Jeremia 50:1-46

50  Ny tenin’i Jehovah nambaran’i Jeremia mpaminany momba an’i Babylona,+ ilay tanin’ny Kaldeanina:+  “Lazao any amin’ireo firenena, ary ambarao!+ Manangàna tsato-kazo famantarana,+ ary ambarao fa aza misy afenina. Lazao hoe: ‘Azo babo i Babylona.+ Menatra i Bela+ ary mihorohoro i Merodaka. Menatra ireo sary nivavahany.+ Mihorohoro ireo sampiny maharikoriko.’  Fa misy firenena miakatra avy any avaratra mba hamely azy.+ Io no hahatonga ny taniny higagan’ny olona, ka tsy hisy mponina intsony ao.+ Nandositra daholo ny olona sy ny biby fiompy.+ Efa lasa ireny.”+  “Amin’izany andro sy fotoana izany”,+ hoy i Jehovah, “dia hiverina ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.+ Handeha izy ireo, ary hitomany eny am-pandehanana.+ Hitady an’i Jehovah Andriamaniny izy ireo.+  Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hitodika mankany,+ ka hanao hoe: ‘Andao hanao fifanekena amin’i Jehovah, dia fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra sady tsy hohadinoina.’+  Nanjary toy ny andian’ondry efa ho faty ny oloko.+ Nampirenireny azy ny mpiandry azy.+ Nentin’ireny tany an-tendrombohitra izy ireo.+ Teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana no nandehanan’izy ireo, ka nohadinoiny ilay toerana nialany sasatra.+  Hihinana azy izay rehetra mahita azy,+ ary ny fahavalony hiteny hoe:+ ‘Tsy ho meloka isika+ satria ry zareo no nanota tamin’i Jehovah, dia i Jehovah fonenan’ny fahamarinana+ sy fanantenan’ny razany.’”+  “Mandosira ka mialà ao Babylona, ary mivoaha avy ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina.+ Aoka ianareo ho toy ny osilahy* mandeha eo alohan’ny ondry aman’osy.+  Fa hanentana firenen-dehibe maro avy any avaratra+ aho ka hivondrona ireny, ary hampiakariko hamely an’i Babylona. Dia hilahatra hiady aminy ireny,+ ka avy any no hahazoany an’i Babylona.+ Ny zana-tsipìkan’ireny dia toy ny an’ny lehilahy mahery izay mandripaka ankizy. Tsy hiverim-potsiny ny lehilahy toy izany.+ 10  Horobaina i Kaldea,+ ary ho afa-po izay rehetra mandroba azy”,+ hoy i Jehovah. 11  “Fa nifaly sy niravoravo foana ianareo+ rehefa norobainareo ny lovako.+ Nifalihavanja toy ny ombivavy kely eo amin’ny ahi-maitso ianareo,+ ary naneno toy ny soavalilahy.+ 12  Tena menatra be ny reninareo.+ Diso fanantenana ilay niteraka anareo.+ Izy no lasa farany indrindra amin’ireo firenena. Tany efitra tsy misy rano izy, sady lemaka karakaina.+ 13  Tsy hisy mponina intsony ao aminy ary ho lao tanteraka,+ satria tezitra aminy i Jehovah.+ Hitolagaga izay mandalo any Babylona ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.+ 14  “Ianareo rehetra mpandefa zana-tsipìka,+ milahara manodidina an’i Babylona mba hanafika azy.+ Tifiro izy+ ka tapero aminy daholo ny zana-tsipìkanareo, fa tamin’i Jehovah izy no nanota.+ 15  Manaova hiakan’ady manodidina azy.+ Nitolo-batana izy. Nianjera ireo andry ao aminy, ary narodana ireo mandany,+ satria mamaly ny nataony i Jehovah.+ Valio araka ny nataony i Babylona. Toy ny efa nataony ihany no ataovy aminy.