Jeremia 49:1-39

49  Izao no nolazain’i Jehovah momba ny taranak’i Amona:+ “Tsy manan-janaka angaha ny Israely, sa tsy manana mpandova? Koa nahoana no nalain’i Malkama+ ny tanin’i Gada,+ ka ny mpivavaka aminy no mipetraka ao amin’ireo tanànan’ny Israely?”+  “‘Koa ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay hanaovako izao zavatra izao amin’i Raban’ny+ taranak’i Amona: Hataoko mandre fanairana+ izy satria hisy hanafika. Dia ho tanàna aolo izy, ka ho antontan-javatra rava sisa.+ Ary hodorana+ ireo tanàna miankina aminy.’+ “‘Ho lasan’ny Israely ireo namabo azy’,+ hoy i Jehovah.  “‘Midradradradrà,+ ry Hesbona+ ô, fa voaroba i Ay! Aoka ianareo hitaraina, ry tanàna miankina amin’i Raba. Misikìna lamba gony.+ Aoka ianareo hinaonaona sy hivezivezy eny amin’ireo vala, fa hatao sesitany i Malkama,+ miaraka amin’ny mpisorony sy ny andrianany rehetra.+  Nahoana ianao no mirehareha noho ireo lemaka iva ao aminao, eny, ireo lemaka iva azon-drano,+ ry zanakavavy mpivadika, dia ianao izay mitoky amin’ny harenanao,+ ka manao hoe: “Iza no ho sahy hankatỳ amiko?”’”+  “‘Zavatra mampahatahotra+ avy eny amin’ny manodidina anao no hataoko tonga aminao’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+ ‘Dia haparitaka any amin’izay hitsinareo avy ianareo.+ Ary tsy hisy hanangona an’izay mandositra.’”  “‘Aorian’izany anefa, dia hangoniko avy amin’ny fahababoana ny taranak’i Amona’,+ hoy i Jehovah.”  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba an’i Edoma: “Tsy misy fahendrena+ intsony angaha ao Temana?+ Tsy manana torohevitra homena intsony angaha ireo mahira-tsaina? Foana ve ny fahendreny?+  Mandosira!+ Mialà ao! Midìna hiafina ao amin’ny lalina,+ ry mponin’i Dedana!+ Fa hataoko mihatra aminy ny loza nanjo an’i Esao, amin’ny fotoana hitodihako manokana aminy.+  Raha mpioty voaloboka no tonga ao aminao, tsy hamela sisa hotsimponina ve izy? Raha mpangalatra no tonga alina ao aminao, tsy izay tiany ihany ve no hoentiny?+ 10  Fa hataoko mangadihady kosa i Esao.+ Hataoko miharihary ny toeram-piafenany+ ka tsy hisy ho afaka hiafina ao.+ Ho voaroba ny taranany sy ny rahalahiny ary ny mpiara-monina aminy.+ Ary izy kosa tsy hisy intsony.+ 11  Ilaozy ny kamboty ray ao aminao,+ ry Edoma, fa izaho no hitsimbina ny ainy. Ary hatoky ahy ny mpitondratena ao aminao.”+ 12  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Na tsy mpisotro amin’ny kaopiko aza izy ireo, dia tsy maintsy hisotro.+ Koa ianao indray ve no havela ho afa-maina tsy ho voasazy? Tsy havela ho afa-maina mihitsy ianao, satria tsy maintsy hisotro amin’ny kaopiko ianao.”+ 13  “Mianiana amin’ny tenako aho”,+ hoy i Jehovah, “fa hanjary higagan’ny olona+ tokoa i Bozra,+ sady holatsaina sy ho rava ary ho voaozona. Ho rava tanteraka mandritra ny fotoana tsy voafetra koa ny tanànany rehetra.”+ 14  Nandre tatitra avy amin’i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa tany amin’ireo firenena hilaza hoe: “Mivoria ka andao hanafika azy, ary mitsangàna, andao hiady aminy!”+ 15  “Efa nataoko firenena kely ianao, teo amin’ireo firenena, ary nataon’ny olona tsinontsinona.+ 16  Nahatonga ny olona hihorohoro mantsy ianao, ary ny fireharehan’ny fonao no namitaka anao,+ ry ilay mipetraka eny an-tsefatsefa-bato sy monina eny amin’ny havoana avo. Na manorina ny akaninao eny amin’ny avo toy ny ataon’ny voromahery aza ianao,+ dia avy eny no hampidinako anao”,+ hoy i Jehovah. 17  “Higagan’ny olona i Edoma.+ Hitolagaga izay rehetra mandalo eo ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.+ 18  Toy ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Edoma, ka tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.+ 19  “Hisy olona hiakatra hamely an’ilay fonenana maharitra, toy ny liona+ miakatra avy ao anaty kirihitrala matevina eny amoron’i Jordana.+ Hampandosiriko avy hatrany anefa i Edoma ka hiala ao.+ Dia hotendreko hamely azy ilay voafidy. Fa iza moa no toa ahy?