Jeremia 51:1-64

51  Izao no nolazain’i Jehovah: “Hampifofofofo rivotra+ mandravarava aho, mba hamely an’i Babylona+ sy ny mponin’i Leba-kamay.*  Haniraka olona hankany Babylona aho, ka hokororohin’ireny izy ary hataony izay hahafoana ny taniny.+ Fa hanodidina an’i Babylona ireny mba hanafika azy, amin’ny andro hahitany loza.+  “Aoka ireo mpamatotra tadin-tsipìka tsy hamatotra izany.+ Ary aoka tsy hisy hahatsangana ireo manao akanjo mifono vy. “Aza iantrana ireo tovolahy ao aminy,+ ary aripaho daholo ny tafiny.+  Dia hiampatrampatra any amin’ny tanin’ny Kaldeanina+ ny fatin’izy ireo, ary ho eny an-dalambeny ireo voatrobaka.+  “Tsy maty vady mantsy ny Israely sy Joda+ fa mbola vadin’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+ Ary tena meloka tanteraka ny tanin’ny Kaldeanina eo anatrehan’Ilay Masin’ny Israely.+  “Mandosira ka mialà ao Babylona,+ ary samia mamonjy ny ainy!+ Aoka tsy ho faty noho ny fahadisoany ianareo!+ Fa tonga ny fotoana famalian’i Jehovah,+ ka izay nataon’i Babylona ihany no havaliny azy.+  Kaopy volamena teny an-tanan’i Jehovah i Babylona,+ ka nataon’i Babylona izay hahamamo ny tany rehetra.+ Nisotro tamin’ny divainy ireo firenena,+ ka izany no nahatonga an’ireny hanao hadalana foana.+  Nianjera tampoka i Babylona, ka torotoro.+ Aoka ianareo hidradradradra noho ny aminy.+ Makà balsama fa manaintaina izy,+ sao mba mety ho sitrana ihany izy.”  “Efa nanao izay hahasitrana an’i Babylona izahay, fa tsy nety sitrana izy. Ilaozy izy!+ Andao isika hody any amin’ny tanintsika avy.+ Fa mipaka hatrany an-danitra ny fanamelohana azy, ary miavosa hatreny amin’ny lanitra feno rahona izany.+ 10  Nanao zavatra ara-drariny ho antsika i Jehovah.+ Andao hotantaraintsika any Ziona ny asan’i Jehovah Andriamanitsika.”+ 11  “Ataovy maranitra ny zana-tsipìka.+ Ataovy manarona anareo ireo ampinga boribory. Nentanin’i Jehovah ireo mpanjakan’ny Medianina,+ satria Izy efa nikasa hamely an’i Babylona+ mba haharava azy. Fa famalian’i Jehovah izany, dia famaliany noho ny nandravana ny tempoliny.+ 12  Manangàna tsato-kazo famantarana+ satria hotafihina ny mandan’i Babylona. Hamafiso ny fiambenana.+ Apetraho amin’ny toerany ireo mpitily. Ataovy vonona ireo mpanafika efa miafina.+ Fa sady efa nikasa i Jehovah no hanatanteraka an’izay nolazainy momba ny hamelezana ny mponin’i Babylona.”+ 13  “Hifarana hatreo ny aminao, ry vehivavy monina eo amin’ny rano maro+ sady manankarem-be.+ Tapitra hatreo+ ny fitadiavanao tombony.+ 14  Efa nianiana tamin’ny tenany* i Jehovah Tompon’ny tafika+ hoe: ‘Hofenoiko olona maro be toy ny valala+ ao aminao. Ary hihira sy hihorakoraka ireny rehefa resiny ianao!’+ 15  Izy no Mpanao ny tany, ary tamin’ny heriny no nanaovany azy.+ Izy koa no nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka+ tamin’ny fahendreny,+ ary Izy no namelatra ny lanitra+ tamin’ny fahiratan-tsainy.+ 16  Mampisamboaravoara ny rano eny amin’ny lanitra ny feony. Mampiakatra etona avy any amin’ny faran’ny tany izy,+ sady manao vavahadin-drano ho an’ny orana,+ ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitehirizany azy. 17  Tsy misaina mihitsy ny olona rehetra ka tsy mahalala.+ Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+ Fitaka fotsiny ny sarivongana metaly nataony,+ fa tsy misy aina.+ 18  Zava-poana ireny+ sady zavatra hamavoin’ny olona.+ Ho fongana ireny rehefa tonga ny fotoana hifantohana aminy.+ 19  “Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran’i Jakoba,+ fa izy no Mpamolavola ny zava-drehetra+ sady tehin’ny lovany.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ 20  “Kibay eny an-tanako ianao, ary fitaovam-piadiako.+ Ianao no hampiasaiko hanorotoroana firenena sy handravana fanjakana. 21  Ianao no hampiasaiko handrotidrotehana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Ianao no hampiasaiko hanapotipotehana ny kalesin’ady sy ny mpitaingina azy.+ 22  Ianao no hampiasaiko handrotidrotehana lehilahy sy vehivavy, lahiantitra sy ankizilahy, ary tovolahy sy virjiny. 