+ 16  Ataovy fongana tsy misy ao Babylona ny mpamafy voa+ sy ireo mampiasa antsy fijinjana amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra. Hampitondra faisana an’i Babylona ny sabatra, ka samy hiverina any amin’ny fireneny avy ireny, ary samy handositra any amin’ny taniny avy.+ 17  “Ondry nania ny Israely.+ Liona no nampiely azy.+ Ny mpanjakan’i Asyria no nandrapaka azy tamin’ny voalohany.+ I Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona kosa no nikepokepoka ny taolany tamin’ity indray mandeha ity.+ 18  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hitodika manokana amin’ny mpanjakan’i Babylona sy ny taniny aho, sahala amin’ny nataoko tamin’ny mpanjakan’i Asyria.+ 19  Haveriko any amin’ny kijana nisy azy ny Israely,+ ka hiraoka ahitra any Karmela+ sy Basana.+ Ho voky tokoa izy, eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ sy Gileada.’”+ 20  “Ary amin’izany andro sy fotoana izany”,+ hoy i Jehovah, “dia hokarohina izay mety ho fahadisoan’ny Israely+ nefa tsy hisy, ary hokarohina ny fahotan’ny Joda+ nefa tsy ho hita, fa hamela ny helok’ireo navelako hiangana aho.”+ 21  “Miakara hanafika an’i Merataima+ sy ny mponin’i Pekoda.+ Fandripahana sy fandringanana no aoka hanaraka akaiky azy ireo”, hoy i Jehovah. “Ataovy izay rehetra nandidiako anao.+ 22  Tabataban’ireo tafika miady no re ao amin’ilay tany, ary fandravana be no ao.+ 23  Indrisy fa tapaka sy potika ilay marotoan’ny+ mpanefy, izay nanorotoro ny tany rehetra!+ Nanjary nigagan’ireo firenena i Babylona!+ 24  Nofandrihako ianao ka tratra, ry Babylona ô, nefa tsy fantatrao akory.+ Hita ianao ka nosamborina, satria i Jehovah no nilanao ady.+ 25  “Nosokafan’i Jehovah ny trano fitehirizany fitaovam-piadiana, ka navoakany ny fitaovam-piadiany ho fanamelohana an’i Babylona.+ Fa misy asa ataon’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony,+ any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.+ 26  Midira ao aminy, ianareo avy any amin’ny faritra lavitra indrindra.+ Sokafy ny trano fitehirizam-bokany.+ Ataovy mivangongo toy ny antontam-bokatra miavosa ny harenany.+ Aringano tanteraka izy,+ ka aza avela hisy hiangana.+ 27  Aripaho daholo ny vantotr’ombilahiny.+ Aoka ireny hidina hovonoina!+ Idiran-doza ireny fa tonga ny androny, dia ny fotoana hifantohana aminy!+ 28  “Injany ny feon’ireo mandositra sy mitsoaka avy any Babylona+ mba hanambara any Ziona ny famalian’i Jehovah Andriamanitsika,+ dia ny famaliany noho ny nandravana ny tempoliny.+ 29  “Antsoy hamely an’i Babylona ny mpandefa zana-tsipìka, dia izay rehetra manisy tady ny tsipìka.+ Mitobia manodidina azy mba hiady aminy, ka aza avela hisy ho afa-mandositra.+ Valio araka ny nataony izy.+ Sahala amin’izay rehetra nataony ihany no ataovy aminy.+ Fa nirehareha nanohitra an’i Jehovah izy, eny, nanohitra an’Ilay Masin’ny Israely.+ 30  Koa hiampatrampatra eny an-tany malalaka ny fatin’ireo tovolahy ao aminy,+ ary ho ripaka daholo ireo lehilahy mpiady, amin’izany andro izany”,+ hoy i Jehovah. 31  “Hifanandrina aminao aho,+ Rafireharehana+ ô”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony,+ “fa ho tonga tokoa ny andronao, dia ny fotoana hifantohako aminao. 