Jeremia 8:1-22

8  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’ny Joda sy ireo andrianany sy ireo mpisorony sy ireo mpaminaniny, ary ny taolan’ny mponin’i Jerosalema.+  Dia haely ireny, eny, haely eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary izay rehetra eny amin’ny lanitra, izay samy tian’izy ireo sy tompoiny sy ivavahany+ sy katsahiny ary iankohofany.+ Tsy hangonina na halevina ireny taolana ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.”+  “Ary izay mbola tavela amin’ireo sisa tsy maty tamin’ity taranaka ratsy fanahy ity, any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy,+ dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Ho lavo ve izy ireo, ka tsy ho tafarina intsony?+ Raha miverina amiko ny iray, tsy hiverina koa ve ny hafa?+  Nahoana no mivadika amiko ity vahoakan’i Jerosalema ity sady mikiribiby amin’izany fivadihany izany? Mamitaka foana izy ireo,+ ary tsy mety miverina amiko.+  Nihaino+ sy nanongilan-tsofina+ aho, kanefa tsy tsara ny zavatra reko noresahin’izy ireo. Tsy mba nisy nibebaka tamin’ny faharatsiany,+ ka nanao hoe: ‘Fa inona ity nataoko?’ Samy miverina manao ny fanaon’ny besinimaro+ izy ireo, toy ny soavaly miriotra ho any an’ady.  Na ny vanobe eny amin’ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana voatondro.+ Ary samy manaja tsara ny fotoana fahatongavany ny domohina+ sy ny sidintsidina ary ny tsikorovana. Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsaran’i Jehovah.”’+  “‘Ahoana no ilazanareo hoe: “Hendry izahay sady anananay ny lalàn’i Jehovah”?+ Lainga fotsiny no voasoratry ny penin’ny*+ mpitan-tsoratra.  Menatra ny hendry.+ Mihorohoro sy voafandrika izy ireo. Ny tenin’i Jehovah no nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?+ 10  Koa homeko ho an’olon-kafa ny vadiny, ary ny sahany ho lasan’olona,+ satria samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+ 11  Ataony alasafay ny fanasitranana ny fahavoazan’ny oloko+ zanakavavy, amin’ny filazany hoe: “Fiadanana! Fiadanana!” nefa tsy misy fiadanana akory.+ 12  Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko nataony?+ Tsy vitan’ny hoe tsy menatra mihitsy izy ireo, fa tsy hainy koa ny atao hoe henatra.+ “‘Ho lavo miaraka amin’ireo lavo izy ireo. Ho tafintohina+ izy ireo rehefa tonga ny fotoana hifantohana+ aminy’, hoy i Jehovah. 13  “‘Rehefa tonga ny fiotazana, dia hataoko fongana izy ireo’, hoy i Jehovah.+ ‘Tsy hisy voa azo otazana eo amin’ny voaloboka,+ tsy hisy voa koa ny aviavy, ary halazo ny ravina. Ho lasan’olon-kafa ny zavatra nomeko azy ka handalo eo anilany.’” 14  “Nahoana isika no mipetra-potsiny eto? Andao hifamory ka hiditra ao amin’ireo tanàna misy manda+ ary ho faty ao. Nataon’i Jehovah Andriamanitsika izay hahafaty antsika.+ Ary nomen’i Jehovah rano misy poizina isika hosotrointsika,+ satria nanota taminy. 15  Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nisy zava-tsoa.+ Nanantena fotoam-panasitranana isika, kanjo horohoro no niseho!+ 16  Avy tany Dana+ no nandrenesana ny fiefonefon’ny soavalin’ny fahavalo. Nihovotrovotra ilay tany manontolo noho ny fikiakiakan’ireo soavalilahy.+ Dia tonga ny fahavalo ka mandripaka an’ilay tany sy izay rehetra ao aminy, na ny tanàna na ny mponina ao.” 17  “Handefasako menarana ianareo, eny, bibilava misy poizina+ sy tsy hay baikoina.+ Hanaikitra anareo tokoa ireny”, hoy i Jehovah. 18  Alahelo tsy sitram-panafody no ato anatiko.+ Marary ny foko. 19  Injany fa miantso vonjy avy any an-tany lavitra+ ny oloko zanakavavy, manao hoe: “Tsy ao Ziona ve i Jehovah?+ Sa tsy misy mpanjaka ao?”+ “Nahoana koa àry izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ireo sary sokitra sy andriamani-kafa tsy misy fotony izay nivavahany?”+ 20  “Efa lasa ny fijinjana ary efa nifarana ny fahavaratra, nefa mbola tsy voavonjy ihany isika!”+ 21  Torotoro fo+ aho noho ny fahavoazan’ny+ oloko zanakavavy. Malahelo aho ary gaga be mihitsy!+ 22  Tsy misy balsama angaha any Gileada?+ Ary tsy misy dokotera angaha any?+ Koa nahoana no mbola tsy sitrana+ foana ny oloko zanakavavy?+

Fanamarihana

Mety ho bararata kely marani-doha io.