Jeremia 6:1-30

6  Ry taranak’i Benjamina ô, mialà ao Jerosalema ka mitadiava fialofana! Tsofy ao Tekoa+ ny anjombona.+ Ataovy miakatra ao Beti-hakerema+ ny afo famantarana, satria efa mananontanona avy any avaratra ny loza, dia fandravana be.+  Toy ny vehivavy tsara tarehy sy nampihantaina i Ziona zanakavavy.+  Tonga teo aminy ireo mpiandry ondry nitondra ny andian’ondriny, ary nanangana ny tranolainy manodidina azy mba hiady taminy.+ Samy nitondra ny ondriny hiraoka ahitra teo amin’ny anjara taniny izy ireo.+  Niomana hiady*+ tamin’i Ziona izy ireo, ka nanao hoe: “Mitsangàna, andao hiakarana amin’ny mitataovovonana+ izy!” “Idiran-doza isika fa efa folaka ny andro, efa mihalava ny aloka satria efa hariva!”  “Mitsangàna, andao hanaovana latsaka alina izy, ka horavantsika ireo tilikambo fonenana eo aminy.”+  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Mikapà hazo.+ Ary manorena tovon-tany*+ hanaovana fahirano an’i Jerosalema. Tanàna tsy maintsy atao ampamoaka izy.+ Tsy misy afa-tsy fampahoriana ao aminy.+  Mihazona ny rano ho mangatsiatsiaka ny lavaka fanangonan-drano. Toy izany koa fa nihazona ny ratsy fanaony ho mangatsiatsiaka izy. Andrenesana herisetra sy fandrobana ao aminy.+ Aretina sy loza foana no eo anatrehako.  Meteza hahitsy,+ ry Jerosalema ô, mba tsy ho tofoka aminao+ aho,* ary tsy hataoko ho lasa tany lao tsy misy mponina+ ianao.”  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy hotsimponina toy ny voaloboka navelan’ny mpioty,+ ny sisa amin’ny Israely. Averimbereno eo amin’ny sakeli-boaloboka ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty.” 10  “Iza no hitenenako sy hampitandremako ka hihaino ahy? Tsy voafora ny sofin’ireo, ka tsy afa-mandre izy.+ Nataony tsinontsinona ny tenin’i Jehovah,+ sady tsy nahafinaritra azy.+ 11  Mirehitra ato anatiko ny fahatezeran’i Jehovah, ary sasatry ny mitana izany aho.”+ “Aoka ianao hanampatra ny fahatezeranao amin’ny ankizy eny an-dalambe,+ sy amin’ny andiana tovolahy mpinamana akaiky. Fa samy ho tratran’izany daholo na ny lehilahy na ny vadiny, na ny lahiantitra na ny efa ela niainana.+ 12  Ho lasan’olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny.+ Fa haninjitra ny tanako hamely ny mponin’ilay tany aho”, hoy i Jehovah.+ 13  “Samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+ 14  Ataony alasafay ny fanasitranana ny fahavoazan’ny oloko,+ amin’ny filazany hoe: ‘Fiadanana! Fiadanana!’ nefa tsy misy fiadanana akory.+ 15  Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko nataony?+ Tsy vitan’ny hoe tsy menatra mihitsy izy ireo, fa tsy hainy koa ny atao hoe henatra.+ Ho lavo miaraka amin’ireo lavo izy ireo.+ Ho tafintohina izy ireo rehefa hataoko ampamoaka”, hoy i Jehovah. 16  Izao no nolazain’i Jehovah: “Mijanòna eny an-dalana ka mandiniha, ary anontanio hoe aiza ireo lalana fahiny ary aiza ny lalana tsara,+ ka izay no andehano+ ary mahità fahasambarana.”+ Hoy foana anefa ianareo: “Tsy handeha izahay.”+ 17  “Dia nanendry mpitily+ aho, hilaza aminareo hoe: ‘Henoy ny feon’ny anjombona!’”+ Hoy foana anefa ianareo: “Tsy hihaino izahay.”+ 18  “Koa mihainoa, ry firenena ô! Fantaro izay hanjo azy ireo, ry vahoaka ô! 19  Henoy, ry tany ô! Hahatonga loza amin’ity vahoaka ity aho,+ noho izay any an-tsainy.+ Tsy nihaino izay nolazaiko mantsy izy, sady tsy niraharaha ny lalàko.”+ 20  “Ataoko inona koa izay emboka manitra hafaranao avy any Sheba+ sy izay fantàkamanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra dorana manontolo atolotrareo,+ ary tsy ankasitrahako ny sorona ataonareo.”+ 21  Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Hasiako vato mahatafintohina eo anoloan’ity vahoaka ity,+ ka ho tafintohina izy ireo, eny, samy ho tafintohina ny ray sy ny zanany. Ary ny mpiara-monina sy ny namany kosa ho faty.”+ 22  Izao no nolazain’i Jehovah: “Hisy vahoaka ho tonga avy any amin’ilay tany any avaratra, ary hisy firenena lehibe hofohazina avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+ 23  Tsipìka sy lefom-pohy no ho eny an-tanany.+ Firenena lozabe sy tsy miantra izy io. Midoboka toy ny ranomasina ny feony,+ ary mitaingin-tsoavaly ny miaramilany.+ Milahatra toy ny lehilahy mpiady izy mba hanafika anao, ry Ziona zanakavavy ô!”+ 24  Efa renay ny momba azy, ka miraviravy tanana izahay.+ Azom-pahoriana izahay ary manaintaina toy ny vehivavy efa hiteraka.+ 25  Aza mivoaka ho any an-tsaha na mandeha eny an-dalana fa manan-tsabatra ny fahavalo, ka manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra.+ 26  Aoka ianao hisikina lamba gony+ sy hihosin-davenona,+ ry oloko zanakavavy! Aoka ianao hisaona toy ny fisaonana zanaka lahitokana, ary hidradradradra noho ny alahelo be,+ satria hanafika antsika tampoka ny mpandroba.+ 27  “Notendreko ho mpisedra metaly ianao, eo amin’ny oloko. Koa hanadihady tsara ianao, sady handinika ary hamotopototra an’izay ataon’izy ireo.+ 28  Olona faran’izay mafy loha+ izy rehetra, ary mandehandeha manendrikendrika.+ Toy ny varahina sy vy izy ireo, sady mpanao ratsy daholo.+ 29  May ny tafoforana.+ Misy firaka avy ao anaty afo.+ Very maina fotsiny ny nandrendrehana ny metaly na dia natao mahamay be aza ny afo, satria tsy niavaka akory ny loto.+ 30  Hantsoin’ny olona hoe volafotsy fanary izy ireo,+ satria efa narian’i Jehovah.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “Nanamasina ady.”
Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.