23  Ianao no hampiasaiko handrotidrotehana ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny, ary ny mpamboly sy ireo biby fiompiny miray zioga. Ianao koa no hampiasaiko handrotidrotehana governora sy solontenam-panjakana lefitra. 24  Hatsingeriko amin’i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra nataony tao Ziona, teo anatrehanareo”,+ hoy i Jehovah. 25  “Hifanandrina aminao aho,+ ry tendrombohitra+ mandravarava, dia ianao izay mpandrava ny tany+ manontolo”, hoy i Jehovah. “Haninjitra ny tanako hamely anao aho ka hakodiako avy eny amin’ny harambato ianao. Hataoko lasa tendrombohitra kilan’ny afo ianao.”+ 26  “Tsy hakan’ny olona vato hanaovana vato fehizoro na vato fototra ianao,+ satria ho lao mandritra ny fotoana tsy voafetra”,+ hoy i Jehovah. 27  “Manangàna tsato-kazo famantarana ao amin’ilay tany!+ Tsofy any amin’ireo firenena ny anjombona. Hamasino+ ireo firenena mpanafika azy. Antsoy hamely azy ny fanjakan’i Ararata+ sy Miny ary Askenaza.+ Mandefasa iraka mba hiantso olona ho miaramila hiady aminy. Asaivo miakatra toy ny valala henjam-bolo ireo soavaly.+ 28  Hamasino ireo firenena mpanafika sy ireo mpanjakan’i Media+ sy ny governorany sy ny solontenam-panjakana rehetra ao aminy ary ny faritra rehetra eo ambany fiadidiany avy. 29  Aoka hihovotrovotra sy hanaintaina mafy ny tany,+ satria efa nieritreritra ny hamely an’i Babylona i Jehovah, mba hahatonga azy higagan’ny olona sy tsy hisy mponina.+ 30  “Tsy niady intsony ireo lehilahy mahery tao Babylona. Nijanona tao amin’ireo toerana voaro mafy izy ireo. Tsy nanan-kery intsony izy ireo,+ fa nanjary toy ny vehivavy.+ Nodorana ny trano fonenana tao ary tapaka ireo bara hidiny.+ 31  “Mihazakazaka ny mpihazakazaka iray ka mifanena amin’ny mpihazakazaka iray hafa, ary mihazakazaka koa ny mpilaza vaovao ka mifanena amin’ny iray hafa,+ mba hilaza amin’ny mpanjakan’i Babylona fa voababo hatraiza hatraiza ny tanànany,+ 32  lasan’ny fahavalo ireo toerana fiampitana rano,+ nodorany ireo lakan-jozoro, ary very hevitra ireo lehilahy mpiady.”+ 33  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Toy ny famoloana+ i Babylona zanakavavy. Izao no fotoana hanosihosena mafy azy. Kely sisa dia ho tonga ny fotoana hijinjana azy.”+ 34  “Lanin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona aho.+ Nampisahotaka ahy izy. Nataony toy ny vilany tsy misy na inona na inona tavela aho. Toy ny bibilava ngezabe nitelina ahy izy,+ ka ny zava-mahafinaritra nananako no namenoany ny kibony. Nokobaniny aho ka nesoriny tsy ho eo amin’ny taniko. 35  ‘Hifotitra amin’i Babylona anie ny herisetra nataony tamiko sy tamin’ny vatako!’, hoy ny mponin’i Ziona.+ Hilaza koa i Jerosalema hoe: ‘Hivaly amin’ny mponin’i Kaldea anie ny rako!’”+ 36  Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Hiady ho anao eo amin’ny fitsarana aho,+ ka izaho mihitsy no hamaly izay nataony taminao.+ Hataoko ritra ny ranomasina ao aminy ary hataoko maina ny lavadranony.+ 37  Ho lasa korontam-bato miavosa+ sy fonenan’ny alikadia i Babylona.+ Higagam-bahoaka sy hampisioka olona izy, ary tsy hisy mponina intsony.+ 38  Hierona toy ny liona tanora izy rehetra. Hierona toy ny zana-diona tokoa izy ireo.” 39  “Raha iny mbola mafana fo iny izy ireo, dia hanaovako fanasambe sy hataoko mamo, mba hifalifaliany.+ Koa hatory mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo ka tsy hifoha”,+ hoy i Jehovah. 40  “Hoentiko midina hovonoina toy ny ondrilahy izy ireo, eny, toy ny ondrilahy sy osilahy.”+ 41  “Voababo tokoa mantsy i Sesaka+ ary azon’ny fahavalo ilay Derain’ny tany manontolo!+ Hanjary higagan’ireo firenena i Babylona!+ 42  Niakatra ny ranomasina ka nanafotra an’i Babylona. Rakotry ny onja maro be izy.+ 43  Hanjary higagan’ny olona ireo tanànany. Ho tany ngazana sy lemaka karakaina izy.+ Tsy hisy olona honina ao amin’ilay tany sy ao amin’ireo tanànany, ary tsy hisy zanak’olombelona handalo any.+ 44  Hitodika manokana amin’i Bela+ any Babylona aho, ka hasaiko haloan’ny vavany izay efa nateliny.+ Ary tsy hisy firenena hitanjozotra hankany intsony.