Jeremia 48:1-47

48  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an’i Moaba:+ “Nidiran-doza i Nebo+ fa voaroba! Menatra sy azo babo i Kiriataima.+ Menatra sy mihorohoro ilay tendrombohitra fandosirana.+  Tsy misy midera intsony i Moaba.+ Nisy nanao tetika hahatonga loza aminy tany Hesbona,+ ka nanao hoe: ‘Andao hofongorantsika tsy ho firenena intsony izy!’+ “Tokony hangina koa ianao, ry Madmena, fa manaraka anao avy ato aoriana ny sabatra!  Feo mitaraina no re ao Horonaima.+ Misy fandrobana sy fandravana lehibe ao.  Rava i Moaba,+ ary re mitaraina ny ankizy madinika ao.  Mitomany ny olona miakatra mankany Lohita.+ Ranomaso re izao! Feon’olona ory mitaraindraina no re eny amin’ny lalana midina avy any Horonaima, satria ren’izy ireo ilay fandravana.+  “Mandosira ka vonjeo ny ainareo!+ Dia ho toy ny hazo zenevrie any an-tany efitra+ ianareo.  Ho babo koa ianao satria ny zava-bitanao sy ny harenanao no natokisanao.+ Hatao sesitany+ tokoa i Kemosy,+ miaraka amin’ny mpisorony sy ny andrianany.+  Hidiran’ny mpandroba ny tanàna rehetra,+ ka tsy hisy tanàna ho afa-miala.+ Ho potika mihitsy ny lemaka iva ary ho simba ny tany lemaka, araka ny efa nolazain’i Jehovah.  “Omeo marika famantaran-dalana i Moaba, satria handositra izy rehefa horavana.+ Hanjary higagan’ny olona ireo tanànany sady tsy hisy mponina intsony.+ 10  “Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa ampanaovin’i Jehovah azy.+ Ary ho voaozona koa anie izay tsy mety mampiasa ny sabany handatsahan-dra! 11  “Nandry feizay efa hatramin’ny fahazazany+ ny Moabita, ary tsy nisy nanakorontana mihitsy izy ireo, toy ny divay tsy nahetsiketsika ka mihandrona eny ambany ny faikany.+ Mbola tsy nafindra ho amin’ny siny hafa izy ireo, ary mbola tsy natao sesitany. Izany no tsy nampiova ny tsirony sy ny fofony. 12  “‘Koa ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay handefasako olona mba hanongilana ny siny misy azy. Koa hatongilan’ireny tokoa izy ireo,+ ka tsy havelany hisy tavela intsony ny ao anaty siny, ary hopotipotehiny ireo siny lehibe. 13  Dia ho menatra ny Moabita noho ny amin’i Kemosy,+ toy ny nahamenatra ny taranak’Israely noho ny amin’i Betela, izay nitokisany.+ 14  Ahoana no ahasahianareo miteny hoe: “Lehilahy matanjaka izahay+ sady mpiady mahery”?’ 15  “‘Norobaina i Moaba ary nisy nananika ny tanànany.+ Nidina hovonoina+ ireo tovolahy voafantina tao aminy’, hoy ilay Mpanjaka atao hoe Jehovah Tompon’ny tafika.+ 16  “Mananontanona ny loza hanjo ny Moabita, ary manatona haingana dia haingana ny fahoriany.+ 17  Hangoraka azy daholo ny manodidina azy sy izay rehetra mahalala ny anarany.+ Milazà hoe: ‘Dia tapaka tokoa mantsy ilay tsorakazo mafy, ilay tehina tsara tarehy!’+ 18  “Midìna avy eny amin’ny toeram-boninahitrao ary mipetraha na dia mangetaheta aza ianao, ry Dibona+ zanakavavy,+ eny, ianao izay monina eto. Fa tonga hamely anao ilay nandroba an’i Moaba, ka horavany ireo toerana voaro mafy ao aminao.+ 19  “Mijanòna ka jereo tsara ny lalana, ry mponin’i Aroera+ ô! Anontanio ny lehilahy mandositra sy ny vehivavy milefa hoe: ‘Fa misy inona?’+ 20  Menatra i Moaba satria nihorohoro.+ Midradradradrà sy miantsoantsoa! Lazao any Arnona+ hoe voaroba i Moaba. 21  Miakatra fitsarana ny tany lemaka,+ dia i Holona sy Jahaza.+ Voaheloka i Mefata,+ 22  Dibona,+ Nebo,+ Beti-diblataima, 23  Kiriataima,+ Beti-gamola, Beti-meona,+ 24  Keriota,+ Bozra+ ary ny tanàna rehetra ao Moaba, na ny lavitra na ny akaiky. 25  “‘Tapaka ny tandrok’i Moaba,+ ary tapaka koa ny sandriny’,+ hoy i Jehovah. 26  ‘Ataovy izay hahamamo azy,+ fa nirehareha nanohitra an’i Jehovah izy.+ Nihosinkosina tao anaty loany+ i Moaba ary nataon’ny olona fihomehezana. 27  “‘Tsy nataonao fihomehezana ve ny Israely?