Jeremia 45:1-5

45  Izao no teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka+ zanak’i Neria, tamin’izy nanoratra tao anaty boky ny teny notononin’i Jeremia+ taminy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:  “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba anao, ry Baroka ô:  ‘Hoy ianao: “Idiran-doza aho ity,+ fa nampian’i Jehovah alahelo ny fijaliako! Sasatry ny misento aho ary tsy mahita fiadanam-po.”’+  “Koa izao lazaina amin’i Baroka: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+  Ianao anefa mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao+ ihany. Aza mikatsaka izany intsony.”’+ “‘Fa hahatonga loza amin’ny nofo rehetra aho’,+ hoy i Jehovah, ‘nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, any amin’ny toerana rehetra halehanao.’”+

Fanamarihana