32  Ho tafintohina sy ho lavo Rafireharehana,+ ka tsy hisy hanarina.+ Ary handrehitra afo handoroana ny tanànany aho, ka ho levon’ny afo ny manodidina azy rehetra.”+ 33  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Samy nampahorina ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. Nihazona azy daholo ireo naka azy ho babo+ ka tsy nety nandefa azy.+ 34  Mahery anefa ilay Mpanavotra azy.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ Tsy maintsy hiady ho azy ireo eo amin’ny fitsarana izy,+ mba hanomezany fialan-tsasatra ny tany+ sy hampitebiteby ny mponin’i Babylona.”+ 35  “Misy sabatra hamely ny Kaldeanina+ sy ny mponin’i Babylona+ sy ny andrianany+ ary ny olon-kendriny”,+ hoy i Jehovah. 36  “Misy sabatra hamely an’ireo mpirediredy+ ka hanao hadalana ireny.+ Misy sabatra hamely an’ireo lehilahy maheriny+ ka hihorohoro ireny.+ 37  Misy sabatra hamely an’ireo soavaliny+ sy ny kalesin’adiny ary ny hafa firenena rehetra ao aminy,+ ka hanjary ho toy ny vehivavy ireny.+ Misy sabatra hamely an’ireo harenany+ ka horobaina ireny. 38  Voa mafy ny rano ao aminy ka ritra,+ fa tany feno sary sokitra izy.+ Manao hadalana foana ny mpivavaka amin’ireny satria mahita fahitana mampahatahotra. 39  Koa hiara-monina ao ny biby mpirenireny any an-tany efitra sy ny biby minaonaona, ary honina ao koa ny aotirisy.+ Tsy honenana intsony mihitsy izy, ary tsy ho eo intsony, hatramin’ny taranaka fara mandimby.”+ 40  “Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora+ ary ireo tanàna manodidina azy”,+ hoy i Jehovah, “no hanjo an’i Babylona, ka tsy hisy honina intsony ao, ary tsy hisy zanak’olombelona hivahiny ao.+ 41  “Hisy vahoaka ho tonga avy any avaratra. Firenena lehibe+ sy mpanjaka+ lehibe no hoentanina avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+ 42  Tsipìka sy lefom-pohy no eny an-tanany.+ Lozabe sy tsy hiantra izy ireo.+ Tahaka ny feon’ny ranomasina misamboaravoara ny fandrenesana azy.+ Mitaingin-tsoavaly izy ireo,+ sady milahatra toy ny olona iray mba hiady aminao, ry Babylona zanakavavy ô!+ 43  “Nandre momba azy ireo ny mpanjakan’i Babylona,+ ka niraviravy tanana.+ Ory izy! Manaintaina mafy toy ny vehivavy efa hiteraka izy.+ 44  “Hisy olona hiakatra hamely an’ilay fonenana maharitra, toy ny liona miakatra avy ao anaty kirihitrala matevina eny amoron’i Jordana.+ Hampandosiriko avy hatrany anefa ny Babylonianina ka hiala ao amin’ny taniny.+ Dia hotendreko hamely azy ilay voafidy.+ Fa iza moa no toa ahy?+ Iza no ho sahy hila ady amiko,+ ary iza no mpiandry ondry mahatohitra ahy?+ 45  Koa henoinareo izay nokasain’i+ Jehovah hatao mba hamelezana an’i Babylona,+ sy ny tetika efa noeritreretiny hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina.+ Hotaritaritina tokoa ny ondry kely.+ Ho lao mihitsy ny fonenan’izy ireo, noho ny amin’ireo mponina any.+ 46  Hihovotrovotra tokoa ny tany handre fa resy i Babylona,+ ary feo mitaraindraina no re eo amin’ireo firenena.”+

Fanamarihana

Na: “ondrilahy.”