+ Natao ho isan’ny mpangalatra angaha izy?+ Fa nihivingivin-doha ianao isaky ny niresaka zava-dratsy momba azy. 28  “‘Ilaozy ny tanànanareo, ka mitoera ao amin’ny harambato,+ ry mponin’i Moaba ô! Aoka ianareo ho toy ny voromailala manao ny akaniny eny akaikin’ny vava lavaka.’”+ 29  “Efa renay ny fireharehan’i Moaba,+ ny fanamboniany tena, ny fireharehany, ny fizahozahoany, ary ny avonavon’ny fony. Mizahozaho tokoa izy.”+ 30  “‘Fantatro ny fisafoahany’, hoy i Jehovah. ‘Zava-poana ny fireharehany ary tsy ho tanteraka+ ny redirediny.+ 31  Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho, ary hitaraina noho ny amin’i Moaba manontolo.+ Hisy higogogogo noho ny amin’ny olona ao Kira-heresa.+ 32  “‘Mbola mihoatra noho ny nitomaniana an’i Jazera+ no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma+ ô! Tonga hatrany ampitan’ny ranomasina ny sampanao midoroboka. Tonga hatrany an-dranomasina izany, eny, hatrany Jazera.+ Naripaky ny mpandroba ny voankazo masaka fahavaratra+ sy ny voaloboka notazanao.+ 33  Tsy re eny amin’ny saham-boankazo sy ao Moaba intsony ny feon’olona mifaly sy miravoravo.+ Ataoko tsy misy divay hotovozina intsony avy ao anaty lavaka famiazam-boaloboka.+ Tsy hisy intsony ny horakoraky ny mpanitsakitsaka voaloboka. Tsy horakora-pifaliana intsony no ho re!’”+ 34  “‘Manandratra ny feony izy ireo,+ ka re hatrany Elale+ sy Jahaza+ ny antsoantso ao Hesbona.+ Ary re hatrany Horonaima+ sy Egleta-selisia+ ny antsoantso ao Zoara.+ Fa na ny ranon’i Nimrima+ aza ho ritra tanteraka. 35  Hofoanako tsy hisy ao Moaba ny olona manao fanatitra eny amin’ny toerana avo sy manolotra setroka ho sorona ho an’andriamaniny’,+ hoy i Jehovah. 36  ‘Koa hitaraindraina toy ny sodina ny foko noho ny amin’i Moaba.+ Ary hitaraindraina toy ny sodina koa ny foko noho ny amin’ny mponin’i Kira-heresa.+ Koa ho fongana tokoa ny harem-be nangoniny.+ 37  Fa nosolaina ny lohan’izy rehetra,+ ary noharatana daholo ny volombavany.+ Nodidididiana ny tanan’izy rehetra+ ary lamba gony no eny amin’ny andilany!’”+ 38  “‘Tsy misy afa-tsy fidradradradrana no re eny amin’ny tampon-trano rehetra ao Moaba sy eny amin’ny tany malalaky ny tanàna.+ Fa nopotehiko toy ny vilany tsy misy mpitia i Moaba’,+ hoy i Jehovah. 39  ‘Mihorohoro tokoa izy! Midradradradrà ianareo! Nandositra i Moaba! Menatra izy!+ Nataon’ny olona fihomehezana i Moaba. Mihorohoro daholo ny manodidina azy mahita izay manjo azy.’” 40  “Fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy hamelatra ny elany mba hifaoka an’i Moaba,+ toy ny ataon’ny voromahery izay mifaoka tampoka ny hazany.+ 41  Ho voababo ireo tanànany ary ho lasan’olona tokoa ireo toerana voaro mafy. Amin’izany andro izany, ny fon’ireo lehilahy mahery ao Moaba dia ho toy ny fon’ny vehivavy mitebiteby rehefa mihetsi-jaza.’”+ 42  “‘Ho fongana tsy ho firenena intsony+ i Moaba, noho izy nirehareha nanohitra an’i Jehovah.+ 43  Horohoro sy lavaka ary fandrika no miandry anao, ry mponin’i Moaba’,+ hoy i Jehovah. 44  ‘Koa izay mandositra noho ny horohoro dia ho latsaka ao anaty lavaka, ary izay miakatra avy ao an-davaka kosa ho azon’ny fandrika.’+ “‘Fa hataoko tonga amin’i Moaba ny taona hifantohako aminy’,+ hoy i Jehovah. 45  ‘Teo ambany alokalok’i Hesbona no nijanona ireo nandositra, fa tsy nanan-kery intsony. Fa hisy afo hivoaka tokoa avy ao Hesbona+ ary hisy lelafo avy ao Sihona,+ ka handevona ny fihirifan’i Moaba sy ny tampon-dohan’ireo zanaky ny fitabatabana.’+ 46  “‘Lozanao, ry Moaba!+ Ripaka ny olon’i Kemosy.+ Fa voababo ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy. 47  Mbola hangoniko avy amin’ny fahababoana anefa ny mponin’i Moaba any am-parany’,+ hoy i Jehovah. ‘Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Moaba.’”+

Fanamarihana