Jeremia 44:1-30

44  Izao no teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jiosy rehetra nonina tatỳ Ejipta,+ dia ireo nonina tao Migdola+ sy Tapanesa+ sy Nofa+ ary Patrosa:+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Efa hitanareo ny loza rehetra nataoko tamin’i Jerosalema+ sy ny tanàna rehetran’ny Joda. Rava tanteraka izy ireo ankehitriny, sady tsy misy mponina.+  Nanao ratsy mantsy izy ireo mba hampahatezitra ahy, satria nandeha nanolotra setroka ho sorona izy ireo+ ary nanompo andriamani-kafa, izay sady tsy fantany no tsy fantatrareo, ary tsy fantatry ny razanareo+ koa.  Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Nifoha maraina aho ka naniraka an’ireny+ hiteny hoe: “Aza dia manao an’izao zava-maharikoriko halako izao re ianareo e!”+  Tsy nihaino anefa izy ireo+ na nanongilan-tsofina, ka tsy niala tamin’ny ratsy nataony fa mbola nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa+ ihany.  Koa nanampatra ny fahatezerako sy ny fahavinirako aho. Dia nandoro an’ireo tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema ny fahatezerako.+ Koa rava tanteraka sy lao ireo, toy ny amin’izao andro izao.’+  “Ary izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Nahoana ianareo no mitady loza amin’antambo ho an’ny tenanareo,+ mba haharingana tanteraka ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy ary ny zaza minono+ ao Joda, ka tsy havelanareo hisy sisa hiangana intsony?  Nampahatezitra ahy mantsy ianareo noho ny asan’ny tananareo, sy noho ny nanoloranareo setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa+ atỳ Ejipta, rehefa nandeha nivahiny tatỳ ianareo, mba haharingana anareo ary hahatonga anareo ho voaozona sy holatsaina eo amin’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+  Hadinonareo angaha ny ratsy nataon’ny razanareo+ sy nataon’ireo mpanjakan’ny Joda+ sy ny vadiny,+ ary ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo,+ tao Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema? 10  Ary na hatramin’izao andro izao aza dia mbola tsy manetry tena izy ireo+ na matahotra.+ Mbola tsy arahin’izy ireo koa ny lalàna+ sy fitsipika nomeko anareo sy ny razanareo.’+ 11  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hanameloka anareo aho ka hahatonga loza aminareo ary handringana tanteraka an’i Joda.+ 12  Ary halaiko ireo sisa tavela amin’ny Joda, dia ireo nikiry hankatỳ Ejipta mba hivahiny atỳ.+ Ho ripaka atỳ Ejipta+ tokoa izy rehetra. Ho lavon-tsabatra sy ho ripaky ny mosary+ izy ireo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo, ary ho olom-boaozona sy higagan’ny olona ary ho voaozona sy holatsaina.+ 13  Hataoko ampamoaka ireo mipetraka atỳ Ejipta, sahala amin’ny nanaovako ampamoaka an’izay tao Jerosalema, ka namelezako azy ireo tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+ 14  Dia tsy hisy ho afa-mandositra na hisy hiangana ny sisa tavela amin’ny Joda, izay nandeha nivahiny atỳ Ejipta.+ Tsy hisy hiverina any Joda izy ireo na dia maniry mafy hiverina hipetraka any aza.+ Tsy hisy hiverina any ireny, afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra.’” 15  Ary namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa ny vadiny,+ ary koa ny vehivavy rehetra izay toy ny fiangonana lehibe, sy ny olona rehetra nipetraka tatỳ Ejipta,+ tao Patrosa,+ ka nanao hoe: 16  “Tsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin’ny anaran’i Jehovah aza izany.