+ Iza no ho sahy hila ady amiko,+ ary iza no mpiandry ondry mahatohitra ahy?+ 20  Koa henoinareo izay nokasain’i Jehovah hatao mba hamelezana an’i Edoma,+ sy ny tetika efa noeritreretiny hamelezana ny mponin’i Temana:+ Hotaritaritina tokoa ny ondry kely. Ho lao mihitsy ny fonenan’izy ireo, noho ny amin’ireo mponina any.+ 21  Nihovotrovotra ny tany noho ny fidoboky ny fianjeran’izy ireo.+ Nandrenesana feo mitaraindraina+ na dia hatrany amin’ny Ranomasina Mena+ aza. 22  Hisy olona hanao toy ny voromahery ka hiakatra, ary avy eo dia hifaoka tampoka.+ Hamelatra ny elany mba hifaoka an’i Bozra izy.+ Amin’izany andro izany, ny fon’ireo lehilahy mahery ao Edoma dia ho toy ny fon’ny vehivavy mitebiteby rehefa mihetsi-jaza.”+ 23  Izao no voalaza momba an’i Damaskosy:+ “Menatra i Hamata+ sy Arpada,+ satria nandre vaovao ratsy. Kivy izy ireo.+ Toy ny ranomasina misamboaravoara ny olona, ka tsy mety tony.+ 24  Tsy manana herim-po intsony i Damaskosy. Manao tari-dositra izy ary tora-kovitra.+ Ory sy manaintaina toy ny vehivavy efa hiteraka izy.+ 25  Fa nahoana àry no tsy nilaozana ilay tanàna noderaina fatratra, dia ilay tanàna nahafaly?+ 26  “Koa hiampatrampatra eny an-tany malalaka ny fatin’ireo tovolahy ao aminy, ary ho ripaka daholo ireo lehilahy mpiady, amin’izany andro izany”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 27  “Handrehitra afo handoroana ny mandan’i Damaskosy aho, ka ho levon’ny afo ny tilikambo fonenan’i Beni-hadada.”+ 28  Izao no nolazain’i Jehovah momba an’i Kedara+ sy ireo fanjakana ao Hazora+ izay notafihin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona:+ “Mitsangàna ka miakara any Kedara mba handroba an’ireo zanaky ny Atsinanana.+ 29  Ho lasan’olona ny tranolainy+ sy ny ondry aman’osiny+ sy ny lainy+ ary ny fitaovany rehetra. Hisy haka koa ny ramevany.+ Dia hisy hiantsoantso hilaza amin’ny mponin’i Kedara hoe: ‘Manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra!’”+ 30  “Mandosira ka mandehana mitsoaka lavitra be! Midìna hiafina ao amin’ny lalina, ry mponin’i Hazora+ ô!”, hoy i Jehovah. “Fa mikasa hamely anareo i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona,+ ary misy tetika efa noeritreretiny hamelezana anareo.” 31  “Mitsangàna ka miakara hiady amin’ilay firenena mandry feizay+ sy monina tsy manana ahiahy!”,+ hoy i Jehovah. “Tsy misy varavarana na bara hidiny ny tanànany. Ary mitoka-monina izy.+ 32  Koa ho lasan’ny fahavalo ny ramevany+ sy ny biby fiompiny maro be. Haeliko any amin’ny vazan-tany efatra*+ izy ireo, eny, ireo manapaka ny volony avy eo amin’ny fihirifany.+ Hahatonga loza aminy, avy eny amin’ny faritra rehetra manodidina azy, aho”, hoy i Jehovah. 33  “Dia ho lasa fonenan’ny alikadia+ i Hazora,+ ary ho aolo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.”+ 34  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany momba an’i Elama,+ teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda: 35  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hotapahiko ny tsipìkan’i Elama,+ dia ny loharanon’ny heriny. 36  Hataoko mifofofofo amin’i Elama ny rivotra efatra avy any amin’ny lafiny efatry ny lanitra.+ Dia haeliko any amin’ny toerana rehetra itsofan’ny rivotra+ izy ireo, ka tsy hisy firenena tsy hahitana an’ireo Elamita niparitaka+ ireo.’” 37  “Hataoko mihorohoro eo anatrehan’ny fahavalony sy eo anatrehan’ireo mifofo ny ainy ny Elamita. Hahatonga loza amin’izy ireo aho, dia ny fahatezerako mirehitra”,+ hoy i Jehovah. “Handefasako sabatra hamely azy izy ireo, mandra-paharipany tanteraka.”+ 38  “Dia hapetrako ao Elama+ ny seza fiandrianako, ary haringako ny mpanjaka sy ny andriana ao aminy”, hoy i Jehovah. 39  “Any am-parany+ anefa, dia mbola hangoniko avy amin’ny fahababoana ny Elamita”,+ hoy i Jehovah.

Fanamarihana

A.b.t.: “any amin’ny rivotra rehetra”, izany hoe any amin’izay rehetra itsofan’ny rivotra.