Jeremia 52:1-34

52  Iraika amby roapolo taona i Zedekia+ tamin’izy nanomboka nanjaka,+ ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.+ Ny anaran-dreniny dia Hamotala,+ zanak’i Jeremia avy any Libna.+  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ sahala amin’izay rehetra nataon’i Joiakima.+  Nahatezitra an’i Jehovah ny zava-nisy tany Jerosalema sy Joda, ka nesoriny tsy ho eo anatrehany ny olona tany.+ Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babylona i Zedekia.+  Koa tonga hamely an’i Jerosalema+ i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo, tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia.+ Dia nitoby nanodidina an’i Jerosalema izy ireo mba hanafika azy, ka nanao manda nanodidina mba hanaovana fahirano azy.+  Koa natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.+  Ary mafy ny mosary tao an-tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,+ ka tsy nisy sakafo hohanin’ny vahoaka.+  Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna+ tamin’ny farany. Koa nandositra+ niala tao ny lehilahy mpiady rehetra raha mbola alina ny andro, ka nanaraka ny lalana mankany amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, izay teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka.+ Ary nivoaka nankany amin’ny lalana ho any Araba+ izy ireo. Efa nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay.  Nisy andia-miaramila kaldeanina nanenjika an’i Zedekia Mpanjaka,+ ka nahatratra azy+ teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko. Koa niparitaka sy nandao azy ny miaramilany rehetra.+  Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona+ tao Ribla,+ tany Hamata,+ mba hisy didim-pitsarana havoakany momba azy.+ 10  Ary novonoin’ny mpanjakan’i Babylona teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy.+ Novonoiny tao Ribla daholo koa ny andrianan’i Joda.+ 11  Nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona,+ ary nataony am-ponja mandra-pahafatiny. 12  Ary tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona fahasivy ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadrezara+ mpanjakan’i Babylona, dia niditra tao Jerosalema i Nebozaradana+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjakan’i Babylona, izay nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka. 13  Dia nodoran’i Nebozaradana ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany+ koa ny tranon’ny olona ambony rehetra. 14  Ary ny manda rehetra nanodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny tafika manontolon’ny Kaldeanina, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka.+ 15  Ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tanàna,+ sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny sisa tamin’ireo mpiasa tena mahay, dia nentin’i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ka nataony sesitany.+ 16  Navelany hijanona tao amin’ilay tany kosa ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga, mba hikarakara tanimboaloboka. Ary nampanaovina asa an-terivozona koa izy ireny.+ 17  Nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry+ varahina teo amin’ny tranon’i Jehovah sy ireo kalesy+ ary ny ranomasina+ varahina izay tao an-tranon’i Jehovah, ka nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina rehetra tamin’ireny.+ 18  Dia nalainy ny fitoeran-davenona sy ny lapelina+ sy ny famonoan-jiro+ sy ny vilia baolina+ sy ny kaopy ary ny fitaovana varahina rehetra izay nampiasaina tamin’ny fanompoana.+ 19  Nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka,+ koa ny koveta+ sy ny fitondrana afo sy ny vilia baolina+ sy ny fitoeran-davenona sy ny fitoeran-jiro+ sy ny kaopy ary ny vilia baolina hafa. Tena volamena+ sy tena volafotsy+ daholo ireo. 20  Efa tsy voalanja intsony ny varahina tamin’ny fitaovana rehetra,+ izany hoe tamin’ny andry roa+ sy ilay ranomasina+ sy ny omby+ roa ambin’ny folo teo ambaniny ary ireo kalesy izay nataon’i Solomona Mpanjaka ho an’ny tranon’i Jehovah.+ 21  Valo ambin’ny folo hakiho ny haavon’ny andry tsirairay,+ ary tady roa ambin’ny folo hakiho vao mahodidina ny iray.+ Voantondro efatra ny hateviny. Poakaty izy ireo. 22  Varahina ny loha andry teo amboniny,+ ary dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray.+ Ary varahina daholo ny harato nifampidipiditra sy ny ampongabendanitra nanodidina ny loha andry.+ Nisy toy izany koa teo amin’ilay andry faharoa sy ny ampongabendanitra.+ 23  Enina amby sivifolo ny isan’ny ampongabendanitra teo amin’ireo lafiny. Zato mantsy ny ampongabendanitra rehetra teo amin’ilay harato manodidina ny andry.+ 24  Dia nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, i Seraia+ lehiben’ny mpisorona, sy Zefania+ mpisorona lefitra, ary ny olona telo mpiandry varavarana.+ 25  Ireto kosa no nalainy avy tao an-tanàna: Tandapa iray nifehy ny lehilahy mpiady; lehilahy fito anisan’ireo afaka nankeo anatrehan’ny mpanjaka+ ka hita tao an-tanàna; ny mpitan-tsoratry ny lehiben’ny tafika, izany hoe ilay mpanangona vahoaka; ary enimpolo lahy teo amin’ny vahoaka, izay hita tao an-tanàna.+ 26  Nalain’i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ireo ka nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla.+ 27  Dia namely an’ireo ny mpanjakan’i Babylona,+ ka namono azy ho faty tao Ribla,+ tany Hamata.+ Koa nesorina tamin’ny taniny ny Joda ka natao sesitany.+ 28  Ireto avy ny olona nataon’i Nebokadrezara sesitany: Jiosy telo amby roapolo sy telo arivo, tamin’ny taona fahafito.+ 29  Olona* roa amby telopolo sy valonjato no natao sesitany avy ao Jerosalema, tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadrezara.+ 30  Ary tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Nebokadrezara, dia Jiosy dimy amby efapolo sy fitonjato no natao sesitany ka i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, no nanao sesitany azy ireo.+ Eninjato sy efatra arivo no fitambaran’izy rehetra. 31  Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanaovana sesitany an’i Joiakina+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana faharoa ambin’ny folo, tamin’ny taona naha lasa mpanjaka an’i Evila-merodaka mpanjakan’i Babylona, dia nahazo sitraka taminy*+ i Joiakina mpanjakan’ny Joda. Koa navoakany avy tao am-ponja i Joiakina. 32  Dia nilaza zava-tsoa taminy i Evila-merodaka, ary nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ireo mpanjaka niaraka taminy tany Babylona ny seza fiandrianan’i Joiakina.+ 33  Koa nesorin’i Joiakina ny fitafiana nanaovany tao am-ponja,+ ary nihinan-kanina+ teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy, nandritra ny androm-piainany.+ 34  Nomena anjara sakafo tsy tapaka avy tamin’ny mpanjakan’i Babylona izy, araka izay tokony ho azy isan’andro, mandra-pahafatiny,+ eny, nandritra ny androm-piainany.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Nasandrany ny lohan’i.”