+ 17  Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay,+ ka hanolotra setroka ho sorona ho an’ilay ‘mpanjakavavin’ny lanitra’ izahay,+ ary handraraka fanatitra zava-pisotro+ ho azy, hoatran’ny efa nataonay+ sy ny razanay+ sy ny mpanjakanay+ ary ny andriananay, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin’izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.+ 18  Fa hatramin’ny tsy nanoloranay setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’,+ sy tsy nandrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy intsony, dia tsy manana na inona na inona izahay sady ripaky ny sabatra sy ny mosary.+ 19  Hoy ireo vehivavy: “Angaha moa izahay tsy efa nangataka alalana tamin’ny vadinay, rehefa nanolotra setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’,+ sy nandraraka fanatitra zava-pisotro ho azy?+ Nangataka alalana koa izahay vao nanolotra mofo ho sorona ho azy, mba hanaovanay mofo mitovy bika aminy sy handrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy.”+ 20  Fa hoy kosa i Jeremia tamin’ny olona rehetra izay namaly azy, izany hoe tamin’ny lehilahy tomady sy ny vadiny avy ary ny olon-kafa rehetra: 21  “Nanolotra setroka ho sorona, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema,+ ianareo+ sy ny razanareo+ sy ny mpanjakanareo+ sy ny andriananareo+ ary ny vahoaka. Tsaroan’i Jehovah izany ary mbola tsy afaka an-tsainy.+ 22  Koa tsy zakan’i Jehovah intsony izany tamin’ny farany, satria zavatra ratsy sy maharikoriko no nataonareo.+ Koa rava tanteraka ny taninareo sady nigagan’ny olona sy voaozona, ka tsy misy mponina intsony, toy ny amin’izao andro izao.+ 23  Tonga aminareo izao loza izao ankehitriny,+ satria nanolotra setroka ho sorona ianareo,+ ary nanota tamin’i Jehovah+ sy tsy nankatò ny tenin’i Jehovah.+ Tsy narahinareo koa ny lalàny+ sy ny fitsipiny ary ny fampahatsiahivany.” 24  Hoy ihany i Jeremia tamin’ny vahoaka manontolo sy ny vehivavy rehetra: “Henoy ny tenin’i Jehovah, ry olon’i Joda rehetra atỳ Ejipta.+ 25  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Ianareo lehilahy sy ny vadinareo+ dia samy nanatanteraka izay nambaran’ireo vehivavy hoe: “Tsy maintsy hefainay ny voady nataonay,+ dia ny hanolotra setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’+ sy handraraka fanatitra zava-pisotro ho azy.”+ Hefainareo vehivavy tokoa ny voady nataonareo, ary hotanterahinareo tokoa ny voadinareo.’ 26  “Koa henoy ny tenin’i Jehovah, ry olon’i Joda rehetra mipetraka atỳ Ejipta:+ ‘“Mianiana amin’ny anarako be voninahitra aho”,+ hoy i Jehovah, “fa tsy hisy olon’i Joda hanonona ny anarako intsony+ eran’i Ejipta, ka hanao hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah Tompo Fara Tampony!’+ 27  Hanara-maso azy ireo aho, ary vonona hahatonga loza aminy fa tsy soa,+ ka ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ny olon’i Joda rehetra atỳ Ejipta, mandra-pahafongany.+ 28  Ary izay tsy ripaky ny sabatra dia hiala eto Ejipta ka hiverina any Joda. Ho vitsy anefa izy ireo.+ Dia ho fantatry ny sisa rehetra amin’ny Joda, izay nandeha nivahiny atỳ Ejipta, hoe ny tenin’iza no marina: Ny teniko sa ny tenin’izy ireo.”’”+ 29  “Hoy i Jehovah: ‘Izao no famantarana hahalalanareo+ fa hitodika manokana aminareo eto amin’ity toerana ity aho, mba hahafantaranareo fa tsy maintsy ho tanteraka aminareo ny teniko ka hahita loza ianareo:+ 30  Izao no nolazain’i Jehovah: “Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy+ i Farao Hofra, mpanjakan’i Ejipta,+ sahala amin’ny nanolorako an’i Zedekia mpanjakan’ny Joda teo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona, ilay fahavalo nifofo ny ainy.”’”+

Fanamarihana