+ Hirodana koa ny mandan’i Babylona.+ 45  “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko,+ ka samia mamonjy ny ainy+ mba tsy hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah+ satria tezitra mafy izy. 46  Raha tsy izany mantsy, dia ho ketraka ny fonareo,+ ka hatahotra ianareo noho ny amin’ny tatitra ho re ao amin’ilay tany. Hisy tatitra ho tonga amin’ny taona iray, ary amin’ny taona manaraka koa mbola hisy tatitra sy herisetra ao amin’ilay tany, ary hisy mpitondra hanafika mpitondra. 47  Koa ho avy ny andro hitodihako manokana amin’ireo sary sokitra ao Babylona.+ Dia ho menatra ilay tany manontolo ary hiampatrampatra ao ny olona maty rehetra ao.+ 48  “Hihoby ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao amin’ireo, noho izay hanjo an’i Babylona.+ Ho tonga avy any avaratra mantsy ny mpandroba azy”,+ hoy i Jehovah. 49  “I Babylona no nahatonga faty hiampatrampatra teo amin’ny Israely.+ Ary tao Babylona koa no niampatramparan’ny fatin’ny olona avy any amin’ny tany rehetra.+ 50  “Mandehana foana fa aza mijanona, ianareo tsy matin-tsabatra!+ Tsarovy i Jehovah na dia lavitra aza ianareo,+ ary ataovy an-tsaina foana i Jerosalema.”+ 51  “Afa-baraka izahay+ fa nandre latsa.+ Rakotry ny henatra ny tarehinay,+ satria noravan’ny hafa firenena ny toerana masina, dia ny tranon’i Jehovah.”+ 52  “Koa ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hitodihako manokana amin’ireo sary sokitra ao Babylona.+ Ary hikonainaina manerana an’ilay tany ireo voatrobaka.”+ 53  “Na dia hiakatra any an-danitra aza i Babylona,+ ary na dia ataony avo tsy misy mahatakatra aza ny heriny,+ dia hasaiko tonga ao aminy ihany ny mpandroba”,+ hoy i Jehovah. 54  “Injay fa misy feo mitaraina avy ao Babylona+ ary re avy ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina ilay faharavana lehibe nanjo azy,+ 55  satria norobain’i Jehovah i Babylona. Hataony tsy handrenesana feo avo intsony ao.+ Hidoboka mafy toy ny rano be kosa ny onjan’izy ireo,+ ary ho re ny tabataban’izy ireo. 56  Fa ho avy hamely an’i Babylona tokoa ny mpandroba,+ ka ho babo ireo lehilahy maheriny.+ Ho tapatapaka ny tsipìkany,+ satria i Jehovah dia Andriamanitra mpamaly ny natao.+ Tsy maintsy hamaly izy.+ 57  Hataoko mamo+ ny andrianany sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny solontenam-panjakany ary ny lehilahy maheriny. Hatory mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo ka tsy hifoha”,+ hoy ilay Mpanjaka+ atao hoe Jehovah Tompon’ny tafika.+ 58  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy horavana ny mandan’i Babylona+ na dia matevina aza. Ary hodorana+ ny vavahadiny na dia avo aza. Ho very maina fotsiny ny fisasaran’ny vahoaka,+ ary ho zava-poana ny fisasaran’ireo firenena satria ho levon’ny afo+ ny asany. Ho sasa-poana fotsiny izy ireo.” 59  Ny teny nandidian’i Jeremia mpaminany an’i Seraia zanak’i Neria,+ zanak’i Mahaseia,+ tamin’izy nankany Babylona niaraka tamin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Zedekia. Mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramila io Seraia io. 60  Ary nosoratan’i Jeremia tao amin’ny boky+ iray ny loza rehetra hanjo an’i Babylona, dia izany teny rehetra nosoratana momba an’i Babylona izany. 61  Hoy koa i Jeremia tamin’i Seraia: “Raha vao tonga any Babylona ianao ka mahatazana azy, dia vakio mafy ireo teny+ rehetra ireo. 62  Ary izao lazaina: ‘Jehovah ô, ianao no efa nilaza teny fanamelohana an’ity toerana ity mba haharava azy, ka tsy hisy honina intsony ao,+ na olona na biby fiompy, ary mba ho lao tanteraka izy mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ 63  Rehefa tapitra voavakinao ity boky ity, dia afatory amin’ny vato ka atsipazo ao amin’ny reniranon’i Eofrata.+ 64  Ary izao lazaina: ‘Toy izao no hilentehan’i Babylona ka tsy hipoirany intsony mihitsy, satria hahatonga loza aminy aho.+ Ho sasa-poana fotsiny izy ireo.’”+ Mifarana eto ny tenin’i Jeremia.

Fanamarihana

Mety hanondro an’i Kaldea.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.