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta kosa hodorany.”’”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.