Jeremia 5:1-31

5  Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema. Dia jereo sy fantaro ary tadiavo eny an-tany malalaka, raha mahita olona iray+ monja manao ny rariny+ na olona iray tsy mivadika+ ianareo. Raha izany mantsy, dia havelako ny helok’ilay tanàna.  Fa na misy mianiana aza hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah!”, dia lainga fotsiny ny fianianana ataon’ireny!+  Jehovah ô, ny tsy fivadihana no jerenao,+ sa tsy izany? Nokapohinao izy ireo,+ nefa tsy nety narary.+ Saika tapitra ripakao izy ireo,+ nefa tsy nety nandray anatra.+ Mafy hatoka* izy ireo, eny, mafy toy ny harambato.+ Tsy nety niverina+ taminao izy ireo.  Dia hoy mihitsy aho: “Tena olona ambany ireo. Hadalana mihitsy no nataony, satria tsy niraharaha ny lalan’i Jehovah sy ny fitsaran’Andriamaniny izy ireo.+  Handeha hiresaka amin’ireo olona ambony aho,+ fa ireo no mahalala ny lalan’i Jehovah sy ny fitsaran’Andriamaniny.+ Kanefa efa nanapatapaka ny zioga koa izy rehetra, ary efa nanapaka ny tady nangeja azy.”+  Noho izany, dia misy liona mivoaka avy any an’ala ka mamely azy. Misy amboadia koa avy any amin’ny lemaka karakaina, ka mandringana azy.+ Ary misy leopara mamitsaka eny an-tanànany,+ ka rotidrotehiny izay rehetra mivoaka avy ao. Be dia be mantsy ny fahadisoan’izy ireo ary imbetsaka mihitsy izy ireo no nivadika.+  Koa ahoana moa no hamelako izany helokao izany? Nahafoy ahy ny zanakao ka mianiana+ amin’ny anaran’izay tsy Andriamanitra.+ Nomeko fahafaham-po izy ireo,+ nefa mbola manitsakitsa-bady+ ihany sady mirohotra mankao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena.  Nanjary toy ny soavaly maimay mitady vavy sy manana vihy matanjaka izy ireo, ka mitady ny vadin’ny namany avy.+  “Koa tsy tokony hanao ampamoaka ve aho noho izany?”, hoy i Jehovah.+ “Ary tsy tokony hovaliako ve ny firenena toy izany?”+ 10  “Miakara ka simbao ireo voalobony mitandahatra,+ nefa aza potehina tanteraka.+ Esory ny sampany midoroboka, fa tsy an’i Jehovah ireny.+ 11  Tena namadika ahy mantsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda”, hoy i Jehovah.+ 12  “Nanda an’i Jehovah izy ireo, ka nilaza hoe: ‘Tsy misy Izy.+ Tsy hisy loza hanjo anay, ary tsy ho azon-tsabatra sy mosary izahay.’+ 13  Zava-poana toy ny rivotra no nolazain’ny mpaminaniny, ary tsy ao aminy ny teniko.+ Ho zava-poana toy ny teniny ihany izy ireo!” 14  Koa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny tafika: “Noho izany teninareo izany, dia hataoko toy ny afo ao am-bavanao ny teniko,+ ary ity vahoaka ity kosa ho toy ny kitay, izay holevonin’ilay afo.”+ 15  “Koa hisy firenena avy lavitra hoentiko hamely anareo,+ ry taranak’Israely”, hoy i Jehovah. “Firenena efa nisy hatry ny ela+ izany, firenena efa taloha be. Tsy hainao ny fiteniny ary tsy azonao izay lazainy. 16  Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsipìkany. Mpiady mahery+ koa izy rehetra. 17  Haripany ny vokatrao sy ny mofonao.+ Haripany ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy. Haripany ny omby aman’ondrinao. Haripany koa ny voalobokao sy ny aviavinao.+ Dia hopotipotehiny amin’ny sabatra ny tanàna mimanda nitokisanao.” 18  “Tsy horinganiko tanteraka anefa ianareo”,+ hoy i Jehovah, “na dia amin’izany andro izany aza.” 19  “Dia hilaza ianareo hoe: ‘Fa maninona i Jehovah Andriamanitsika no nanao izany rehetra izany tamintsika?’+ Koa izao no havalinao azy: ‘Nahafoy ahy ianareo ary nanompo andriamani-kafa tao amin’ny taninareo. Koa hanompo olona hafa firenena any an-tanin’olona ianareo.’”+ 20  Lazao amin’ny taranak’i Jakoba ary ambarao ao Joda hoe: 21  “Henoy izao, ry vahoaka maditra sy tsy ampy saina,+ izay mana-maso nefa tsy mahita,+ ary manan-tsofina nefa tsy mandre.+ 22  ‘Tsy mba matahotra ahy+ mihitsy ve ianareo’, hoy i Jehovah, ‘ary tsy mangovitra noho ny amiko?+ Izaho anefa no nanao ny fasika ho fetran’ny ranomasina, mba ho lalàna mandrakizay tsy azony dikaina. Na misamboaravoara aza ny onjany, dia tsy hivoaka ho mpandresy, ary na midoboka mafy aza, dia tsy afaka ny hihoatra an’ilay fetra.+ 23  Lasa mafy loha sy mpikomy anefa ity vahoaka ity. Nivily lalana izy ireo ary nikiry nandeha tamin’ny lalan-dratsiny.+ 24  Tsy mba nanao anakampo izy ireo hoe: “Aoka isika hatahotra an’i Jehovah,+ fa Izy no manome antsika oram-be sy oram-pararano ary oran-dohataona amin’ny fotoanany.+ Izy koa no miambina an’ireo herinandro voatondro hanaovantsika ny fijinjana.”+ 25  Ny fahadisoanareo no tsy nampisy izany rehetra izany, ary ny fahotanareo no tsy nahazoanareo zava-tsoa.+ 26  “‘Fa misy ratsy fanahy amin’ny oloko.+ Mitilitily tsy misy farany toy ny mpamandri-borona mifitsaka ao amin’ny miafina+ izy ireo. Mamela-pandrika mahafaty izy ireo, ary olona no azony. 27  Toy ny tranom-borona feno vorona, dia feno fitaka koa ny tranony.+ Koa nanjary olona ambony sy manankarena izy ireo,+ 28  ka nihanatavy+ sy mandimandina. Tafahoatra loatra ny ratsy vitany. Tsy mba nitsara araka ny hitsiny+ izy ireo, ary na ny kamboty ray aza tsy nomeny rariny.+ Amin’izay dia mahomby+ izy ireo. Tsy noraisiny an-tanana ny fitsarana ny mahantra.’” 29  “Koa tsy tokony hanao ampamoaka ve aho noho izany?”, hoy i Jehovah. “Ary tsy tokony hovaliako ve ny firenena toy izany?+ 30  Zava-mahagaga sy mahatsiravina no mitranga ao amin’ilay tany:+ 31  Maminany lainga ny mpaminany,+ ary manampatra ny fahefany ny mpisorona.+ Dia tian’ny oloko erỳ izany!+ Koa hanao ahoana re ianareo rehefa hifarana izany rehetra izany e?”+

Fanamarihana

A.b.t.: “tava.”