Jeremia 7:1-34

7  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia:  “Mijoroa eo amin’ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah, ka torio eo izao teny+ izao: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry olon’i Joda rehetra, izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah.  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo, dia hataoko monina eto amin’ity toerana ity foana ianareo.+  Aza matoky ny teny fitaka,+ manao hoe: ‘Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah ity!’  Fa raha tena ahitsinareo tokoa ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary tena tsarainareo araka ny rariny ny olona sy izay miady aminy,+  ary tsy ampijalinareo ny mpivahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena,+ ary raha tsy mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny ianareo eto amin’ity toerana ity,+ sady tsy manaraka andriamani-kafa ka hahatonga loza aminareo,+  dia hataoko monina eto amin’ity toerana ity mandrakizay mandrakizay ianareo, izany hoe eo amin’ilay tany nomeko ny razanareo.”’”+  “Teny fitaka anefa no atokisanareo. Tsy hahasoa anareo mihitsy izany.+  Mangalatra+ sy mamono olona+ sy manitsakitsa-bady+ sy mianiana lainga+ ianareo, ary manolotra setroka ho sorona ho an’i Bala+ sy manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo.+ 10  Mbola tonga mitsangana eto anatrehako ato amin’ity trano niantsoana ny anarako+ ity ihany anefa ianareo, ary manao hoe: ‘Tsy maintsy ho voavonjy isika’, na dia manao izany zava-maharikoriko rehetra izany aza. 11  Heverinareo ho lava-bato fieren-jiolahy+ angaha ity trano niantsoana ny anarako+ ity? Efa hitako koa izany”, hoy i Jehovah.+ 12  “‘Mandehana any Silo,+ any amin’ilay toerana nampitoerako ny anarako tamin’ny voalohany,+ ka jereo ny nataoko taminy noho ny faharatsian’ny Israely oloko.+ 13  Nanao izany rehetra izany anefa ianareo’, hoy i Jehovah, ‘ary efa noteneniko foana ianareo, sady nifoha maraina mihitsy aho mba hiteny anareo,+ nefa tsy nihaino ianareo.+ Ary niantso anareo foana aho, nefa tsy namaly ianareo.+ 14  Koa hataoko sahala amin’i Silo+ ity trano niantsoana ny anarako ity,+ na dia itokisanareo aza.+ Ary hataoko toy izany koa ity toerana nomeko anareo sy ny razanareo ity. 15  Horoahiko tsy ho eo anatrehako ianareo,+ sahala amin’ny nandroahako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima manontolo.’+ 16  “Ary aza mivavaka ho an’ity vahoaka ity ianao, na mitalaho sy mivavaka ary miangavy amiko ho azy,+ fa tsy hihaino anao aho.+ 17  Tsy hitanao angaha izay ataon’izy ireo ao amin’ny tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema?+ 18  Maka kitay ny ankizy, ary mandrehitra afo ny rainy, fa ny vehivavy kosa mamolavola koba hanaovana mofo atao fanatitra ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra.’+ Mandraraka fanatitra zava-pisotro+ ho an’andriamani-kafa koa izy ireo, mba hampahatezitra ahy.+ 19  ‘Izaho ve no tian’izy ireo ho tezitra?’, hoy i Jehovah.+ ‘Tsy izy ireo ihany ve no mahatonga fahavoazana ho an’ny tenany, mba hahamenatra azy?’+ 20  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hanampatra ny fahatezerako sy ny fahavinirako amin’ity toerana ity aho,+ sy amin’ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo eny an-tsaha+ ary ny vokatry ny tany. Hirehitra tokoa ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’+ 21  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Ny sorona ataonareo dia ampio fanatitra dorana manontolo, ka mihinàna hena.+ 22  Fa tsy niteny tamin’ny razanareo aho, na nanome didy azy ireo momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona,+ tamin’ny andro nitondrako azy ireo nivoaka avy tany Ejipta. 23  Fa izao kosa no didy nomeko azy ireo: “Ankatoavy ny teniko,+ dia ho Andriamanitrareo aho,+ ary ianareo ho oloko. Mandehana amin’ny lalana+ rehetra hasaiko halehanareo, mba hahita soa ianareo.”’+ 24  Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nandeha araka izay saim-pantany sy ny ditran’ny fo ratsiny,+ hany ka nihemotra izy ireo fa tsy nandroso,+ 25  hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo avy tany Ejipta ka hatramin’izao.+ Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Nifoha maraina aho isan’andro ka naniraka an’ireny.+ 26  Tsy nihaino ahy anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nanamafy hatoka+ kosa. Ary ratsy noho ny nataon’ny razany ny nataony!+ 27  “Holazainao amin’izy ireo daholo ny teniko,+ nefa tsy hihaino anao izy. Hiantso azy ireo ianao, nefa tsy hamaly anao izy.+ 28  Koa lazao aminy hoe: ‘Ity ilay firenena tsy mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamaniny,+ sady tsy mandray anatra.+ Tsy misy olona tsy mivadika intsony eo amin’izy ireo, ary tsy aloaky ny vavany intsony ny resaka tsy fivadihana.’+ 29  “Hetezo ny volonao lava ka ario.+ Manaova hira fanehoana alahelo+ eny amin’ny havoana mangadihady, fa sady nolavin’i Jehovah+ ilay taranaka mampahatezitra mafy azy no efa hafoiny.+ 30  ‘Fa nanao izay ratsy teo imasoko ny taranak’i Joda’, hoy i Jehovah. ‘Nataony tao amin’ilay trano niantsoana ny anarako ireo zava-maharikoriko notompoiny, mba handotoany ny tranoko.+ 31  Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta+ izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+ 32  “‘Koa ho avy ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay tsy hilazana intsony hoe Tofeta na lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa lohasaha famonoana kosa.+ Ary handevina ao Tofeta izy ireo, na dia efa tsy misy toerana azo andevenana intsony aza ao.+ 33  Ny fatin’ity vahoaka ity dia ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia, ary tsy hisy hampangovitra an’ireny.+ 34  Dia hatsahatro ao amin’ireo tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feon’olona mifaly sy miravoravo, ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina.+ Fa ho rava tanteraka ilay tany.’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “am-poko.”