Jeremia 47:1-7

47  Tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Jehovah momba ny Filistinina,+ talohan’ny nanafihan’i Farao an’i Gaza,+  ka izao no nolazain’i Jehovah: “Misy rano miakatra+ avy any avaratra+ ka tonga riaka manafotra. Ary ny rano dia hanafotra an’ilay tany sy izay rehetra eo aminy, izany hoe ny tanàna sy ny mponina ao.+ Koa hiantsoantso ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra ao amin’ilay tany.+  Ho ren’ny raim-pianakaviana ny fikatrokatroky ny kitron-tsoavaly,+ sy ny firodorodon’ny kalesin’ady,+ ary ny fikotrokotroky ny kodiarany,+ ka tsy hitodika hamonjy an’ireo zanany akory izy ireo satria hiraviravy tanana.  Fa tonga ilay andro handrobana ny Filistinina+ rehetra sy handringanana an’ireo sisa niangana, izay nanampy+ an’i Tyro+ sy Sidona.+ Horobain’i Jehovah mantsy ny sisa tavela amin’ireo Filistinina+ avy any amin’ny nosy Kaftora.+  Ho sola+ i Gaza,+ ary ho rava i Askelona.+ Mandra-pahoviana ianareo mponina sisa eny amin’ny lemaka iva no handidididy ny vatanareo?+  “Ô ry sabatr’i Jehovah+ ô! Rahoviana ihany ianao vao hiato? Aoka ianao hitsofoka ao anaty tranon-tsabatra.+ Mitsahara ary mangìna!  “Ataony ahoana moa no hiato? I Jehovah ange no nanome baiko azy e! Natao hamelezana an’i Askelona sy ny morontsiraka+ ilay sabatra. Any no nanendreny azy.”

Fanamarihana