Jeremia 9:1-26

9  Raha mba rano mantsy ny lohako, ary loharanon-dranomaso ny masoko,+ dia hitomany andro aman’alina aho noho ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy.+  Raha mba manana toeram-pilasian’ny mpanao dia lavitra mantsy aho any an-tany efitra,+ dia handao ny oloko aho ka handeha lavitra azy, satria mpanitsakitsa-bady+ izy rehetra sady mpamitaka+ daholo.  Ny lelany no ataony toy ny tsipìka andefasany lainga.+ Malaza ho mpivadika izy ireo ao amin’ilay tany. “Miharatsy foana izy ireo, ary tsy raharahainy aho”,+ hoy i Jehovah.  “Aoka samy hitandrin-tena amin’ny namany avy ianareo,+ ary aza atokisana ny rahalahinareo na dia iray aza.+ Te hisongona ny hafa mantsy ny rahalahy+ rehetra, ary ny namana rehetra mandehandeha manendrikendrika.+  Samy mamitaka ny namany+ avy izy ireo, ary tsy milaza ny marina mihitsy. Efa nampianariny handainga ny lelany.+ Manasatra ny tenany amin’ny fanaovan-dratsy izy ireo.+  “Mipetraka eo anivon’ny fitaka ianao.+ Namitaka izy ireo ka nanda tsy hahalala ahy”,+ hoy i Jehovah.  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Ataoko mitsonika izy ireo ka hodinihiko,+ satria inona indray moa, ankoatra izany, no azoko atao amin’ny oloko zanakavavy?+  Zana-tsipìka mahafaty ny lelan’izy ireo.+ Fitaka no lazainy. Fihavanana foana no resahiny amin’ny namany, nefa ao anatiny ao izy efa toy ny olona mifitsaka hanafika azy.”+  “Koa tsy tokony hanao ampamoaka azy ireo ve aho noho izany?”, hoy i Jehovah. “Ary tsy tokony hovaliako ve ny firenena toy izany?+ 10  Hidradradradra sy hitomany+ eny an-tendrombohitra aho, ary hanao hira fisaonana eny an-kijana any an-tany efitra, fa hodorana ireny+ ka tsy hisy handalo intsony eny, sady tsy handrenesana feom-biby fiompy intsony.+ Nandositra ny voro-manidina sy ny bibidia ka efa lasa daholo.+ 11  Hataoko lasa korontam-bato miavosa+ sy fonenan’ny alikadia i Jerosalema,+ ary ireo tanànan’i Joda kosa hataoko lasa aolo tsy misy mponina.+ 12  “Iza no hendry ka mahazo ny hevitr’izao? Ary iza no niresahan’i Jehovah ka ho afaka hilaza izany?+ Fa nahoana no horavana ilay tany, ary hodorana tahaka ny tany efitra ka tsy hisy mpandalo?”+ 13  Dia hoy i Jehovah: “Satria nandika ny lalàna nomeko hitari-dalana azy izy ireo, ary tsy nankatò sy tsy nanaraka ny teniko,+ 14  fa nikiribiby nandeha araka ny ditran’ny fony+ sy nanompo an’ireo sarin’i Bala,+ araka izay nampianarin’ny razany azy.+ 15  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hampihinaniko zavamaniry mangidy ity vahoaka ity,+ ary hampisotroiko rano misy poizina.+ 16  Haparitako any amin’ireo firenena tsy fantany sy tsy fantatry ny razany izy ireo,+ ary handefasako sabatra hamely azy, mandra-paharipany tanteraka.’+ 17  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Aoka hahira-tsaina ianareo, ka antsoy ireo vehivavy mpanao hira fisaonana+ mba ho tonga. Ampanantsoy koa ireo vehivavy efa za-draharaha mba ho tonga+ 18  sy ho avy haingana ka hitomany ho antsika. Handrotsaka ranomaso anie ny masontsika, ary hampikoriana ranomaso anie ny hodi-masontsika!+ 19  Fa re avy ao Ziona ny feon’ireo mitomany+ hoe: “Dia voaroba+ tokoa lahy isika! Afa-baraka tanteraka isika! Efa nandao an’ilay tany tokoa mantsy isika, ary noravan’izy ireo ny fonenantsika.”+ 20  Mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo vehivavy, ary aoka ianareo hanongilan-tsofina amin’ny teny aloaky ny vavany. Dia ampianaro hira fitomaniana+ ny zanakareo vavy, ary aoka ny vehivavy samy hampianatra ny namany hira fisaonana.+ 21  Fa nitsofoka avy eo am-baravarankelintsika ny fahafatesana, ary niditra nankao amin’ireo tilikambo fonenantsika, mba handripaka ny ankizy eny an-dalambe sy ny tovolahy eny an-tany malalaka.’+ 22  “Ambarao hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hiampatrampatra ny fatin’ny olona, ka ho toy ny zezika eny an-tsaha, sy ho toy ny varimbazaha vao avy nojinjaina nefa tsy misy mpanangona.”’”+ 23  Izao no nolazain’i Jehovah: “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny,+ ary ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny,+ ary ny manankarena tsy hirehareha amin’ny harenany.”+ 24  “Fa izay mirehareha kosa dia aoka hirehareha amin’izao zavatra izao: Ny fahafantarany tsara ahy+ sy ny fahalalany hoe izaho no Jehovah,+ dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany,+ satria toetra tena mahafinaritra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah. 25  “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanaovako ampamoaka an’izay rehetra voafora nefa mbola tsy mifora,+ 26  dia i Ejipta,+ sy Joda,+ sy Edoma,+ sy ny taranak’i Amona,+ sy Moaba,+ ary izay rehetra monina an-tany efitra sady manapaka ny volony avy eo amin’ny fihirifany.+ Fa tsy voafora ny firenena rehetra, ary tsy voafora fo+ ny taranak’Israely manontolo.”

Fanamarihana