Jeremia 46:1-28

46  Tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Jehovah momba ireo firenena, nanao hoe:+  Izao no teny momba an’i Ejipta,+ eny, momba ny tafik’i Farao Neko mpanjakan’i Ejipta+ izay resin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona teo akaikin’ny reniranon’i Eofrata, any Karkemisy,+ tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:  “Omano ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ary manatòna hiady.+  Asio lasely ny soavaly ka itaingeno, ry mpitaingin-tsoavaly ô! Anaovy ny fiarovan-dohanareo ary makà toerana. Rangito ny lefona ka ataovy mangirana, ary anaovy ny akanjonareo mifono vy.+  “‘Nahoana izy ireo no hitako mihorohoro? Mitakemotra izy ireo, ary resy tanteraka ny lehilahy maheriny, ka mandositra ary tsy miherika akory.+ Manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra’,+ hoy i Jehovah.  ‘Aoka tsy hitady handositra ny haingam-pandeha, ary aoka tsy hitady hitsoaka ny mahery.+ Any avaratra,+ eo amoron’ny reniranon’i Eofrata, izy ireo no tafintohina sy lavo.’+  “Iza irỳ miakatra toy ny Reniranon’i Neily irỳ, ary toy ny renirano misamboaravoara?+  I Ejipta no miakatra toy ny Reniranon’i Neily+ ary ny rano ao aminy misamboaravoara toy ny renirano.+ Hoy izy: ‘Hiakatra aho ka handrakotra ny tany. Horavako avy hatrany ny tanàna ary haringako ny mponina ao.’+  Miakara, ry soavaly ô! Aoka ianareo, ry kalesy, hiriotra mafy toy ny adala! Aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia i Kosy+ sy Pota,+ mpitana ampinga, ary ny Lodima+ izay kalazalahy amin’ny fampiasana tsipìka. 10  “An’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony izany andro izany. Andro famaliana izay hamaliany an’ireo fahavalony izany.+ Ny sabatra dia hihinana sy ho voky ary hisotro ny ran’izy ireo ka ho afa-ketaheta. Fa misy sorona+ ataon’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony,+ ao amin’ilay tany any avaratra, eo akaikin’ny reniranon’i Eofrata.+ 11  “Miakara any Gileada ary makà balsama,+ ry Ejipta zanakavavy virjiny+ ô! Very maina fotsiny ny nanaovanao zavatra maro hahasitrana anao, fa tsy ho salama intsony ianao.+ 12  Efa ren’ireo firenena ny fahafaham-barakanao,+ ary manenika an’ilay tany ny fitarainanao.+ Fa mifamingana ireo lehilahy mahery, ka ny iray mamingana ny iray,+ hany ka samy lavo izy ireo.” 13  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany momba ny hahatongavan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona mba hanafika an’i Ejipta:+ 14  “Lazao atỳ Ejipta izany, ary torio ao Migdola,+ eny, ambarao ao Nofa+ sy Tapanesa.+ Lazao hoe: ‘Makà toerana ka miomàna,+ fa hisy sabatra handripaka manodidina anao.+ 15  Nahoana no ripaka toy ny nopaohin’ny rano+ ireo maherinao? Tsy nahatohitra izy ireo, satria i Jehovah mihitsy no nandroaka azy.+ 16  Maro be no tafintohina ka lavo. Koa nifampiresaka izy ireo hoe: “Mitsangàna, andao hiverina any amin’ny firenentsika, any amin’ny tanin’ny havantsika fa nampitondra faisana antsika ny sabatra.”’ 17  Rehefa any izy ireo dia hiantsoantso hoe: ‘Resa-be fotsiny+ ny an’i Farao mpanjakan’i Ejipta! Navelany handalo fotsiny ny fotoanan’ny fety.’+ 18  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy ilay Mpanjaka atao hoe Jehovah Tompon’ny tafika,+ ‘dia hiditra atỳ izy, ka ho sahala amin’i Tabara+ eo amin’ireo tendrombohitra sy ho tahaka an’i Karmela+ eo amoron’ny ranomasina. 19  Ry Ejipta zanakavavy+ ô, eny, ianao izay monina eto, amboary ny entanao fa hatao sesitany ianao.+ Higagan’ny olona i Nofa+ ary hodorana ka tsy hisy mponina.+ 20  Ombivavy kely tena tsara tarehy i Ejipta. Hisy moka avy any avaratra anefa ho avy hanaikitra azy.+ 21  Toy ny zanak’omby mifahy+ koa ireo mpikarama an’adiny, nefa hilavo lefona+ sy handositra daholo. Tsy hahatohitra izy ireo,+ fa ho tonga ny andro hahitany loza, dia ny fotoana hifantohana aminy.’+ 22  “‘Ny feony dia toy ny an’ny bibilava mandositra.+ Handroso amin-kery mantsy ny fahavalo, ary hitondra famaky toy ny mpikapa kitay izy ireo rehefa hiditra eto. 23  Dia hokapain’ny fahavalo ny alany’,+ hoy i Jehovah ‘satria ala sarotra hitsofohana. Fa mbola maro noho ny valala ireny+ ka tsy hita isa. 24  Ho menatra i Ejipta zanakavavy.+ Hatolotra eo an-tanan’ilay firenena any avaratra tokoa izy.’+ 25  “Hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hitodika manokana amin’i Amona+ ao No+ aho, sy amin’i Farao sy Ejipta sy ny andriamaniny+ sy ny mpanjakany,+ dia amin’i Farao sy izay rehetra matoky azy.’+ 26  “‘Dia hatolotro eo an-tanan’izay mifofo ny ainy ireo, sy eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona+ ary eo an-tanan’ny mpanompony. Aorian’izany, dia honenana toy ny taloha i Ejipta’,+ hoy i Jehovah. 27  “‘Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô, ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.+ 28  Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko ô’, hoy i Jehovah ‘fa momba anao aho.+ Haringako kosa ny firenena rehetra nanaparitahako anao,+ fa ianao tsy mba haringako.+ Hofaiziko araka ny antonony+ ihany anefa ianao, ary tsy havelako ho afa-maina mihitsy fa hosaziko+ ihany.’”

Fanamarihana